Tamin'ny Talata 17 May, tanàna telo tao amin'ny havoana ao amin'ny distrikan'i Kegalle, tokony ho 72 km (45 maily) avaratr'i Colombo, Sri Lanka no niharan'ny fihotsahan'ny tany goavana, ka fianakaviana an-jatony no voalaza fa tsy hita popoka. Namoaka vatana mangatsiaka 17 avy ao anaty fotaka sy potipoti-javatra ny mpamonjy voina, ka lasa mihoatra ny 40 ny isan'ny namoy ny ainy tamin'ny Alarobia. Nilaza ny Vokovoko Mena Sri Lankey fa fianakaviana maro no nanjavona.
Niteraka fandravana tao afovoan'i Sri Lanka ny orambe sy ny tafio-drivotra. Matetika avy be hatrany ny orana ao amin'ny firenena Azia Atsimo ny volana Mey, izay manodidina ny 382 milimetatra ny haavon'ny orana. Na izany aza, nahitana orana 305 milimetatra tamin'ny Alahady lasa teo fotsiny. Mampitombo ny faharatsian'ny toe-javatra ny toetrandro ratsy. Namindra toerana ireo fianakaviana manodidina ny 100.000 ny tondra-drano vao haingana.
#SriLanka experiencing worst flood situation in 60years.
part of Colombo city area drowned making number of residents homeless.#SriLanka— Vajira Sumedha (@vajirasumeda) May 18, 2016
Miatrika tondradrano ratsy indrindra tao anatin'ny 60 taona i SriLanka
Niparitaka tamin'ny aterineto ireo sary misy ny fahasimban'ny natiora. Nandefa sary sasany mahery vaika misy ny fihotsahan'ny tany ny tranonkala mediam-baovao Roar Lanka, raha nandefa sary misy ny tondradrano nitranga manerana an'i Sri Lanka tao amin'ny tranonkala Yamu kosa ilay mpanoratra Shifani.
Nanazava tamin'ny lahatsoratra tao amin'ny Yamu mikasika ny antom-pisian'ny orana tsy miato ao Sri Lanka ilay bilaogera Indi Samarajiva:
Why is it raining so much? This is the Yala Intermonsoon. Honestly, we should just call it the monsoon but the term is more defined by when the rains hit India. Sri Lanka gets it in between.
Maninona no avy be ny orana? Intermousson (elanelan'ny talio) izao. Amim-pahatsorana, tokony antsointsika fotsiny hoe talio izany saingy faritana toy izany ny voambolana rehefa mamely an'i India ny orana. Eo antsefatysefan'izany no misy an'i Sri Lanka.
Nampahafantatra ihany koa ilay bilaogera fa milaza ny vinavina fa hitombo ny rotsak'orana mandritra ny faran'ny herinandro hoavy.
Nandritra izany, maro ireo nandefa fanampim-baovao tao amin'ny Twitter:
BREAKING -Those Living in Surrounding Kelani River Areas Requested to Move to Safer Locations Due Rising Flood Waters-DMS #lka #SriLanka
— Farhaan Nizamdeen (@greatgalle) May 18, 2016
VAOVAO FARANY- Iangaviana ireo monina manodidina ny Faritry ny Renirano Kelani mba hifindra any amin'ny toerana azo antoka kokoa noho ny Fiakaran'ny rano.
Need your support to save these flood victims.Recent video from Kolonnawa,Wellampitiya, #Srilanka @SriLanka #lka pic.twitter.com/hZqSgMkSGK
— M.RISHAN SHAREEF (@Rishan_s) May 18, 2016
Mila ny fanohananao mba hamonjy ireo niharam-boinan'ny tondradrano. Lahatsary vao haingana tao Kolonnawa,Wellampitiya, #Srilanka
Marobe ireo lahatsary misy ny tondradrano navoakan'ireo mpiserasera tao amin'ny sehatra media sosialy samihafa. Ity lahatsary navoakan'ny Trufriend tao amin'ny Youtube:
https://youtu.be/EuGFK0zFm8M
Naneho ny fahasorenany kosa ny sasany noho ny tsy firaharahiana ny zavamisy avy tamin'ny media manerantany:
Paris attack : 15 killed,10 injured
Sri Lanka flood: 40 deads, 1000+ suffering.
Where is #PrayForSriLanka? 😑💔#LK #SriLankaFloods— Ahamed Sizan (@barfigas) May 18, 2016
Fanafihana tao Paris: 15 namoy ny ainy,10 naratra
Tondradrano tao Sri Lanka: 40 namoy ny ainy, 1000+ mijaly.
Aiza ny #PrayForSriLanka? (Mivavaka ho an'i Sri Lanka) 😑💔#LK #SriLankaFloods
Talanjona kosa ny sasany manoloana ny fiovan'ny toe-javatra haingana:
What a difference a day makes, from a flood selfie to mass burial of 100's in a landslide #SrIiLanka #lka pic.twitter.com/e3rLK0NM8Z
— Amantha (@AmanthaP) May 18, 2016
Inona no fiovana hita amin'ny andro iray, manomboka amin'ny selfie tondra-drano ka hatramin'ny fandevenana faobe an'ireo 100 namoy ny ainy tamin'ny fihotsahan'ny tany tao Sri Lanka
Gaga ny maro tamin'ireo mpiserasera Facebook manerantany raha nahafantatra ny tondradrano ao Sri Lanka rehefa nampahafantarin'ny namana na ny olom-pantatr'izy ireo tamin'ny fanamarihana ny tenany ho avotra tamin'ny alalan'ny fampiasana ny marika Facebook Safety Check napetraka vao haingana:
my friend just marked herself as safe on fb during a flood in srilanka… is there currently a flood in srilanka? 😱
— fn (@tabiyong) May 18, 2016
vao avy nanamarika ny tenany fa avotra nandritra ny tondradrano tao srilanka tao amin'ny facebook ny namako….misy tondradrano ve ao Sri Lanka amin'izao fotoana izao?
Cassandra Doole ao amin'ny Roar Lanka kosa nandefa vaovao momba ny laharana vonjimaika sy ny ezaka fanavotana.
Maithripala Sirisena, filohan'i Sri Lanka, manana mpanjohy efa ho an-tapitrisany ao amin'ny Facebook, nandrisika ireo mila fanampiana mba hitatitra ny mahazo azy ireo any amin'ny manampahefana amin'ny alalan'ny fiantsoana an-tariby ny Foibem-baovaon'ny Fitondram-panjakana
If you are a victim of the prevailing adverse weather condition, and hasn't been given any assistance even after contacting a government official, inform ‘Tell the President’ through 1919 as soon as possible.
Raha niharam-boina tamin'ny toetrandro ratsy ianao, ary tsy nahazo fanampiana na dia efa niantso ny manampahefam-panjakana aza, ilazao faran'izay haingana ny “Lazao ny Filoha” amin'ny alalan'ny 1919.