Ny Fomba Hifehezan'ireo Vazimba Teratany Indray Ny Fahitàn'ny Hafa Azy Ireo

Captura de pantalla del video hecho para la campaña "Por nuestros propios medios". Disponible en Vimeo.

Pikantsary avy amin'ny lahatsary notontosain'ny fanentanana “Ho an'ny fitaovam-pifandraisana antsika tanteraka”. Hita ao amin'ny Vimeo

[Mitondra ho amin'ny fiteny Espaniola daholo ny rohy ato anaty lahatsoratra]

Teraka noho ny sary ratsy omena ireo vahoaka sy vondrom-piarahamonina vazimba teratany izay matetika aelin'ireo media mahazatra ny fanentanana ho fanabeazana sy fampahatsiarovantena Komunikatuz Eraldatu, los pueblos dueños de su comunicación [Komunikatuz Eraldatu, maka ny fitaovam-pifandraisana ho azy ireo ny vahoaka].

Araka ny lazain'ny fikambanana Mugarik Gabe, izay nanomboka ilay fanentanana :

Con esta nueva campaña queremos mostrar cómo los pueblos indígenas de Latinoamérica han creado medios de comunicación para defender sus derechos y reforzar sus lenguas y su identidad como tales.

Y unir todo ello también con la labor que han hecho y hacen con el mismo objetivo actores del ámbito de la comunicación alternativa y los medios de comunicación locales de Euskal Herria.

Miaraka amin'ilay fanentanana vaovao ataonay, tianay haseho fa namorona fitaovam-pifandraisana hiarovana ny zon'izy ireo, hanamafisany ny teniny sy hitahirizany ny maha-izy azy ireo vahoaka vazimba teratany ao Amerika Latina.

Ny tanjona dia ny hitambarana manodidina ilay asa izay nanolotra sy manolotra hatrany ireo mpandray anjara amin'ny sehatry ny fifandraisana azo atao fanolo ary ireo fitaovam-pifandraisana an'ny Euskal Herria, izay mitovy tanjona tratrarina.

Omanin'ilay fanentanana ihany koa ireo andianà andro atokana ho an'ny vahoaka vazimba teratany, ho an'ny mediam-bahoaka ary ny fifandraisana, ny hanaitra fiovàna sosialy mandritry ny volana May amin'ity taona ity. Hisy ny kabary, ny fifanakalozankevitra ary fijerena lahatsary fanadihadiana, ka handray anjara amin'izany ireo mpanao gazety sy mpampita vaovao avy amin'ny Euskal Herria, avy any Bolivia, Meksika ary Arzantina.

Mba hahafantaranao bebe kokoa, jereo ny bokikely fampahafantarana ny fanentanana. Azo arahana ao amin'ny kaonty Facebook sy Twitter -n'ny Mugarik Gabe ireo torohay nivoaka farany indrindra.

Al construir nuestros propios medios de comunicación los pueblos indígenas somos protagonistas de nuestra historia, vamos tejiendo nuestra propia palabra, escapamos del olvido, celebramos la vida, celebramos un mundo, donde a pesar de las injusticias, predomina la esperanza.

Lasa mpisehatra ny tantaranay manokana izahay, vahoaka vazimba teratany, tamin'ny famoronana ny fitaovam-pifandraisana anay manokana, mandrafitra ny kabarinay manokana, mivoaka amin'ny fanadinoana, mankalaza ny fiainana sy ny tontolo, mba ho ny fanantenana no handresy, na eo aza ny tsy rariny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.