Am-polony mahery ireo tigra maty ao anatin'ny taona iray – izany no vaovao manaitra any amin'ny firenena izay narahabaina noho ny nahazoany ny toerana fahatelo tamin'ny “taona tsy misy fihazàna antsokosoko ny tokantandroka”.
Notaterin'ny gazety mpiseho isan'andro Annapurna Post fa hazaina an-tsokosoko any amin'ny manodidina sy ao anatin'ny valan-javaboahary nasionalin'i Bardia ny ankamaron'izy ireo. Vao tsy ela akory izay, nifaly ny firenena noho ny tsy fisian'ny tigra maty na dia iray aza nandritra ny herintaona, teo anelanelan'ny Febroary 2013 sy ny Febroary 2014.
Sarotra arahana ny tranganà fihazàna antsokosoko rehefa entin'ireo mpihaza antsokosoko miaraka aminy ny taolan'ny biby. Ny tenan'ny tigra iray manontolo – manomboka amin'ny hoho-tongony, ny hodiny sy ny taolany ka hatramin'ny henany – dia amidin'ireo mpihaza antsokosoko any amin'ny tsena iraisam-pirenena. Rehefa ireo mpivarotra madinika fotsiny no tratra miaraka amin'ny hoditra sy taolanà tigra eny amin'izy ireo vao fantatr'ireo manampahefana fa matin'ireo gangs (ekipa mpanao ratsy ) ao ambadiky ny varotra tsy ara-dalàna ireo biby ireo.
Tamin'ny taona lasa, nahatratra mpihaza antsokosoko niaraka tamin'ny hoditra sy taolanà tigra taminà toerana samihafa tao amin'ny firenena ny mpitandro filaminana. Noho ny andrimaso nataon'ireo manampahefana, dia voasambotra ilay mpihaza antsokosoko iray izay nirenireny an-taonany maro rehefa nahafaty an'i Namo Buddha, ilay tigra voalohany niravaka GPS (Global Positioning System) tany Nepal. Na izany aza, dia mampiahiahy ireo mpiaro ny tontolo iainana sy ny sampan-draharaha misahana ny fiarovana ny fahitàna matetika ireo vahoaka Banjara mpifindra monina any andrefan'i Nepal satria efa isan'ireo mpihaza antsokosoko sy mpivarotra tsy ara-dalàna ireo ampahana tigra izy ireo taloha.
Ampitomboina avo roa heny ny isan'ireo tigra amin'ny 2022
Na dia mbola olana goavana aza ny fihazàna tigra antsokosoko, dia asehon'ilay fanisàna farany teo fa nitombo 63% noho ny tamin'ny fanisàna teo aloha ny isan'ny tigra. 198 ny isan'ny tigra tamin'ny fanisàna farany.
Tiger populations world-wide are increasing for the first time in 100 years thanks to the rise of tigers in India, Russia, Nepal and Bhutan.
— ZWF MIAMI (@ZWFMiami) May 13, 2016
Voalohany izao tao anatin'ny 100 taona, no mba nitomboan'ny isan'ny tigra manerantany nohon'ny fitombon'ny tigra any India, Rosia, Nepal ary Bhutan.
Amin'ny 2022, te-hampitombo ho avo roa heny ny isan'ny tigra ny governemantan'i Nepal sy ireo fikambanana mpiaro ny tontolo iainana toy ny World Wide Fund for Nature (WWF) sy ny National Trust for Nature Conservation (NTNC). Tsy nofinofy lavitra izany tanjona izany raha toa ka mitohy ny hetsika hampitombo ny isan'ny tigra, saingy ilaina ny ady amin'ny fihazàna antsokosoko.
In 2010, governments of India, Russia, Nepal and Bhutan pledged to double the number of wild tigers by 2022. #wild pic.twitter.com/J2z0ecZzfh
— Matador Student News (@matanewscast) April 14, 2016
Tamin'ny 2010, nampanantena ny governemantan'i India, Rosia, Nepal ary Buthan fa hampitomboina avo roa heny ny isan'ny tigra amin'ny 2022.
Tigra tsy fahita firy
Na dia efa mitombo aza ny isan'ny tigra dia tsy fahita firy ny tigra miriaria any Nepal. Rehefa misy olona mahita dia zava-dehibe izany — na ho ratsy na ho tsara.
Nibitsika ny mpanao gazety Ujjwal Acharya rehefa nifanena taminà tigra tsy nahy tao amin'ny valan-javaboahary nasionalin'i Chitwan tany Nepal ny ekipany.
Feeling lucky to see a #tiger during jungle safari in Chitwan National Park on January 1, 2016. Gave us long stare! pic.twitter.com/OA0gn6z28K
— Ujjwal Acharya (@UjjwalAcharya) January 3, 2016
Fahatsapana ho tsara vintana tamin'ny fahitana #tigra nandritra ny safari tao amin'ny valan-javaboaharin'i Chitwan tamin'ny 1 Janoary 2016. Nibanjina maharitra anay !
Tamin'ny Febroary, nalaza be tamin'ny haino aman-jery fihainon'ny olona sy ny media sosialy ny vaovaon'ilay mpizahatany Holandey antsoina hoe Gerard Van Laar navotan'ilay mpitari-dàlana tany an-toerana taminà tigra izay tsy namela azy hidina avy eny ambony hazo. Velona noho ny nianihany hazo nandritra ny ora roa i Van Laar satria efa nandrasan'ilay tigra teto ambany.
#Nepal – Dutch tourist who survived #tiger attack says he is lucky to be alive https://t.co/hWutqCi8kE pic.twitter.com/DUOon9HO8L
— WildTiger (@WildTigerNews) February 16, 2016
milaza ilay Holandey mpizahatany ta #Nepal izay velona tamin'ny fanafihan'ny #tigra fa manam-bintana ny ho velona izy.
Ny fahalinan'ireo olo-malaza amin'ireo tigra any Nepal
Tsy mahatalanjona ny olon-tsotra fotsiny ilay biby mahafinaritra fa hatramin'ireo olo-malaza ambony. Vao haingana, rehefa nitsidika ny valan-javaboaharin'i Bardia ny Printsy Harry-n'ny Angletera dia nanao toy ny tigra izy, nipetraka niforitra sy nandeha ka azo sary tamin'ny fakàntsary fandrika izay manampy amin'ny fanarahana maso ireo biby .
Inspecting a camera trap used to monitor tigers. Bardia is home to 50 tigers – up from 18 in 2009 #HarryinNepal pic.twitter.com/BFLmBIL84q
— Kensington Palace (@KensingtonRoyal) March 21, 2016
Tamin'ny fanamarinana ilay fakantsary fandrika natao hanarahana maso ny tigra dia hita fa misy tigra 50 ao Bardia. Nitombo 18 noho ny tamin'ny 2009
Tsy niavaka ilay nahazo ny lokan'ny Academy Leonardo DiCaprio. Nanolotra 3 tapitrisa dolara ho an'ny fiarovana ny tigra izy rehefa nitsidika ny valan-javaboahary nasionalin'i Bardia.
Nepal’s ‘greatest areas of progress in tiger conservation’ excites Leonardo DiCaprio https://t.co/pIkMnAXCu0 pic.twitter.com/UetkXH1uaD
— southasia.com.au (@southasia15) April 12, 2016
Nanaitra an'i Leonardo DiCaprio ny fandrosoan'ny fiarovana ny tigra any amin'ilay faritra midadasika any Nepal
Mba hiadiana amin'ny fihazàna antsokosoko, dia mivondrona mba hikarakara hetsika famohazan-tsaina manamorona ny sisintany mampisaraka an'i India sy ny faritra andrefan'i Nepal ny fikambanana fiarovana ny tontolo iainana. Ankoatra ny ezaka ataon'ireo olo-malaza, ireo mpiaro ny tontolo iainana sy ireo vondrom-piarahamonina izay efa tena zava-dehibe amin'ny fiarovana ireo saka mitsipitsipika, ny tatitra vao haingana momba ny fitombon'ny fandrakofana ny ala ho maherin'ny dimy isan-jato any Nepal dia efa lafy tsara iray hafa any ho any.
Good news: Nepal's forest cover has increased! https://t.co/sk7Tui6tmc #doubletigers pic.twitter.com/ZQBc0kRlyZ
— WWF Tigers (@WWF_tigers) May 18, 2016
Vaovao tsara : nitombo ny velaran'ny alan'i Nepal
Tena zava-dehibe ny fiarahamiasan'ireo manampahefana voakasik'izany ao amin'ny governemanta, ny fikambanana mpiaro ny tonolo iainana ary ny vondrom-piarahamonina raha ho hakarina avo roa heny ny isan'ny tigra amin'ny 2022. Ary ho zava-dehibe amin'ny firafitry ny tontolo iainana ny fiarovana azy ireo , izy hisy fiantraikany amin'ny fiainan'ny olona manokana.
बाघ संरक्षण भयो भने, जंगल संरक्षण हुन्छ, जंगल संरक्षण भए बाघ संरक्षण हुन्छ त्यसैले बाघ र जंगलको संरक्षण गरेर पृथ्वीमा मानिसको संरक्षण गरौँ !
— Aananda (@andpkrl) July 29, 2014
Raha voaaro ny tigra, ho voaaro ny ala, ny ala voaaro no hiaro ny tigra. Noho izany, arovy amin'ny fiarovana ny tigra sy ny ala ny olona eto amin'ity planeta ity.