Mariky Ny Fanombohan'ny Hazalambo Manaraka Hanjo Ny Media Ao Rosia

Ny hazalambo manjo ny fahitalavitra Dozhd. Sary namboarin'i Kevin Rothrock.
Niaraka tamin'ny fiporitsahan'ireo “Taratasin'i Panama” teo aloha teo, ny famotsiambola no vaovao goavana tato ho ato, ary any amin'ny firenena toa an'i Rosia, izay ny kabary fandresena lahatra hanoherana kolikoly no malaza, miaraka amin'ireo mpanao politika toy ny an'ireo mpanohitra mafana fo ihany koa, mitombo mampihoron-koditra isanandro ny aloky ny vola tsy ara-dalàna. Tamin'ny herinandron'ny 12 May monja, nangataka ny hiditra malalaka ao amin'ny Sampan'asa Federaly Misahana ny Fanarahana Maso Ara-bola ireo mpiasam-panjakana avy ao amin'ny Minisiteran'ny Fitsarana ao Rosia, nilaza tamin'ny governemanta fa mila fahefana vaovao ho fanarahana maso hitsongoana dia ny vola miditra an-tsokosoko ao amin'ny firenena.
Saingy tsy niraika tamin'ny ampamoakan'ireo Taratasin'i Panama mikasika ireo fifanarahana sy fampindramambola mitentina 2 dolara lavitrisa natao tany ivelany, ary nahavoarohirohy an'i Sergei Roldugin naman'i Vladimir Putin, ny Minisiteran'ny fitsarana tao Rosia. Te-ho afaka miditra malalaka amin'ireo rakitahirin'ny fanjakàna ny mpitandro filaminana Rosiana, mampanahy azy ireo mantsy ny momba ireo fikambanana tsy mikatsaka tombontsoa ara-bola mampiasa ireo orinasa voasoratra anarana ao Rosia ho fantsona hidiran'ny vola avy any ivelany ho an'ireo tsy mikatsaka tombontsoa ” miasa manohitra ireo tombontsoam-pirenena”. Ampahany amin'ireo fanentanana mavitrika mba hiatrehana ny fandrahoanan'ireo “mpiasa vahiny”, ny fangatahan'ny Minisiteran'ny Fitsaràna.
Raha mbola mitaingin-tsoavaly hiatrika fanafihana iray hafa hanohitra “ireo mpiasa vahiny” i Maosko, tsy afaka naka fotoana tsara akory i Ilya Ukhov raha nanoratra tamin'ny Facebook tamin'iny herinandro iny fa mety nandray miafina famatsiana vola avy amin'ny governemanta Amerikana ny fahitalavitra tsy miankina Dozhd. Ukhov, tanisaina amin'ny maha-“manampahaizana mikasika ny fandefasana” tantara vaovao azy, dia mpiara-miasa tsy tapaka amin'ireo tambajotra mpilaza vaovao mpanohana an'i Kremlin toa an'i Vzglyad sy Ridus. Nandefa ireo lahatsoratra tao amin'ny tambajotra ofisialin’ny Youth Guard ihany koa izy, ilay sampana tanora ao amin'ny antoko politika Rosia Mitambatra izay eo amin'ny fitondrana, izay ilazàna azy ho “mpandalina ny fiarahamonina”.
Feno fahasahiana ny filazàn'i Ukhov. Milaza izy fa telo amin'ireo fampahalalam-baovao liberaly hajaina indrindra (ary angamba hankahalaina indrindra) ao Rosia — Dozhd, RBC, ary ny Feon'i Mosko – no mahazo fanohanana avy amin'ny governemanta Amerikana, ary fanampin'izay, ny fanitrikitrihana ny fahazoan'ny Dozhd vola avy any ambany latabatra.
Ho porofo, asongadin'i Ukhov ireo antontan-taratasy fahiny “sarobidy saingy tsy nampirimina” ary novolavolain'ny Birao Amerikàna Fitsirihana Ankapobeny (OIG) tamin'ny 2013 sy 2015 momba ny Broadcasting Board of Governors (BBG), masoivohon'ny governemanta Amerikana an'i Washington manaraka akaiky ny “fampielezampeo sivily iraisampirenena”, tafiditra amin'izany ny “Voice of America, Radio Free Europe/ Radio Liberty”, sy ny maro hafa. Tanisain'i Ukhov ihany koa ny Fangatahana Tetibola amin'ny Kaongresy ho an'ny Taompiasana 2017 momba ny hetra, nataon'ny BBG manokana, ka ao anatin'izany no itanisàna ny iray amin'ireo “zavabita”-n'ny “Voice of America” tamin'ny 2015 ho toy ny “tambajotra nasionaly natsofoka ho sampan'ny VoA Rosiana ao amin'ny RBC, Echo Moskvy, ary Dozhd ho an'ireo mpihaino manerana an'i Rosia”
Lazain'ny tatitry ny OIG tamin'ny 2013 fa nisy “fifanarahana fifamatorana niarahan'”ny Biraon'ny Tetikady sy Fampivoarana nosoniavina tamin'ny RBC, nametrahana mpanao gazety iray avy amin'ny Voice of America ho ao amin'ny fantsom-pahitalavitra fanapariahana vaovao momba ny fandraharahàn'ny RBC isankalina mandritry ny herinandro. Faritan'ilay tatitra ihany koa ny fisian'ny “karazana fifanarahana fifamatorana” tahaka izany miaraka amin'ny Dozhd, na dia “tsy tena fifanarahana ofisialy aza”, noho ny fisalasalàny tsy mety manao sonia antontan-taratasy miaraka aminà masoivoho vahiny raha mbola ny toedraharaha politika amin'izao fotoana izao no manjaka.” Tohizan'ilay tatitra amin'ny fandrosoana hevitra hoe ilain'ny governemanta Amerikàna ny mametraka “politika ofisialy manazava amin'ny antsipirihany momba ny rafitra iray anatiny ho an'ny fiarahamiasa tsy misy fifamatorana arak'asa.” Tao anatin'ny tatitra 2015 avy amin'ny OIG, nampidirina ho toy ny “fampiharana akaiky” io raharaha io, midika hoe “vita tanteraka ny asa fanitsiana nifanarahana.”
Milaza i Ukhov fa manahy izy – tahaka ny nazavainy tamin'ny Facebook, tanatin'ireo fanehoankevitra ao amin'ny tranonkalam-baovao Vzglyad, sy tao anatin'ny tafatafa iray niaraka tamin'ny fahitalavitra Life – hoe ny “fifandraisana tsy ofisialin'i” Dozhd miaraka amin'ny BBG dia mety ho tetika hanafenana ny famatsiambola avy amin'ny governemanta Amerikana.
Отсутствие официальных контрактов может говорить о ненадлежащем исполнении «Дождем» налогового законодательства и использовании им мошеннических схем для легализации поступающего от BBG финансирования. Как вы понимаете, тут очень широкое поле для проверок телеканала по линии Федеральной налоговой службы и Генеральной прокуратуры РФ.
Ny tsy fisian'ny fifanarahana arak'asa ara-dalàna dia mety milaza ny tsy fanajàn'ny Dozhd ny andraikiny manoloana ny hetra sy ny fampiasàny tetika miendrika hosoka mba hanaovany ny famatsiambola raisiny avy amin'ny BBG ho toy ny ara-dalàna. Araka ny mety hahazoanao azy an-tsaina, manome antony midadasika be ho an'ny Sampandaharaha Federaly misahana ny Hetra sy ny Biraon'ny Lehiben'ny Fampanoavana io mba hanao fitsirihana ilay tobim-pahitalavitra.
Angamba amin'ny ampahany satria ny BBG mitanisa ny fiarahany miasa miaraka amin'ny media liberaly Rosiana ao anatin'ny fangatahany ny tetibolany ho an'ny taona 2017, heverin'i Ukhov fotsiny fa misy idiran'ny fifanakalozana ara-bola ireny fifamatorana ireny. Tsy azo lavina, iray amin'ireo “fiovàn'ny fandaharana” voafaritra ao anatin'ilay fangatahana tetibola no mampitovy ny loza mitataon'ny “filazana vaovao diso ataon'ny Rosiana” sy “ireo ezaka fakàna olona ataon'ny ISIL”, amin'ny filazàna fa tetiky ny Voice of America ny handefa tetikasam-botoaty dizitaly mitentina 3,5 tapitrisa dolara “ikendrena ny Rosia sy ISL.”
Raha tondro iray, anefa, ny fiarahan”ny Voice of America miasa amin'ny RBC, dia tombatombana fotsiny ihany ny fiheverana fa mamatsy vola ireo media tsy miankina ao Rosia ny governemanta Amerikana, amin'ny alàlan'ireo “fifanarahana fiarahamiasa”. Rehefa miresaka ny olany amin'ilay fifamatorana tsy aradalàna misy amin'ny BBG sy ny Dozhd, ohatra, nampitandrina fotsiny ny OIG hoe mety “hitarika fanapahana samirery ny asa,” ireo olana, tamin'ny famaritana azy io ho toy ny olana iray amin'ny fakàna onjampeo rosiana, fa tsy olan'ny fitazonana bokim-bola.
Milaza i Ukhov fa hanatona mpisolovava mba hamaritana raha misy ireo antony ara-pitsaràna hangatahana fanadihadiana ataon'ny mpitandro filaminana momba ilay “karazana fifanarahana fifamatorana” tsy ofisialin'ny Dozhd amin'ny masoivoho irain'ny governemanta Amerikana.
Anisan'ny RuNet Echo, tetikasan'ny Global Voices handikana ny teny Rosiana an'aterineto ity lahatsoratra ity. Lahatsoratra rehetra ·
Sokajy

Atombohy ny resaka
Anisan'ny RuNet Echo, tetikasan'ny Global Voices handikana ny teny Rosiana an'aterineto ity lahatsoratra ity. Lahatsoratra rehetra ·
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 7 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...