Nanamarika ny ekinôksa fitovian'ny alina sy ny andro rehefa fararano, ary ny andro voalohany amin'ny fararano tao amin'ny Ilabolantany Avaratra ny 22 Septambra lasa teo. Fantatra amin'ny anarana Shubun (秋分) io andro io ary manana ny fiaviany ao amin'ireo teboka 24 hita ao anatin'ny tetiandro nentim-paharazana mampiasa ny volana sy ny masoandro ao Azia Atsinanana.
Mihazona dikany tsara ao amin'ny kolontsaina Japoney io andro io, ary—ao anatin'ny fanampiny maoderina amin'ny fomba amam-panao hatramin'ny fahagola—mampakatra sarinà voninkazo, sakafo, ary sarinà lemaka maitso firaofana ahitra ho ao amin'ny haino aman-jery sosialy ny olona.
二十四節季の1つ「秋分」になりました。春分と同じく太陽が真東から登り真西に沈み、昼夜の長さがほぼ等しくなります。秋分の日は「祖先をうやまい、亡くなった人々をしのぶ」日として昭和23年に制定されました。秋の彼岸の中日にもあたります。 pic.twitter.com/DaT2zT8pwp
— 神社検定 (@jinjakentei) September 22, 2016
Fantatra toy ny Qiufen na ny ekinôksan'ny fararano ao amin'ny tetiandro nentim-paharazana mampiasa ny volana sy ny masoandro ao Azia Atsinanana (二十四節季) ny Higan. Toy ny ekinôksan'ny Lohataona izay manamarika ny fiandohan'ny lohataona, miposaka eo afovoan'ny faravodilanitra atsinanana ny masoandro ary mipetraka eo afovoan'ny faravodilanitra andrefana. Lasa nambara tamin'ny fomba ofisialy ho andro ”hanajana ny razambe sy hisaonana ny lasa” ny Shubun (秋分,ekinôksan'ny fararano) tamin'ny 1948.
Mitranga eo afovoan'ny Higan ihany koa ny ekinôksan'ny fararano.
Ao Japana, milatsaka eo afovoan'ny faran'ny herinandro lavabe ny ekinôksa, fotoana antsoina hoe Higan (お彼岸), izay atao toy ny fialantsasatra, ka miverina mody any an-tanindrazany ny fianakaviana mba hitsidika sy hanadio fasana.
9月22日(木)は秋分の日
沈みゆく太陽を礼拝する事で、彼方にある極楽浄土に生まれ変わると願ったのがお彼岸の始まり…
秋分の日の前後七日間がお彼岸の期間となり『先祖を敬い亡き人を偲ぶ 』
ご先祖様のご供養におはぎを…9月に咲く萩の花のように、細長い俵型に整えます。 pic.twitter.com/PX0fgonB7x— ちー (@blendykotya) September 21, 2016
22 Septambra (Alakamisy) ny Ekinôksan'ny Fararano.
Rehefa mivavaka amin'ny mody masoandro izahay, dia manomboka ny Higan, fotoana ivavahantsika ho an'ny fahaterahana indray ho an'ireo lasa any an-danitra(極楽浄土, Sukhavati, Tany Madion'ny Amitabha). Fantatra toy ny O-Higan ny fotoan'ny fito andro manodidina ny Ekinôksan'ny Fararano, rehefa ”manolotra ny fanajanay ho an'ireo razambe sy mahatsiaro ny lasa izahay.”
Manome fanatitra ohagi izahay (mofo vita amin'ny vary) ho an'ireo razambenay […] miaraka amin'ny voninkazo hagi (kidiadiamborona Japoney).
Ny Higanbana mamony (Lilia hàla Mena, Lycoris radiata) no manambara isantaona ny fahatongavan'ny Higan, izay mamelana mandritra ny herinandro na manodidina ny Ekinôksan'ny Fararano.
Ary, isaky ny fararano, ironana ao amin'ny Twitter ny tenifototra #higan (#彼岸)—manome fahafahana tsara ho an'ireo mpankafy mba haka sary ny voninkazo mena.
お彼岸近し、咲き始め。 pic.twitter.com/TchCkruF93
— aiko☆papa 大阪&奈良で絶叫円陣 (@aikopapa) September 13, 2016
Rehefa misarika ny hàla mena ny Higan, mamelana ny voninkazo lilia
今日は9月21日(旧暦8月21日)の水曜日
「彼岸花(ひがんばな)」
秋のお彼岸のころに開花する花。
曼珠沙華(まんじゅしゃげ)とも呼ばれますが、これは天に咲く赤い花という意味です。◯https://t.co/OPnU64fISu pic.twitter.com/JweuQyr795— 暦生活 (@543life) September 20, 2016
21 Septambra izao (21 Aogositra ao amin'ny tetiandro Japoney taloha mampiasa ny volana sy ny masoandro). Manodidina ny fotoanan'ny Higan no mamelana ny Higanbana (Lilia hàla mena). Antsoina hoe ”manjushage” (曼珠沙華), lazaina ho ” fivelaran'ny voninkazo mena avy amin'ny lanitra” izany.
@26Heisei
こんばんは♪
彼岸花、こちらではもう咲き始めてますよ。今年はちょっと早めの
ような気がしますが…
後もう少しでお彼岸ですね。
暑い夏ともお別れかな・・
(#^.^#) pic.twitter.com/uQyVu4OpRJ— emi (@Satuki_eys0510) September 14, 2016
Arahabaina daholo, efa mamelana ny Hinganbana aty. Tsapako ho lasa aloha ry zareo tamin'ity taona ity, ary tsy ho ela dia ho Higan. Enga anie izany no hamarana ny vanintaona mahamay.
Mifanojo amin'ny fotoam-pijinjana ny Higan, araka izany dia ny sakafo vao avy latsaka, indrindra fa ireo manasongadina ny vary vao avy nojinjaina, no hanina.
お彼岸メニューはおはぎ
甘いんだからデザートだろうとオカズを先に食べたらお腹いっぱいで入らなくなった pic.twitter.com/nLjbnwesRV— 犬猫烏骨鶏@切迫早産入院中 (@kawakamiinu) September 22, 2016
Ao amin'ny lisitry ny sakafo ho amin'ny Higan ny Ohagi… Malefaka izy io noho izany najanoko hatao tsindrin-tsakafo, fa rehefa laniko daholo ny zavatra hafa rehetra voky loatra aho ka tsy afaka nihinana azy intsony!
Raha mbola hitohy, farafahakeliny volana iray fanampiny, ny toetrandro mafàna ao Japana, mampanantena ny Higan fa efa tsy lavitra intsony ny andro mangatsiaky ny fararano. Ary angamba ho an'ny sasany, ny toetrandro mangatsiaka dia midika saka tonga avy any amin'ny mangatsiaka mba hofihinina sy hotazonina hafana:
お彼岸なので、猫の時間に来ました(?) pic.twitter.com/dMQ2M1zCC8
— 三ツ矢学は9/28生誕 (@m1tsuya_0928) September 22, 2016
Higan izao, noho izany fotoanan'ny saka ihany koa ve?