Fararano ao Kyoto, Midika fa Vanim-potoanan'ny “Ravina Mikasaotsaoka”

日本京都-嵐山夜燈

Fanàlan'ny alina ao Arashiyama, Kyoto (日本京都-嵐山夜燈) avy amin'i Keiko Shih mpampiasa Flickr

Isaky ny fararano, velombolo miaraka amin'ny koyo (紅葉) ny tsirairay amin'ny tehezan'ny havoana ao Japàna, na ny ravin'ny fararano. Fombandrazana efa naharitra ela tao Japàna ny “Ravina mikasaotsaoka” rehefa fararano — ka nahatonga ny Fikambanana Nasionaly miadidy ny Fizahantany ao Japàna (JNTO) hamoaka “taridàlana iray momba ireo ravina rehefa fararano,” hanazavàna ny tena toerana sy ny fotoana ahitàna ravina tsara indrindra mahasondriana amin'ny toerana rehetra ao Japàna.

https://www.instagram.com/p/BMeT5t-DKNC/

Finaritra aho androany. #arashiyama #Tenryuji #kimono

Amin'ny maha-toerana fizahantany azy, mahazatra ny mahita an'i Kyoto eny antampon'ny lisitr'ireo toerana faleha misy ny ravina mikasaotsaoka ao Japàna. Ilay tanàna, renivohitr'i Japàna fahiny, dia voahodidina havoana sy ala, ary misy maromaro ihany ny azo jerena manodidina azy. Vokany, isaky ny fararano dia misy lahatsoratra miraradraraka miresaka ny ravina rehefa fararano ao amin'ny Twitter sy Instagram.

Arashiyama, any amin'ny sisiny andrefan'i Kyoto, no heverina fa iray amin'ireo toerana tsy tokony holalovana fotsiny ao Japàna raha resaka ravina rehefa fararano. Maro ireo olona avy any ivelan'i Kyoto na avy any ivelan'i Japàna no hahafantatra avy hatrany ireo ala-nà bararatabe ao Sagano, Arashiyama.

https://www.instagram.com/p/BMN4DMKDbDK/

Isan'ny zavatra iray hafa misarika ny mpizahatany ilay tetezana ao amin'ny renirano Ōi ao Arashiyama. Isaky ny fararano, tototra mpitsidika ny tetezana Togetsukyō , vahiny manantena ny hahita ilay topimaso lafatra indrindra.

https://www.instagram.com/p/BMN6919hTzI/

Ireo havoana mitatao amin'i Arashiyama dia sady manome fahitàna mahasondriana ny ravina rehefa fararano, sy Kyoto miantsinanana. Ity ny fahitàna avy eo amin'ny Okochi Mountain Villa (大河内山荘 Ōkōchi Sansō).

https://www.instagram.com/p/BMN7nyIFnJK/

Malaza ho toerana fiatoana mahaliana ny maso ihany koa ny Tempoly Tenryū (天龍寺, Tenryū-ji)  ao Arashiyama. Ity Tempoly Zen tamin'ny Taonjato faha-14tity dia voamarika noho ireo zaridainany sy ny ravina ao rehefa fararano.

Ravina fararano tamin'ny tapaky ny Novambra, tao amin'ny Tempoly Tenryū ao  Arashiyama.

Ravina fararano tamin'ny tapaky ny Novambra, tao amin'ny Tempoly Tenryū ao  Arashiyama.

Ravina fararano tamin'ny tapaky ny Novambra, tao amin'ny Tempoly Tenryū ao  Arashiyama.

Bolabolam-bary dango natono no sakafom-pifaliana ankafizina mandritra ny fararano ao Arashiyama.

Ity no fandehandehanana tsara indrindra namakivaky an'i Arashiyama no sady nihinana mitarashi dango (bolabolam-bary atsoboka anaty saosy sozà mamy) amin'ny hazokely.

Tamin'ny fiafaràn'ny andro iray nolaniany tao Arashiyama, naka sary ny tena ivon'ny fankalazàna ny voninkazo rehefa fararano ao Japàna ny mpampiasa Twitter iray, ny  Cosmos (Cosmos bipinnatus), ilay “felana serizin'ny fararano” (アキザクラ, aki no sakura).

“Mackerel sky” rehefa fararano.

Raha hijery sary maro momba ny fararano ao Kyoto sy Arashiyama, araho ny tenifototra #京都 sy #嵐山 ao amin'ny Instagram.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.