Nahatohina an'i Maldiva ny Fahafatesana Tampoka Nahazo ilay Mpilatro Manga Maso

Pikantsary tao amin'ny Lahatsary YouTube Video avy amin'ny Vogue India

Hita nihantona tao amin'ny efitrano fatoriana iombonana itoerany tao Rajshahi, ao avaratr’ i Bangladesh tamin'ny Alarobia 29 Martsa i Raudha Athif, mpilatro Maldiviana manga maso iray 20 taona. Mpianatra mpitsabo taona faharoa izy ao amin'ny Hopitaly-Sekoly Ambony Fianarana ho Mpitsabo Rajshahi Islami Bank, ary noheverina ho famonoan-tena ilay fahafatesana. Tao amin'ny media sosialy, nisaona ny fahalasan'ilay vehivavy tsara tarehy ireo Maldiviana tratran'ny tsy nampoizina.

Nisakafo hariva tamin'ny talata alina no nahitana an'i Raudha farany, talohan'ny nandehanany tany amin'ny efitranony. Ny Alarobia maraina,  nandeha nitady azy ny namany rehefa hita fa tsy tonga nisakafo maraina i Raudha. Rehefa tsy nisy namaly taty ivelan'ny trano, dia novohain'izy ireo ny varavarana ary nahita azy nihantona tamin'ny foloara lava tamin'ny fanelirivotry (ventilateur) ny valindrihana izy  . Mihevitra ny polisy fa vokatry ny famonoan-tena ilay fahafatesana .

Naneho hevitra mikasika ity tranga mampalahelo ity tao amin'ny media sosialy ireo Maldiviana :

Malahelo mafy naheno ny fahafatesan'i Raudha Athif. Vao maika aho malahelo kokoa fa anisan'ny fiarahamonina mbola manilikilika ny olona rera-tsaina.

Tovovavy tsara tarehy sy manan-talenta i Raudh . Manetry tena sy malefaka izy. Tena mampalahelo ny mahita tanora toy izany maty sahady .

Malahelo noho ny fahafatesan'i Raudha. Enga anie izy mba handry am-piadanana 🙁 ary aoka ange isika mba tsy hanao fitsarana an-tendrony .

Nanomboka nilatro teo amin'ny faha 14 taonany i Raudha Athif, ary naka sary hanaovana fanentanana momba ny tontolo iainana izy. Tamin'ny taona 2015, nahatonga fihetseham-po an-tserasera nalaza be izy, noho ny sarin'ilay mpaka sary Shifaz (Sotti), mitondra ny lohateny hoe “ Tovovavy Maldiviana Manga Maso .” Tatỳ aoriana, niseho tamin'ny fonon'ny fahasivy taonan'ny gazetiboky Vogue India Oktobra 2016 izy , andian-tsary izay nahatonga fanakianana avy amin'ny mpandala ny mahazatra noho ny lazaina fa fanintonana mety hampidi-doza azy .

Tao amin'ny antsafa iray tamin'ny herintaona, nanazava tsara i Raudha fa tsy nifidy ny filatroana ho asa fivelomana izy, fa maniry kosa ho lasa dokotera, mba hanampy ny olona.

Manana mpanjohy mihoatra ny 31.000 ny kaontiny Instagram amin'izao fotoana izao.

Nahatsiaro azy tao amin'ny lahatsoratra Facebook ny naman'i Athif iray antsoina hoe Aashiq Iqbal:

তুমি যে এত বড় একজন মডেল ছিলে কিন্ত সেটাতে তোমার কোন অহংকারই ছিল না আর বরাবরই সেটা আমাদের বেশ অবাকই করে দিত। তোমার ধূসর সেই চক্ষু দুটি প্রচন্ড মিস করব।

Nahagaga anay ny zava-misy fa tsy nirehareha mihitsy ianao fa mpilatro malaza. Tsy hahita ny masonao manjopiaka miloko emeralda intsony izany izahay .

Nanoratra ny mpiara-mianatra iray hafa, Abeda Hossain :

জানিনা কেন সুইসাইড করলো, কি এমন কারণ ছিলো যা বয়ে বেড়ানোই বোঝা ছিলো খুব? এতো হাসিখুশির আড়ালে কি লুকিয়ে ছিলো কে জানে….!

Tsy fantatro hoe naninona izy no namono tena. Inona no tena enta-mavesatra nentiny ? Inona no fahoriana tao ambadiky ny endrika mitsiky … Andriamanitra no mahalala.

Araka ireo mpiara-mianatra taminy sasany, voan'ny fahakiviana lalina i Raudha. Voalaza fa nahita  marika fanakendana manodidina ny tendany ny polisy, izay nahatonga ny olona sasany an-tserasera hiahiahy fa nisy fitaka hafahafa ao ambadika ao.

Fahafatesan'i Raudha. Famonoan'olona natao ho toy ny famonoan-tena?

Rehefa  voalaza fa nampiseho ny sarin'ny fatiny izay nanomboka niely an-tserasera ny mpaka sary iray, dia maro tamin'ny mpanohana an'i Raudha no nangataka ireo mpisera aterineto mba hampitsahatra ny fizarana ny sary, ho fanajana azy.

Fantatro fa liana ny rehetra kanefa azafady mba ajanony ny fizarana ny sarin'ilay maty.

Mandria am-piadanana, Raudha.

Tsy fanajana ny fianakaviana sy ny olon-tian'i Raudha ny siosion-dresaka ataon'ny olona hatrany. Ajanony ny tabataba.

Tatỳ aoriana, nilaza tamin'ny fomba ofisialy ny tatitry ny fizahana taorian'ny fahafatesany fa famonoan-tena no nitranga:

Nilaza ny fahafatesan'i Raudha ho famonoan-tena ny Hopitaly : hoy ny polisy ao Bangladesh .

Tamin'ny Alakamisy, nandeha fiaramanidina nakany Bangladesh ny fianakavian'i Raudha Athif mba hikarakara ny fombafomba ilaina .

Nandeha fiaramanidina ho any Rajshahi, miaraka amin'ny fianakavian’ Itompokovavy Raudha Athif, ihany koa ny Masoivohon'i Maldiva ao Dhaka ary manamora ny fombafomba ilaina

Nanoratra tao amin'ny Facebook i Rahath Junaid, mpankafy ny asan'i Raudha :

Raudha, you were truly a Maldivian icon. The first Maldivian to grace the cover of Vogue. Very few people have the courage to do that. You faced immense backlash after you did and took it in your stride. However none of us realized that even with the picture perfect Instagram stories you suffered in your daily life. Quietly and in silence. To the point where you couldn't bare it anymore.

Raudha, olomanga Maldiviana tokoa ianao. Ilay Maldiviana voalohany nanome voninahitra ny fonon'ny Vogue. Olona vitsy no manana herim-po hanaovana izany. Niatrika sedra lehibe ianao ka nataonao tao anatin'ny ezaka izany. Na izany aza tsy misy aminay tonga saina fa na dia miaraka amin'ny sarin'ny tantara tonga lafatra ao amin'ny Instagram aza dia nijaly ianao teo amin'ny fiainana andavanandro. Am-pilaminana sy am-pahanginana. Tonga ny fotoana tsy nahafahanao mizaka izany intsony.

Ny hakiviana lalina tsy voakarakara no antony voalohany mahatonga ny famonoan-tena. Azo tsaboina tsara ny harerahan-tsaina ary azo sorohina ny famonoan-tena . Afaka mahazo fanampiana avy amin'ny serasera fanohanana tsiambaratelo mikasika ny famonoan-tena sy ireo krizin'ny fihetseham-po ianao . Tsidiho ny Befrienders.org raha hikaroka ny antso fanampiana ho fisorohana ny famonoan-tena ao amin'ny firenenao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.