Mety Hitondra Fiovana Ara-politika Ao Angola Ve Ny Taona 2017? Tsia Hoy Ny Maro

angola_national_assembly_building_19898889148-800x450

Ny Antenimieram-pirenena ao Luanda, renivohitra Angola. Sary: David Stanley avy any Nanaimo, Canada. CC BY 2.0,

Toa nanambara ny filoha Angoley José Eduardo dos Santos (JES) rehefa 37 taona teo amin'ny fitondrana fa tsy hilatsaka amin'ny fifidianana izay hatao amin'ny faramparan'ny taona 2017 izy. Araka ny onjampeom-bahoaka (RNA), ny Minisitry ny Fiarovana ao amin'ny firenena amin'izao fotoana izao sady filoha lefitry ny antokon'ny fitondrana Movimento Popular de Libertação de Angola (MPLA), João Lourenço, no ho lasa kandidàn'ny antoko amin'ny fifidianana ho avy.

Tamin'ny Martsa 2016, araka ny notaterin'ny Global Voices, nanambara fanavaozana ara-politika izay noeritreretina hatao amin'ny taona 2018 tamin'ny vahoaka i dos Santos. Maro ny Angoley no nilaza ny teny hoe  “tsy mino raha tsy mahita ” manoloana ny fampanantenana fanavaozana. Toy izany ihany koa no mihatra amin'ny fitarihana tetezamita rehetra, satria mbola hitarika ny MPLA i dos Santos rehefa miala amin'ny fitondrana ary tsy nahavita hanamafy ny firotsahan'i Lourenço hofidiana izay nokasaina natao tamin'ny 10 Desambra ny MPLA.

Graciano Celebridade ,mpisera Facebook , no iray amin'ireo maro izay sady manohana ny fialan'i Jes no manohana ihany koa ny fialan'ny rafitra feno kolikolin'ny MPLA iray manontolo nitondra ny firenena hatramin'ny fahaleovantena avy amin'ny Portiogaly tamin'ny taona 1975.

O mais importante não [é] a nomeação do João Lourenço, [mas] sim a saída do partido dos amigos de Salazar…o MPLA mostrou que já não tem competência de governar esse país, praticamente fazem [da governação] um meio de enriquecer as [suas] riquezas. Alguém me [indique] um membro central do MPLA que não [seja] rico? Esquecem-se dos verdadeiros motivos pelo qual governam esse país…já fui da JMPLA, só vi muita sacanagem. [O] MPLA só precisa do povo quando quer votos…

Tsy ny fanendrena an'i João Lourenço no tena zava-dehibe, fa ny fialan'ny antoko naman'ny Salazar  * … efa nasehon'ny MPLA fa tsy manana traikefa hitondra ity firenena ity izy ireo,  manao ny [governemanta] ho fomba iray hampitomboana [ireo] harenany izy ireo. Misy olona ve afaka [mampiseho] ahy mpikambana ao amin'ny MPLA, ka tsy manan-karena? Manadino ny tena tanjona izay hitondrany ity firenena ity izy ireo… Efa nandao ny JMPLA [ tanora MPLA ] aho, nahita seho mampiahiahy maro aho.  mila ny vahoaka [ny] MPLA rehefa mitady vato izy ireo…

Nieritreritra toy izany koa i Dorivaldoy Doy:

Eu sou apologista em dizer que o MPLA precisa de ser substituído, não se precisa outro homem do M. Para ser presidente de Angola, sim. Precisa-se um Homem de um outro Partido não importa qual, mas [pelo] menos alguém que seja do M. O MPLA, tem que ser, ou seja deve experimentar ser opositor, ou seja tem que ser um partido da oposição e não no poder… Chega de governar!… Queremos novas experiências…

Te hilaza aho fa  mila soloina ny MPLA; tsy mila olona MPLA hafa izahay. Mila olona avy amin'ny antoko hafa mba ho filohan'ny Angola, eny, tsy maninona izay antoko misy azy, fa tsy olona avy amin'ny MPLA fotsiny. Mila na mila manandrana ho ao anatin'ny fanoherana ny MPLA, antokon'ny mpanohitra fa tsy antokon'ny fahefana … ampy izay ny fitondrany! … Mila fahaiza-manao vaovao indray izahay…

Nanohana ny fialàn'i José Eduardo dos Santos i Nelson Tavares:

É tempo do presidente ir descansar, e gozar um pouco a vida, e dar oportunidade a outros, para que exista novas ideias e quem sabe uma nova força para continuar a reconstruir o País.

Fotoana izao  mba handehanan'ny filoha hiala sasatra, ary hankafy ny fiainana indray, ka hanome fahafahana ho an'ny hafa, ka hisy ny hevi-baovao, ary iza no mahalala, mety ho hery vaovao ihany koa mba hanohizana ny fanarenana indray ny firenena.

Misy ny olona sasany no mieritreritra fa fomba iray mba hihazonan'i José Eduardo dos Santos ny fahefana fotsiny ny fanendrena an'i João Lourenço :

Araka an'i Mariza Lopez Aziram :

João Lourenço pode até ser Presidente, mas o kota Zé e todo o elenco do MPLA vão continuar a dar ordens no kota João Lourenço. Por isso mesmo que mudem de Presidente as coisas [continuarão] na mesma.

Mety ho filoham-pirenena mihitsy i João Lourenço, kanefa mbola hanome baiko hatrany an’ Ingahy João Lourenço Ingahy Zé [aka General Zé Maria –  mpanao politika miaramila  matanjaka] sy ny ekipan'ny MPLA  rehetra . Koa tsy hisy na inona na inona hiova na dia hiova aza ny filoha .

Nisalasala ny iray amin'ireo mpikatroka malaza indrindra ao Angola, Rafael Marques, fa tsy hisy ny tetezamita avy amin'ny fitondrana MPLA . Nasongadiny fa efa nanambara fanaovana drafitra fisotroan-dronono imbetsaka ny filoha teo aloha, fa kely ny fiovana.

Nisalasala amin'ny hisian'ny fiovana goavana haingana ihany koa i José Severino, filohan'ny Fikambanan'ny Mpandraharahan'ny Orinasa ao Angola (AIA), izay mahafantatra tsara ny asan'ireo mpanao politika ao amin'ny mpanatanteraka.

Acho que com os recursos do país bem geridos pode, se calhar, haver um crescimento superior ao atual, mas as linhas mestras estão traçadas no Plano Nacional de Desenvolvimento (PND) com o qual o partido no poder se regula numa perspetiva de eleições para o próximo ano.

Heveriko fa mety hisy ny tahan'ny fampandrosoana ambony kokoa noho ny amin'izao fotoana izao raha   tsara tantana ny loharanon-karenaao ato amin'ny firenena, kanefa ny Drafitra Nasionaly Fampandrosoana (PND) no mametraka ny tari-dalana fototra, izay nampiasain'ny antokon'ny fitondrana mba hitari-dalana azy amin'ny fijerena ny fifidianana ho avy.

Nanatsoaka hevitra ihany koa ny mpahay toekarena sady mpampianatra any amin'ny Oniversite ,Faustino Mumbica fa tsy hitondra any amin'ny rafitra ara-politika vaovao ny fiovana ao an-tampony :

Tratam-se de mudanças que eventualmente não trarão grandes resultados, tendo em conta que as pessoas que vão substituir já se encontram comprometidas com o mesmo circuito, os seus nomes também estão envolvidos em escândalos e eventualmente não tenham moral para fazer grandes roturas com as práticas do passado.

Ireo no fiovana izay tsy hitondra vokatra lehibe akory, ary raha raisina fa efa miditra ao anatin'izany rafitra izany ireo olona hiditra ao, dia ho tafiditra ao anaty raharaham-panafintohinana ihany koa ny anaran'izy ireo ary dia tsy hahatapa-kevitra hanapaka ny fomba fanaon'ny teo aloha izy ireo.

*  Mpanao didy jadona tao Portiogaly tamin'ny taona 1932 hatramin'ny taona 1968 i António de Oliveira Salazar. Na dia hetsika ho an'ny fahaleovantena aza ny MPLA dia,  niampanga azy amin'ny fanohizany ny fanararaotana maro tamin'ny fanjanahantany Portiogey ny mpitsikera azy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.