Mitondra Fifaliana ao Bhutan ny Firotsahan-dRanomandry Faramparany

Fonenana ao Paro, Bhutan voarakotra fotsy taorian'ny firotsahan-dranomandry voalohany tamin'ny taona 2017. Sarin'i Puran Gunung amin'ny alalan'ny Facebook. Nahazoana alalana.

Gaga ny maro tamin'ny Bhutaney raha nifoha maraina ka nahita fa voarakotra ranomandry fotsy matevina ny ankamaroan'ny faritra tamin'ny 11 marsa farany teo.

Fahita mahazatra mandritra ny faramparan'ny volana desambra sy mandritra ny volana janoary any amin'ireo faritra be tendrombohitra avaratr'i Bhutan, indrindra fa ireo ambonin'ny 3000 metatra ny firotsahan-ranomandry manify, saingy ankavitsiana kokoa ny ahitana izany any amin'ny faritra hafa. Raha fantatra moa fa efa mananontanona ny lohataona ary tsy mbola niaina itony zavatra fotsifotsy itony i Bhutan hatramin'ny nankalazana ny Taombaovao Losar tamin'ny faran'ny volana febroary, dia tsy nampoizin'ny maro izany firotsahan'ny ranomandry izany.

Ho an'ny toerana maro tahaka an'i Thimphu, renivohitra Bhutaney, sambany no nahitana izany firotsahan-dranomandry izany tao anatin'ny taona maro. Misy kosa ireo tanandehibe hafa, tahaka an'i Paro, no tratran'ny ranomandry matevina indrindra tao anatin'ny folo taona farany. Nanao fanambarana ny mpanjaka Bhutaney fa mikatona avokoa ny sekoly sy ny biraom-panjakana rehetra hifaliana amin'ny ranomandry.

Tsy ela taorian'izany dia heniky ny pikantsarin'ny toe-tany fotsy ny fahan'ny Facebook sy Twitter.

Ranomandrim-pifaliana sy fientanentanana voalohany amin'izao taonan'ny VoronaVavin'ny Afo 2017 izao eto Thimphu.

Nahazo ny ranomandry betsaka indrindra tao anatin'ny folo taona ny renivohitr'i Bhutan.

Thimphu voarakotra ranomandry ⛄⛄❄☁❄⛄⛄

Ilay Tashicho dzong mahafinaritra voarakotra ranomandry.

Ranomandry mandrakotra tendrombohitra ao Thimphu renivohitr'i Bhutan tamin'ny Asabotsy.

Tsy nahatana ny fientanentanany tamin'ny toetrandro nitranga tao amin'ny tanin'ny Gross National Happiness (GNH) [Harim-Pahasambarana Faobe] i Bhutan Rododen Den, mpisera Facebook :

Remarkable Day of GROSS NATIONAL HAPPINESS in Capital Of Bhutan !
“In Capital of Bhutan, Today, Snow was falling, so much like stars ,filling the dark trees, that one could easily imagine, its reason for being was nothing more than prettiness , the snow was too light to stay, the ground too warm to keep it. And the strange spring snow fell only in that golden moment of dawn today, the turning of the page between night and day. My fellow Friends, Consider as normal phenomenon In GNH Country, with no abnormal craziness, excitement, but enjoy, respect, and rest your day with full HAPPINESS”.

Andro miavaky ny HARIM-PAHASAMBARANA FAOBE ao an-drenivohitr'i Bhutan!
Nirotsaka tahaka ny kintana, nanafy ny hazo matroka, amin'ilay azon'ny tsirairay eritreretina avy hatrany tao an-drenivohitr'i Bhutan, androany, ny ranomandry, mihoatra noho ny hatsaran-tarehy ny fahatongavany, maivana loatra tsy mahajanona ny ranomandry, mafana loatra tsy mahatazona azy ny tany. Ary tamin'ny fotoana volamenan'ny masoandro miposaka androany, teo ampamadiham-pejin'ny alina sy ny andro, ihany no nirotsahan'ity ranomandrin-dohataona hafahafa ity. Ry sakaiza, hevero ho toe-javatra mpitranga amin'ny tanin'ny GNH, tsy misy fahadalàna na fientanentanana hafahafa, fa ankafizo, hajao ao anaty HASAMBARANA feno ny andro fialan-tsasatrao anio.

Saingy, tsy mahafaly avokoa ny vaovao rehetra. Niteraka fikorontanana teo amin'ny fifamoivoizana ihany koa ny oram-panala. Nisy ireo lozam-pifamoivoizana nitranga ary voatery nakatona noho ny hatevin'ny oram-panala ny lalambe atsinanana miakandrefana sy ny lalambe Paro-Haa.

Vaovao farany: Tsy tsara andehanana noho ny hatevin'ny oram-panala sy ny faharatsian'ny fahitana ny lalambe Phuentsholing-Thimphu sy ny lalambe atsinanana miakandrefana.

Seranampiaramanidina iraisampirenen'i Paro feno ranomandry. Sary avy amin'i Puran Gunung tao amin'ny Facebook. Nahazoana alalana.

Paro Airport, seranam-piaramanidina iraisampirenena tokana ao amin'ny Fanjakan'i Bhutan, no heverina ho iray amin'ny seranam-piaramanidina manahirana indrindra manerantany noho ny fisian'ny tendro manodidina azy mahatratra 5.500 metatra. Tapaka nandritra ny ora maromaro ny herinjiro tany amin'ny tanàna maro ary nofoanana avokoa ny sidina rehetra satria nakatona ny seranana.

Mirotsaka ao amin'ny seranam-piaramanidin'i Paro ny oram-panala

Na dia eo aza ny fahasahiranana nateraky ny ranomandry, niala voly tamin'ny filalaovana ranomandry avokoa ny sarangam-piarahamonina rehetra, ka tafiditra amin'izany ny nanao sokitra ranomandry.

Eto Bhutan ihany, Polisy eo amin'ny fihodinana lehibe mamolavola ranomandry hanaovana sariolona. Mahafinaritra

Mankafy ny oram-panala ao haa.. Mankasitraka ry Bhutan noho ity fanomezana mahafinaritra ity..

Ao Bhutan, tsy sariolona vita amin'ny ranomandry ireo, fa Buddhas sy stupas vita amin'ny ranomandry. Saripikan'i Puran Gunung tao amin'ny Facebook. Nahazoana alalana.

Tao anatin'ny taona vitsivitsy izay dia nihavitsy ny orampanala, nihabetsaka orana ary nihanafana ny fahavaratra noho ny fihafanan'ny tany. Manahy ny amin'ny fifangaroan'ny fifangaroan'ny glaciers ao amin'ny Himalayas ny mpandala ny tontolo iainana.

Heverina hihamazava kokoa ny toetrandro manomboka ny talata ao Bhutan.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.