Nalaza Tamin'ny Fihazakazahana i Samia Yusuf Omar, Fa Maty Tamin'ny Naha Mpitsoaponenana Azy Kosa. Manome Voninahitra Azy ny Sarimiaina Vaovao.

“Nofinofy Olaimpika, boky an-tsary vaovao mikasika an'i Samia Yusuf Omar, navoaka voalohany tamin'ny teny Anglisy ny Aprily 2016. Sary: Nomen'i SelfMadeHero maimaimpoana
Nipoitra voalohany tao amin'ny PRI.org ho anisan'ny tetikasa “Amin'ny Alàlan'ny fiainan'ireo vehivavy”, ny 19 Jolay 2016, ity lahatsoratr'i Daniel Gross ity. Naverina navoaka eto ho ampahany amin'ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.
Fantatr'i Teresa Krug tamin'ny alalan'ny lahatsary YouTube mampalahelo ilay vaovao ratsy: Samia Yusuf Omar, Somaliana mpihazakazaka izay nandray anjara tamin'ny Lalao Olaimpika ny taona 2008 tany Beijing, nilentika raha saika hiampita ny ranomasina Mediteraneana. Nalaza tamin'ny naha-mpihazakazaka haingam-pandeha azy i Omar. Talanjona ireo atleta sy mpanao gazety tamin'ny fotoana nahafatesany toy ny mpitsoaponenana.
“Ao foana ilay tsy finoana hoe mety ho tonga amin'ny toeran'ny mpitsoaponenana ihany koa ny atleta Olaimpika,” hoy i Krug, mpanao gazety tsy miankina izay lasa naman'i Omar tany Somalia. “Raha tsy afaka nanao izany io olona io, karazana fanantenàna toy ny inona no hisy ho an'ireo olona hafa?”
Natao taminà boky an-tsary, “An Olympic Dream,” (Nofinofy Olaimpika), nataon'ilay Alemàna mpanaingo sary, Reinhard Kleist, ny fiainan'i Omar. Efatra taona taorian'ny nahafatesan'i Omar, mahalaza zavatra maro noho ny hatrizay ny tantarany. Mbola mitohy ny olan'ny mpitsoaponenana, ary manakaiky haingana dia haingana ny Lalao Olaimpikan'ny lohataona. Amin'ity taona ity, hisy mihitsy aza ny ekipan'ireo altela mpitsoaponenana.
Raha miompana amin'ny fiainana nahavariana an'i Omar, fa tsy ny fahafatesany fotsiny, asehon'ny “An Olympic Dream” ny maha-olona eo amin'ny olana iray izay matetika loatra no manjavozavo . Manao ilay tranga ho toy ny karazana fanaovan-gazety amin'ny endriny vaovao miompana bebe kokoa amin'ny olona, fa tsy amin'ireo resaka politika fotsiny, ny filazalazàn'i kleist feno hafanàna sy fihetsehampo ny mombamomba an'i Omar, izay manamafy ny fanambaràn'i Krug.

Andinindininy, “An Olympic Dream.” Sary: nomen'ny SelfMadeHero maimaimpoana
Tamin'ny fanombohan'ny “An Olympic Dream,” ny taona 2008, teo am-pitadiavana vata fahitalavitra ny fianakavian'i Samia Yusuf Oma. Nirenireny nanerana an'i Mogadishu , renivohitra Somaliana izy ireo nandrapahitàny iray. Teo amin'ilay vata manjelanjelatra, mijery an'i Omar milahatra eo amin'ny tsipika fiaingàna tao amin'ny kianjan'i Beijing izy ireo. Hita ho mahia izy. Rehefa nipoaka ny basin'ny fanombohana, taraiky tany aoriana i Omar. Nahazo ny fon'ireo vahoaka maro izy, tsy hoe nety tsara izy tamin'ny fifaninanana, fa kosa hita ao aminy sy nasehony ny fikirizana.
Rehefa niverina tany Somalia i Omar, nanohy hatrany ny fanazarantena izy. Sady mazava no mampientanentana ireo sarin'i Kleist: Taminà takelaka iray, manavatsava ilay làlana feno olon'i Mogadishu i Omar, miala ireo henjam-pihetsika ara-pinoana avy amin'ny al-Shabab. Raha nihazakazaka teo amin'ny Kianja Coni voadaroka baomba izy, nahatsiaro tampoka an'i Beijing. Ankizy roa no mibahana ny fotoanany raha tokony ho ny fitaovana fanisàna fotoana (chronomètre).
Tsy toerana ho an'ny atleta Olaimpika i Mogadishu, ary nanapa-kevitra ny handao ny fiainany sy ny fianakaviany, mba hanatratra nofinofy iray i Omar. Nandeha tany Etiopia izy mba hitady ekipa. “Io no lasa zavatra tokana nokendreny teo amin'ny fiainana,” hoy i Krug nahatsiahy. “Mba hitady mpanazatra sy hahatongavana any amin'ny Lalao Olaimpika.”

Andinindininy, “An Olympic Dream.” Sary: nomen'i SelfMadeHero maimaimpoana
Nandray fanapahankevitra tsy dia fahita matetika i Kleist, ny hitantara betsaka momba ny bokiny tamin'ny alàlan'ny lahatsoratra Facebook, izay mifototra amin'ireo tafatafa niaraka tamin'i Krug sy ny rahavavin'i Omar. “Te-hanomboka fanazarantena indray aho,” hoy ny lahatsoratra iray. “Mieritreritra foana an'i Beijing aho. Avy ao amin'izay nitoerako, afaka nahita ny afo Olaimpika aho. Sahala amin'ny hoe nahita ny tany tontolo iny.”
Fomba tsara iray entina hampientanentana amin'ny tantara ny hoe matetika nandalo sivan'ny media sosialy. Taorian'ny nanampian'i Krug an'i Omar hanokatra kaonty Facebook, nampiasain-dry zareo ilay sehatra mba hifandraisana tsy tapaka. Hafatra nosoratan'i Omar ho an'i Krug no fifandraisana farany teo amin'izy ireo, izay nanazavàny fa niala tao Etiopia izy hankany Libia, ary manantena ny hiampita ho any Italia.
Hita ho mampiahiahy toy ny mahazatra ny làlan'i Omar avy tany Etiopia nankany Libia. Nandoa vola taminà olona mpampiampita, izay nitondra azy tamin'ny làlana mampidi-doza, nanavatsava ny tany efitra, izy — làlana izay noraisin'ireo mpifindra monina an'arivorivony. Mafy sy manirery ny fanehoan'i Kleist ny tany efitra. Olona am-polony mihizina ao aminà fiara kely, izay mandeha mafy amin'ilay tany efitra tsy misy fiafaràny, mitarika rahom-bovoka lavabe any aoriany.

Andinindininy, “An Olympic Dream.” Sary: Nomen'i SelfMadeHero maimaimpoana
Natao hanampy ireo mpamaky mba hisaintsaina lalina ny olana iray izay nanomboka ho toy ny tsy an'olon-tokana irery ny zavatra toy izany. “Tsy voaisanay intsony aza izany,” hoy Kleist nanoratra tao amin'ny teny fampidirany. Matetika loatra, hoy izy, hadinontsika “fa maneho fiainan'olona ireo isa saro-pantarina.”
Ny taona 2012, nanoratra ho an'i Al Jazeera i Krug, mikasika ny fihetsehampony tamin'ny fahafatesan'i Omar. Tsapany ny “fandàvana ny tsy nahitàko azy indray, ny hatezerana hoe tsy nahavita nanao misimisy kokoa mba nanampiana azy aho, na hoe izao fotsiny ireo media — izay mpikambana ao anatin'ny sokajin'asako — vao miasa saina amin'ny fahalasanany.”
Kely ny finoan’ i Krug hoe nisy zavatra betsaka niova hatramin'izay. Ny taona 2015, Afrikàna mpifindra monina an'arivony no maty raha nanandrana niampita ny Mediterane. Siriana an-hetsiny no nitsoaka ny fireneny ary miatrika zava-doza mitovy amin'izany.

Andinindininy, “An Olympic Dream.” Sary: Nomen'i SelfMadeHero maimaimpoana
Mitohy mientanentana momba ireo fomba vaovao fanao fitantaràna tantara tena nisy toy ny “An Olympic Dream” i Krug.
“Angamba, tsy noeritreretiko mihitsy ny mety ho herin'ny boky tahaka an'io,” hoy izy. “Na amin'ny maha-mpanao gazety aza, reraka ihany ianao. Mila mitady fomba hafa hatrany isika entina hanehoana ireo tantara.”

Andinindininy, “An Olympic Dream.” Sary: Nomen'i SelfMadeHero maimaimpoana
Sokajy

Tantaran'ny Afrika Mainty farany
Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...