Nampitodika any amin'ny Zavakanto Grika ilay Dokambarotra iPhone (fa tsy ireo Grika Rehetra no Faly amin'izany)

Mponina iray maka sary am-pireharehana. Pikantsary tao amin'ny lahatsary dokambarotra YouTube nataon'ny Apple.

Toy ny mivoaka avy amin'ny sarimihetsika mahaleotena vahiny mihitsy ilay dokambarotry ny Apple farany,” hoy ny  tranonkalam-baovao nomerika Amerikana malaza Mashable. Taiza ho aiza no nahatonga izany fihetseham-po izany? Notanterahina manontolo tao amin'ny  tanànakely grika roa ao Peloponezy ilay dokambarotry ny endrika sarintava sy ny halalin'ny tokotany iPhone 7 Plus, ary manasongadina ireo mponina miteny grika sy nasiana dikantsoratra tamin'nyteny Anglisy.

Azo antoka fa nampirehareha ireo Grika sasany ny fandraisana anjaran'ireo grika ao amin'ny dokambarotra, fa ny hafa kosa anefa nitaraina fa manamafy ny fiheveran-diso ny fizotran'ilay dokambarotra.

Mampiseho ny zatovovavy (mpilalao sarimihetsika Νefeli Kouri), izay tonga tao amin'ny tanànakely Grika ao Mani, Peloponezy, hitsidika fianakaviana ilay dokambarotra nampitondraina ny lohateny hoe “Raiso ny Ahy”. Nihaona tamin'ny “yiayia”-ny (renibe ho an'ny teny grika) izy tao amin'ny “kafenio“( fisotroana kafe grika ) iray an-tanànakely fahiny  ary naka sary azy tamin'ny iPhone miloko mavokely vaovao. Talanjona tamin'ny fahazavan'ny sary izy ary  nandehandeha niaraka tamin'ny fakantsary avy hatrany naka sary ireo mpijery manerana ireo lalankely tsara tarehy sy nihaona tamin'ny namana sy fianakaviana izay naka sary avokoa.

Tsy vitan'ny hoe ny mpilalao sy ny toerana ihany no Grika, fa ny feonkira ihany koa. Raha ny marina, fandraketana ny hira grika tranainy tany amin'ny taompolo 1930 izay antsoina hoe “Pame sti Honolulu” (Andeha isika ho any Honolulu) avy amin'ny mpiangaly mozika Rebetiko Kostas Bezos ilay heverina ho feonkira Hawaiiana na Soisa hiraina mafy ho an'ny tsy mahay.

Afaka mijery ny lahatsary ao amin'ny YouTube eto ianao, izay efa nahatratra mpijery maherin'ny 5 tapitrisa :

https://www.youtube.com/watch?v=H1lWAH9l-3c

Raha misy ireo sasany no nahita ny dokambarotra ho mahafatifaty, dia misy ihany koa ireo hafa izay niampanga ny dokambarotra ho maneho ireo mponina Grika ho vendrana ary nametraka fanehoan-kevitra miiba maro tao amin'ny Facebook.

Naneho hevitra  tao amin'ny Huffington Post Greece i John Simotas avy any Etazonia:

Δείχνουν την Ελλάδα λες και είμαστε ακόμα στην δεκαετία του '50. Από τις ενδυμασίες, μέχρι τις συμπεριφορές των ανθρώπων που κάνουν λες και δεν έχουν ξαναδεί κινητό με φωτογραφική μηχανή στην ζωή τους……… Υπερηφανεύεστε μια ζωή για τα πιό χαζά πράγματα…………

Maneho an'i Gresy ho mbola tamin'ny taompolo 1950 izy ireo: ny akanjo, ny fihetsiky ny olona, izay miseho ho mbola tsy nahita finday miaraka amin'ny fakantsary hatramin'izay  … ..Mirehareha foana amin'ny zavatra ratsy ianareo…

Ary nizara ny vaovao sy naneho ny tena anton'ny mahatsara sy maharatsy ny dokambarotra ny vavahadin-tserasera Grika iray, ankoatra ireo maro hafa:

To μόνο παράξενο στην ιστορία αυτή είναι ότι όλο το χωριό ενθουσιάζεται από τη μαγική αυτή συσκευή, σαν να μην είχε δει ποτέ κανείς smartphone.

Τουλάχιστον οι ηθοποιοί ήταν Έλληνες που μιλούσαν κανονικά ελληνικά, και θα έχει ακόμα μια ευκαιρία η χώρα μας να προβληθεί παγκοσμίως έστω και έτσι.

Ny hany zavatra hafahafa ao amin'ity tantara ity dia ny fahatalanjonan'ny tanànakely iray manontolo eo anatrehan'ity “fitaovana mahagaga” ity, toy ny hoe mbola tsy nahita smartfinday mihitsy ny olona tao .

Fa mba Grika kosa ny mpilalao ary miteny Grika tsara ry zareo; ho fanararaotra iray hafa ho an'ny firenentsika mba hananana laza manerana izao tontolo izao, na dia hoe amin'ny fomba toy izao aza.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.