Ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Tenindrazana tamin'ity taona ity dia nahitana sary-sy-soratra noforonina mahafinaritra sy manome aingam-panahy mba hanehoana sy hankalazana ny fahasamihafan'ny teny ato amin'ny aterineto. Amin'ny fanekena ny Fanamby sary-sy-soratra amin'ny Tenindrazana, fikambanana sy vondrona am-polony no nanasonia ho Mpiara-miasa, ary an-jatony ireo mpiaro teny nandray anjara tamin'ny famoronana sy fizarana sary-sy-soratra mandefa hafatra momba ny maha zava-dehibe ny fampiasàna ny teny vitsy an'isa, ny teny an-dalam-pahaverezana, ny teny indizeny sy teny nolovaina ao amin'ny habaka. Niara-nikarakara ny Fanamby ny Rising Voices, miaraka amin'nyLiving Tongues Institute, First Peoples’ Cultural Council, Indigenous Tweets, Endangered Languages Project, First Languages Australia, ary ny Digital Language Diversity Project.
Taorian'ny fanentanana tahaka izany tamin'ny taona 2015 sy 2016, antsoina hoe Misiaha amin'ny Tenindrazanao, izay natao mba hanamaroana ny sehatra media sosialy mampiroborobo teny, nahasarika fandraisana anjara avy amin'ny faritra maro manerantany ity fanamby vaovao ity mba hanaparitahana teny ao amin'ny media sosialy fotsiny. Noho ny fandraisana anjaran'ireo mpandika teny mpilatsaka an-tsitrapo, azo jerena amin'ny teny 34 ny tranonkala Fanamby Sary- sy-Soratra amin'ny Tenindrazana: Afrikana, Arabo, Aragoney, Astoriana, Aymara, Bambara, Basque, Berrichon, Boligara, Katalana, Esperanto, Frantsay, Friulian, Galician, Gallo, Grika, Indoneziana, Irlandey, Nawat, Sesotho Avaratra, Occitan, Portiogey, Pular, Quechua, Rosiana, Sardiniana, Sena, Setswana, Espaniola, Urdu, Welsh, Xhosa, Yoruba, ary Zulu.
Mba hahafantarana bebe kokoa ireo karazana teny voasolo tena amin'ny Fanamby, mampiseho ny topi-maso haingana mampiasa ny tenirohy, fitaovana fanadihadiana Keyhole fa misy ireo lahatsoratra orizinaly na fanohanana amin'ny endrika fampitana sioka (retweet) avy amin'ny ankamaroan’ izao tontolo izao. Nisy ihany koa ny fandraisana anjara fanampiny tao amin'ny Facebook sy Instagram. Na izany aza, mbola misy ireo firenena sy faritra antenaintsika fa handrisika amin'ny fandraisana anjara lehibe kokoa amin'ny taona ho avy.
Ary araka ny hita amin'ity zavon-teny (word cloud) novokarin'ny Keyhole ity, tsara ny manamarika fa ny fandraisana anjaran'ireo vondrona teny vitsy an'isa ao Eoropa tahaka ny Catalan, Asturian, Basque, Irlandey, Cornish ary Galoà no anisan'ireo tena mavitrika. (Naotin'ny tonia: Mariho fa na tsy zavona aza ny dikan'ny cloud fa rahona dia io no azo heverina fa manakaiky kokoa ny fisainan'ny teny malagasy.)
Ity santionany vitsy tamin'ireo sary-sy-soratra nandray anjara nandritra ny Fanamby.
Aostralia
Afrika
Eoropa
Ymunwch â'r Her Memynnau Mamiaith! https://t.co/S8cVlhw4VE #MemeML #Cymraeg pic.twitter.com/powyApaRtn
— techiaith (@techiaith) January 30, 2017
Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra
#MemeML #Arabic #IMLD17 pic.twitter.com/Hny6m4fXLT
— rawan gharib (@eraghaliel) February 21, 2017
Adika tsotsotra hoe: “«Oh ry mpampitony ny fanaintainako, ry mpampiantranoko, ry vahiniko, ry fitoniako, ry fahanginako, ry filaminako … ry lalako, ny mpanontsako, ry siramamiko, ry tsiambarateloko, ry ao anatiko, ry hafaliako ..» Avy amin'ny tononkalom-pitiavan'i Al- Hallaj.
Amerika Avaratra
Hau’oli Lā ‘Ōlelo Makuahine! E aloha kekahi i kekahi.
Happy Mother Language Day. Love one another.#OleloNoeau #memeML pic.twitter.com/MqgqxVrKJg— aloha_aina (@aloha_aina) February 22, 2017
Tratry ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Tenindrazana. Mifankatiava
“I speak Inuktitut!”
Mother Language Meme Challenge #inuktut #uqausiit #NTI #memeML #inuit #nunavut #canada #arctic #circumpolar pic.twitter.com/T8iyW8e2iJ
— Letia Obed (@LetiaObed) February 21, 2017
“Miteny inuktitut aho!”
Fanamby Sary-sy-Soratra amin'ny Tenindrazana
Amerika Afovoany
(Cuando otros me escuchan hablando en Náhuat) ?#MemeML #MemeTikNawat #Náhuat pic.twitter.com/VpI46zLBDf
— hablemos nahuat (@hablemosnahuat) February 21, 2017
Adika tsotsotra hoe: “Rehefa mandre ahy miteny Náhuat ny hafa”
Amerika Atsimo
Adika tsotsotra hoe: oh tsia!
Azia
Hey! Friend! Haven't you heard it said that “speech without jokes cannot be spoken”? #Tibetan #MemeML #IMLD17 pic.twitter.com/qeUp5x99HT
— Timothy Thurston (@taoyinkui) February 21, 2017
Hey! Ry namana! Efa renao ve ny voalaza hoe “Tsy mety itenenana ny kabary tsy misy vazivazy”? #Tibetan #MemeML
Raha hijery sary-sy-soratra bebe kokoa avy amin'ny Fanamby Sary-sy-Soratra amin'ny Tenindrazana avy amin'ny teny manerantany isan-karazany, jereo azafady ny tenirohy #MemeML ao amin'ny Instagram, Twitter, na Facebook. Misy ihany koa ny vondrona Facebook-n'ny Fanamby miaraka amin'ny fandraisana anjara avy amin'izao tontolo izao.