Toa Manana Fenitra Ambony Arak'asa Kokoa Ny Tanora Slaovaky Raha Oharina Amimn'ireo Taranaka Taloha. Tsara sa Ratsy Izany?

Iray amin'ireo mpiasa tamin'ny sary malaza tamin'ny taona 1932 “Sakafo hariva ao an-tampon'ny tranobe” avy amin'i Charles C. Slovaky antsoina hoe Gustáv (Gusti) Popovič i Ebbets -voalohany avy ao ankavanana, miaraka amin'ny tavoahangy. Sary: Wikipedia.

Taloha, nanana laza manokana ho olona mazoto miasa mafy (ary avy eo mirevy be) ny Slaovaky. Tato ho ato, na izany aza, misy ny resaka mandeha ao Slaovakia izay manohitra izany fomba fijery izany sy miampanga ny tanora ho tsy vonona ny hiasa, taorian'ny tati-baovao vao haingana miresaka ny lohahevitra.

Somary tsara ny toe-karena Slaovaky tao anatin'ny taona vitsivitsy. Nihena ny tsy fananana asa – tamin'ny Desambra 2016, 8,8% izany – ary ankehitriny nilatsaka ao anatin'ny taha ankapoben'ny ao amin'ny Vondrona Eoropeana manontolo sy ny Eurozone izany, izany hoe ny firenena Vondrona Eoropeana izay nankatòa ny vola iombonana. Ny tarehimarika farany avy amin'ny Eurostat tamin'ny 2 Mey dia mampiseho bebe kokoa ny fihenan'ny tsy fananana asa amin'ny ankapobeny ho hatramin'ny 8,4%. Raha ny firenena hafa ao amin'ny Vondrona Eoropeana kosa dia ambony kokoa ny tsy fananan'ny tanora asa izay mahatratra 18,8%.

Anisan'ny antony voalohany mahatonga ny isa ambany amin'ny tsy fananana asa ny fanovana ny fomba fanisana azy ireo, izay nanesorana teo amin'ny 0,8%, ary ny zava-misy mikasika ny safidin'ny Slaovaky hiasa any ivelany. Ankehitriny, eo amin'ny olona 300.000 na ny 12% ny mpiasa Slaovaky no tsy miasa ao amin'ny firenena niaviany.

Amin'ny ampahany, nofenoin'ireo mpiasa vahiny tombanana ho 30.000 eo ho eo ny “tsy fisian'ny” mpiasa ao amin'ny firenena. Nanomboka nahatsapa ny tsy fahampian'ny olona ny orinasa ao Slaovakia, ka ho setrin'izany, miakatra tsikelikely miezaka misarika mpiasa ny karama.

Ka raha namoaka tatitra ny tranonkalam-baovao Aktually vao haingana fa manoloana ny toe-piainana ankehitriny, mampiseho etika ratsy amin'ny asa ny tanora, niteraka tabataba tao amin'ny aterineto Slaovaky izany, nahazo fanehoan-kevitra 600 mahery. Nitanisa ny filazan'ny tale iray mamaritra ny zavatra mitranga matetika ao amin'ny orinasan'ny fiara iray ny tantara iray notsongaina:

„Mladšia generácia si dnes už ani prácu veľmi neváži. Pravidelne sa stáva, že po prestávke zrazu chýbajú na linke dvaja či traja ľudia. Jednoducho sa zoberú a idú preč. Nikomu nič nepovedia. Na vrátnici nechajú pracovné oblečenie a vstupnú kartu,“ takto nám opísal vedúci pracovník bežnú situáciu v jednej našej automobilke.

Tsy dia manome lanja ny asa bebe kokoa ny tanora amin'izao fotoana izao. Matetika mitranga ny hoe , tsy hita tampoka intsony ny olona roa na telo aorian'ny fialan-tsasatra kely. Miala fotsiny izy ireo. Tsy milaza na inona na inona amin'ny olona. Mamela ny fitaovam-piasana sy ny karatra fidirana ao amin'ny vavahadin'ny orinasa fotsiny izy ireo.

Tsy mikasika ny orinasan'ny fiara ihany na ny faritra miroborobo kokoa ao Slovakia Andrefana io mpitranga vaovao io, araka ny filazan'ny Aktuality, fa toa malaza manerana ny firenena mihitsy na dia ao amin'ny faritra ahitana tsy fisian'ny asa betska ao Atsinanana aza.

Iray amin'ireo lafin-javatra mety misy ifandraisany ny fanjakam-birao. Manery ireo izay nisoratra anarana fa tsy manana asa mba hanaiky asa mety tsy mifanaraka amin'izy ireo ny sampan-draharahan'ny asam-panjakana, raha tsy izany tsy mahazo misitraka ireo tombontsoa ara-tsosialy sy ara-pahasalamana.

“Rehefa manaiky ny asa izy ireo, dia tsy te hijanona ela, manitsakitsaka ny fitsipiky ny asa ary tian'izy ireo handroaka azy ireo ny mpampiasa,” hoy i Jana Mesárová avy ao amin'ny sampan-draharahan'ny asa Wincott People tao anatin'ny lahatsoratra.

Tombanana ho 20 isanjaton'ny olona no hiala amin'ireo asa ireo ao anatin'ny telo volana, izay hitan'ny Minisiteran'ny Asa fa fihoaram-pefy amin'ny rafitra ara-tsosialy. Noho izany, nampanantena ny manampahefana fa hampiditra fanitsiana amin'ny lalàna mba “hamahàna” ny olana.

Naneho hevitra mikasika ny zava-misy ny Slaovaky. Misy ireo mpaneho hevitra nandatsa ny fihetsiky ny mpiasa:

KotrasE: Vzbúrili sa proti nízkym platom a nechávajú sa živiť rodičmi ktorý zarábajú ešte menej a za ťažších podmienok. Jednoducho povedané nezodpovednosť, žiadna úcta k rodičom a lenivosť.

KotrasE: Nandà ny karama ambany izy ireo ka aleon'izy ireo ny ray aman-dreny izay mandray karama ambany sy ao anatin'ny fepetra sarotra amin'ny asa kokoa no mamelona azy ireo. Lazaina fotsiny hoe, tsy fandraisana andraikitra, tsy fanajana ny ray aman-dreny, ary fahakamoana.

Etsy andaniny, niaro ny tanora ny sasany, mihevitra fa tokony hifarana ny andro iasàna tsy misy fitsaharana, tahaka ny nihatra tamin'ny ray aman-drenin'izy ireo sy ny raibe sy ny reniben'izy ireo:

cippi: No nie je to len nizkymi platmi. Ludia narodeni skor su tzv generacia Y:) KTora je uplne ina ako predchadzajuca. chcu menej pracovat a mat viac volneho casu …

cippi: Tsy momba ny karama ambany fotsiny izany. Ny olona teraka taty aoriana no antsoina hoe Taranaka Y izay samihafa tanteraka tamin'ireo taloha. Te hiasa kely kokoa izy ireo ary te hanana fotoana malalaka bebe kokoa …

Maro kosa no mahita ny toe-draharaha ho vokatry ny fepetra sarotra amin'ny asa, indrindra ny any amin'ny orinasan'ny fanamboarana:

posledny0: Neustále sa rieši, že zamestnanci si nevážia robotu.. Ale ešte nikde neodznelo, že zamestnávatelia si nevazia zamestnancov. Musí to ist ruku v ruke.

posledny0: Nilaza hatrany ny lahatsoratra fa tsy mankasitraka ny asa ireo mpiasa. Saingy tsy nolazaina mihitsy fa mankasitraka ny mpiasa ny mpampiasa. Tsy maintsy miaraka ireo.

Niresaka hampifanaraka ny karama amin'ny traikefa sy ny fepetra takiana ireo mpampiasa ao an-toerana:

Vidicon: Je to ako pisu v clanku. Neviem zohnat elektronikov. A to u nas zarabaju bezne cez 1000 v cistom, niekto aj o dost viac. Lenze pride mlady, co skoncil strednu, nema co ponuknut, ziadna prax a pyta nastupny plat 1300 brutto. …

Vidicon: Tahaka ny manoratra ao amin'ny lahatsoratra izy ireo hoe: Tsy mety mahita elekitrisiana aho. Ary ao amin'ny toerana misy antsika, matetika izy ireo mandray 1.000 [euros] mahery afa-karatsaka, ary ny sasany aza mbola betsaka kokoa. Saingy tsy manana zavatra atolotra ny tanora nahavita fianarana ambaratonga faharoa, tsy manana traikefa ary mangataka karama fiaingana 1.300 Euro …

Nilaza ireo mpaneho hevitra sasany fa tsy hanampy mihitsy ny fanaovana ankivy tsy miasa.

Hetfield_18: Nadavat mozete kolko len chcete, nic vam to nepomoze. … Ak sa vam nepaci kolko zarabate, tak s tym robte nieco, najdite si inu pracu, vycestujte, ucte sa nove veci, ,,,


Hetfield_18:
 Afaka mivazavaza araka izay tianao ianao, tsy misy zavatra hanampy anao. … Raha tsy ankasitrahanao izay karama azonao kanefa tsy manao zavatra momba izany ianao, mitadiava asa hafa, mandehana any ivelany, mianara zavatra hafa, ,,,

Maro kosa ireo nanipika ny elanelana eo amin'ny vidim-piainana sy ny karama.

DustToDust: …to nie je o lenivosti ale o ludskej dostojnosti pokial mi vyplata za pracu nepokryje ani zakladne zivotne naklady s.eriem na taku pracu

DustToDust: …Tsy hoe fahakamoana izany, fa momba ny fahamendrehana maha-olombelona raha tsy mahavita ireo filàna fototra ny karama

Ny hafa kosa nanamarika ny fahasamihafana amin'ny zavatra andrasan'ny taranaka lehibe kokoa sy ny tanora:

janokosice5: Zohnat nahradu za dochodcu bude čoraz väčší problém lebo dochodca pracuje za 400€ čistého a mladý chce od 1000€ a viac

janokosice5: Nahita aho fa ny fanoloana olona retirety iray dia ho fitomboan'ny olana satria mandray 400 € ny mpisotro ronono ary mitady karama 1000 € na mihoatra ny tanora

Angamba hanova ny fepetra ny fenitra ambonimbony kokoa an'ny tanora, hoy ny hafa:

milan5321: konečne vyrástla na Slovensku generácia,ktorá si nenechá brnkat po nose.chlebodarcovia budú musieť zmeniť nielen výšku platov,ale aj prístup k pracovníkom. …

milan5321: Farany, taranaka indray mihira tsy hahazaka [mpampiasa] milanja orona ao amin-dry zareo. Ireo mpivaro-mofo aloha tsy maintsy manova ny karaman'ny mpiasa, sy ny fihetsik'izy ireo amin'ny mpiasa ihany koa …

Ny hafa kosa nanontany tena raha niala tamin'ny asa-tanana ny tanora:

lipovec121: … Všetci chcú pracovať s počítačmi,v kancelárii,no fyzická práca im nevonia.Na tú si najímame Srbov,Rumunov,Bulharov,Ukrajincov. …

lipovec121: … Te hiasa amin'ny solosaina ao anaty birao avokoa izy rehetra, satria tsy tsara ny asa ara-batana. Noho izany, mitady mpiasa Serba, Romaniana, Boligara, Okrainiana izahay. …

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.