Ben'ny Tanàna Ao Belgrady, Manohana Ny Lehiben'ny Polisy Manembantsembana Ny Asan'ny Mpanao Gazety

Belgrade Mayor Siniša Mali. Image: Istinomer / YouTube.

Siniša Mali, ben'ny tanànan'i Belgrady. Sary: Istinomer / YouTube.

Nolavin'ny ben'ny tanànan'i Belgrady, Siniša Mali, ny hanatanteraka ny fangatahan'ny Mpanelanelana ao  Serbia handroahana ny lehiben'ny Polisy kaominaly noho ny fanelingelenany ireo mpanao gazety miezaka manao fanadihadiana momba ny kolikoly.

Tamin'ny September 2015, nosembantsembanin'ny polisy kaominaly tao Belgrady ireo mpanao gazety miasa ho an'ilay tranonkala mpanamarina ny tena zavamisy Istinomer (Truth-O-Meter) ary tamin'ny Oktobra 2015 dia ireo mpanangona vaovao avy amin'ny Tambajotra Fitaterana Ny Heloka Bevava sy ny Kolikoly (KRIK). Sivifolo andro taorian'izay, niditra an-tsehatra ny Mpanelanelana, nitaky ny hanoloana ny lehiben'ilay andiany mpampihatra lalàna miteraka resabe. Volana roa taorian'izay, neken'ny governemantan'ny tanàna ny vontoatin'ilay fangatahana, niaikeny heloka tamin'ny fanitsakitsahana ireo fepetra ka nampiasàna hery tafahoatra tsy ara-dalàna, saingy tsy nisy vokany tamin'ilay lehiben'ny polisy izany.

Ny 24 Febroary, nanambara ilay Mpanelanelana fa naharay tatitra tamin'ny raharaha Istinomer izy nilaza fa nampihatra ireo teboka 32 natolony ny Polisy Kaominaly. Notsindrian'ilay Mpanelanelana anefa fa mbola eo am-piandrasana hatrany ny hanatanterahan'ny polisy ny fitakiana momba ny raharaha KRIK izy (indrindra fa ny fitakiana ny fametrahana fialàn'ilay lehiben'ny polisy kaominaly).

Namoaka fanambaràna iray ny mpampihatra lalàna ao amin'ny tanàna nilazany fa, “amin'ny hoavy, hanao izay mifanaraka amin'ny lalàna fotsiny [izahay].” Ny 26 Febroary, nilaza imasom-bahoaka ny fialantsinin'izy ireo momba ilay raharaha tamin'ny taona lasa nifanolanany tamin'ireo mpanao gazety ny ben'ny tanànan'i Belgrady sy ny Polisy Kaominaly, tamin'ny nilazàny fa ampy ho vahaolana iray amin'izany ny fanavaozana ny dingana sasantsasany fanaon'ny polisy.

Ho valinteny, nanambara ny tariky ny Istinomer fa lavin-dry zareo ny toerana noraisin'ny ben'ny tanàna, izay lazain-dry zareo fa mahatonga ny fanararaotam-pahefan'ireo manampahefam-panjakana ho tsy misy dikany :

Ovom izjavom Gradonačelnik Mali praktično ukida ODGOVORNOST državnih rukovodilaca, za loše obavljanje posla, u konkretnom slučaju – kako za činjenje, tako i za nečinjenje.

Rukovodilac Komunalne policije, koji toliko uporno brani postupke svojih ljudi, koji su se evo sada redom pokazali pogrešnim – naprosto MORA da zna pravila te službe i mora da ih primeni. Ponašanje Nikole Ristića tokom i posle incidenata koji su se dogodili, pokazuje da on, ili ne zna pravila službe kojoj je rukovodilac, ili ih zna, što je još gore, a u dužem vremenskom periodu ih namerno prikriva. A onda, šta će građanima, službi i gradskoj upravi takav rukovodilac?

I to je pravi razlog za ostavku Nikole Ristića – nije on radio pa pogrešio, pa da mu se progleda kroz prste. Nije tako, baš kao što nam pokazuje događaj sa novinarima KRIK-a, kojima je protivzakonito oduzeta oprema tokom vršenja radnog zadatka i brisani podaci sa memorijskih kartica, čemu je Nikola Ristić i lično prisustvovao, bez reči protivljenja, bez opomene, bez pokušaja da spreči svoje ljude u nepravnom postupanju.

To ukazuje da se radi o jednom te istom – načelnika Komunalne policije ne zanima da li njegovi ljudi postupaju u skladu sa propisima, da li se ponašaju nasilno ili ne, da li narušavaju dostojanstvo novinara, kao građana i kao profesije. On brine o tome da ih zaštiti.

I to je pravi razlog zbog koga on mora da bude smenjen.

On se drži principa koji je nespojiv sa bilo kojom državnom funkcijom – on brani svoje ljude, po svaku cenu, a ne pravdu, pravo ili građane.

Miaraka amin'io fanambaràna io, nofoanan'i Mali, ben'ny tanàna, tanteraka ny ANDRAIKITRY ny manampahefam-panjakana izay manao kitoatoa ny asany— amin'ity tranga manokana ity, dia na ny asa natao, na ny tsy nefaina.

Ny lehiben'ny polisy kaominaly, izay nisisika niaro ireo fitondrantena tsy mendrika voaporofo vitan'ireo teo ambany fiadidiany, dia TSY MAINTSY mahafantatra tsotra izao ireo fepetran'ny polisy ary tsy maintsy mampihatra azy ireny. Ny fitondrantenan'i Nikole Ristić nandritra sy taorian'ilay tranga dia mampiseho fa, na izy tsy mahalàla ireo fepetra momba ny andiany izay ambany fifehezany, na raha fantany ireo fepetra ireo, dia omeny farovana ireo izay mandika azy ireny, izay mbola ratsy kokoa. Fa inona no nataon'ny olompirenena sy ny governemantan'ny tanàna ka mahatonga azy hànana manampahefana tahaka izany?

Ary io no tena antony itakiana ny hametrahan'i Ristić fialàna. Tsy hoe nanao zavatra tsy nahy izy, ka ho mendrika famindrampo. Fa ny fandraisany anjara mivantana tamin'ilay tranga niarahana tamin'ny mpanao gazetin'ny KRIK, narahana fangiazana tsy ara-dalàna ny fitaovana ary famafàna ny zavatra voarakitra, dia midika fanahy niniana natao. Nandritra ilay raharaha, tsy nanao mihitsy izay hisorohana na hanakànana ny olony tsy hanitsakitsaka ny lalàna i Ristić.

Manaporofo izany fa tsy misy iraharahàn'ny polisy kaominaly ireo manampahefana ao aminy na hanaraka ny lalàna na tsia izy ireo, na hampiasa herisetra, na hanitsakitsaka ny maha-olona ireo mpanao gazety, amin'ny maha-olompirenena tsotra azy ireo sy amin'ny maha-matianina azy. Ny hiaro ny olony no mahamaika azy.

Ary io no tena antony marina tokony hanoloana azy—noho ny fampiharany fitsipika izay mifanohitra tanteraka amin'ny asam-panjakana rehetra: miaro ny olony amin'ny fomba rehetra, manoloana ny fitsaràna, ny lalàna ary ny olompirenena.

Mali: Horoahana ny Lehiben'ny Polisy Kaominaly.
Asehon'ny lahatsary ny fandraisana anjara mivantan'ingahy lehibe tamin'ireo tranga [hatramin'ny fampiasana hery ara-batana tamin'ireo mpanao gazety].

Araka ny avoitran'ny KRIK, i Nikola Ristić, lehiben'ny Polisy, sy ny lefiny, Darko Vujsić, dia nanembantsebana, izy tenany mihitsy, ny asan'ireo mpanao gazety avy amin'ny KRIK izay niezaka hanontany ny ben'ny tanàna momba ny tantara ratsin'ireo “trano 24″. Nomena fetrandro hatramin'ny fiandohan'ny volana Aprily ny governemantan'ny tanànan'i Belgrady mba hanatanterahana ny fangatahan'ny Mpanelanelana ary hanome tatitra amin'io andrimpanjakàna io.

Karazana polisy monisipaly manokana ny polisy kaominaly ao Serbia, ambany fibaikoana mivantan'ny governemanta eo an-toerana, ivelan'ny fibaikoan'ny Minisitry ny Atitany. Araka ny lalàna, voafetra ny fahefany fa tsy toy ny an'ireo polisy mahazatra. Nandritry ny taona 2015, in-48 ny polisy kaominaly ao Belgrady no nampiasa hery tamin'ny olompirenena, saiky ho indray mandeha isankerinandro.

Naneho ny tahony ireo mpampiasa Twitter hoe ny fanitàrana ny fahefan'ny polisy kaominaly dia hamadika azy io ho karazana hery iray ivelan'ny polisy. Toy ny amin'ny raharahan'i Mali Ben'ny tanàna, rehefa mihoa-pefy ny polisy kaominaly, hoy ny sasany amin'ny mpampiasa aterineto, dia mazàna atosiky ny fanohanana avy amin'ireo manampahefana akaikin'ny praiminisitra ao Serbia,  Aleksandar Vučić.

Manao tokim-panompoana amin'i Vučić manokana ve ireo polisy kaominaly?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.