Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Manakatra Ny Kintana I Gresy : Nirongatra Ny Fandotoana Rindrina Taorian'ny Fanokanana Ny Sampan-draharaha an'Habakabaka

Moa ve vintana ho an'i Gresy ity indray mitoraka ity mba hampielezana ny kolontsain'ny café frappé ivelan'ny Tany ihany koa ? Sary nataon'ny mpanoratra Elaine Rigas.

Ny fanambarana avy amin'ny grika governemanta Syriza dia efa ampy hampirehatra ny afo tao amin'ny Aterineton'ny mpiteny Grika tamin'ny herinandro lasa teo. Mikasika ny fitokanana ny Sampan-draharahan'Habakabaka Grika ny fanambarana.  Nanamarika manokana ny Minisitry ny Fifandraisandavitra sy ny Politika Nomerika  fa ” natao ho orinasam-bahoaka manana andraikitra voafetra ilay Sampandraharaha ary antsoina hoe Foibe Nasionaly misahana ny Fampiharana An'Habakabaka (EKDE amin'ny teny grika) izay nokendrena hanarina ny tsy fahampiana goavana eo amin'ny firenena amin'io sehatra io.”

Nilaza ny Minisitra Nikos Pappas  fa tsy maintsy natao ny fananganana ny sampan-draharaha:

It's self-evident to do such thing. It's unthinkable that Greece doesn't have a space agency so far. It's unimaginable that, up to the recent past we bartered away our rights to outer space and previous governments were responsible for that.

Mazava loatra ny antony hanaovana zavatra toy izao. Tsy azo eritreretina raha mbola tsy manana sampan-draharaha an'habakabaka i Gresy hatramin'izao. Tsy takatry ny saina fa nivarotra mora ny zontsika hanana tahala tsy taka-maso isika hatramin'ny vao haingana teo ary ireo fitondram-panjakana teo aloha no tompon'andraikitra tamin'izany.

Araka ny efa nampoizina, “very teny amin'ny habakabaka” i Twitter ahitana sioka maro mahatsikaiky teo ambanin'ny tenirohy malaza#greek_nasa. Toy izao manaraka izao ny sasany tsara indrindra tamin'izany:

Politikan'ny Governemanta amin'ny endrika Star Wars:

Indray andro hono, tany amin'ny vahandanitra lavitra dia lavitra tany

Manazava ny antony iray hafa mahatonga ny fandaharana mety ho tsy ilaina ny kaontin'ny PM Grika Alexis Tsipras hala-tahaka iray. ( Maneso ny teny anglisy hafahafan'ny PM ny teny hoe “mpanamory sambon-danitra” izay natao diso tsipelina  ).

Nofaranantsika ny tsy fananan'asan'ny astronafts

Nanolo-kevitra fanafohizan-teny hafa ilay mpisera @tbarbatsalou tamin'ny fampiasana ny teny hoe “Hestra”, izay midika hoe “toeram-pangerena” amin'ny teny grika:

HE. S. TR. A. = Sampandraharaha Dia An'Habakabaka Grika

“Mandehana mitsoaka”, satria ..

Tonga ny Grika !

Misy ny vaovao mampahery raha toa ianao ka manontany tena momba izay nihatra tamin'ny Minisitry ny Vola Gresy teo taloha Yanis Varoufakis . Nomena asa ao amin'ny tahaka ny Spock any an'habakabaka izy:

Azon-dry zareo angatahana foana io zalahy io hamelona ny sampandraharahan'habakabaka grika vao nambara vao haingana.

Maneho ny tena antony nanokanana ny Sampan-draharahan'Habakabaka Grika ny mpisera @VasilisXtM:

Ela ny ela, eny amin'ny volana isika no mitady ny memoranda [fifanarahana amin'ny fitrosana] .

Tsy afaka hifoha ny mpanamory sambon-danitra grika raha tsy misotro kafe frappé amin'ny maraina:

Houston, manana olana isika . Lany ny kafe “[sic]

Tonga avy any an’ habakabaka ny zavatra toy ny “Haramagedona” :

Hubbub sy olana maro eny an'habakabaka. Nanao fahadisoana ny [tompon'ny trosa grika ] tamin'ny fanerena azy ireo. Tonga avy any lavitra any ny Fifanekena .

Na dia izany aza, nisy ny sioka maro izay nanolotra fanehoan-kevitra masiaka kokoa momba ilay raharaha,ijeren'ny mpisera amin'ny ankapobeny ny fanorenana ny Sampan-draharahan'Habakabaka Grika ho fandrangitana amin'ny tsy antony.

Vao reko fa namatsy vola ny Sampan-draharahan'Habakabaka Grika isika kanefa aotra mangotrangotraka ny teti-bolan'ny sekoliko . Fahadalana tsy hita fiafarany.

Fantatra ny antony nitadiavan-dry zareo ny fananganana ny Nasa Grika rehefa nihaino an'i #Tsipras tao amin'ny Parlemanta. Miaina ao anatin'ny tontolo mirazotra ry zareo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.