Feo Iray Avy Any Ambava-adin'ny El Niño Ao Kenya

Ao Isiolo, faritra karankaina sy maina ao Kenya, nisy rafitra vaovao napetraka hitarihana rano mba hanampiana ireo vondrom-piarahamonina hianatra sy hanaiky fomba vaovao ary hahita fomba hafa ho entina miompy mba ho fidirambola hafa ho azy ireo, hanatratrarany ny fahavitantena ara-tsakafo sy hiatrehany ny haintany miverimberina.
EU/ECHO/Martin Karimi. CC BY-ND 2.0
Ao anatin'ity andiany ahitàna fizarana roa ity, mizara ny tolona ataon-dry zareo sy ny fanantenany ireo feo tanora avy ao Kenya, raha narahan'ny orambatravatra tsy mahazatra ilay haintany nandravarava ny Tandrok'i Afrika, ao anaty tontolo iray izay mafàna kokoa noho izay fotoana rehetra voasoratry ny tantara..
Ny fijoroana vavolombelona ato anatin'ity andiany ity dia nangonin'ny Climate Impacts Program ao amin'ny 350.org, fikambanana iray manorina hetsika momba ny toetrandro manerantany, ary averina avoaka eto amin'ny Global Voices ho ampahany amin'ny fifanarahana fifampizaràna vontoaty.
Ny ampahany voalohany dia nosoratan'i Kay Seven, mpanakanto mpiantsehatra avy ao amin'ny Faripiadidian'i Kajiado, tsy lavitra ny sisintany Tanzaniana.
Firenena iray mora iharan'ny haintany i Kenya, indrindra fa noho ny toetaniny sy ny firafitry ny tontolo ao aminy. Ny filatsaky ny rotsakorana, indrindra fa ny tsy fisian'ny ranonorana na ny fiovaovan'ny rotsakorana dia matetika antony mahatonga loza voajanahary, izay tolona mitohy atrehan'ireo asa fivelomana eny ambanivohitra ny fampifanarahana azy amin'ny zavamisy.
Na dia tsy any amin'ny ampahany avaratra-atsinanana aza, fa matetika tena iharan'ny haintany sy ny tondradrano, tamin'ity taona ity ny Faripiadidian'i Kajiado dia nijaly tamin'ny rotsakorana ambonin'izay nahazatra nateraky ny tranga El Niño. Taorian'ireo toedraharaha henjana nateraky ny haintany, nanomboka niaina rotsakorana ny distrika misy anay. Niaraka taminà rotsakorana nivatravatra, andrandrainay mba hitombo tsara ny vokatray. Kanefa, manahy ihany izahay hoe mety hiteraka fahavoazana handravarava ny vokatra ny rotsakorana be loatra.

Farìtan'i Kay Seven, mpanakanto mpisehatra avy ao amin'ny Faripiadidian'i Kajiado, tsy lavitra ny sisintany Tanzaniana, ny sasany amin'ireo fiantraikan'ny haintany mitarazoka ao amin'ny vondrom-piarahamoniny. Sary : Kay Seven
Tamin'ny taona lasa, ny departemanta mpamantatra toetrandro ao Kenya dia nampitandrina fa betsaka amin'ireo faritra any amin'ity firenena ao atsinanan'i Afrika ity no mety hahita rotsakorana ambony noho ny mahazatra ateraky ny tranga El Niño mandritry ny fotoanan'ny orana Oktobra hatramin'ny Desambra. Hiteraka fahavoazana ho an'ireo faritra mora tratry ny tondradrano sy ny lemaka amorontsiraka ny orambe mivatravatra, saingy amin'ny lafiny iray dia hanampy an'ireo tany fambolena karankaina sy ireo vondrom-piarahamonin'ny mpiompy any andrefan'ny firenena.
Ireo Afrikana Tatsinanana sy ny ampahany betsaka amin'ireo vondrom-piarahamonina manerana ny Tandrok'i Afrika no efa mijaly amin'ity taona ity noho ny orambe mivatravatra sy ny haintany, izay ambaran'ireo manampahaizana manokana fa mety mifandray amin'ny fivoaran'ny El Niño. Mandritra izany foana izany, namono olona ampolony tao avaratra-andrefan'i Tanzania ny tondradrano, ary namela anjatony maro tsy hanana hialofana. Namono biby fiompy sy nanimba voly katsaka ary landihazo ihany koa ilay teotrandro henjana.
Mbola an-dàlam-piarenana avy amin'ireo trangan'ny El Niño teo aloha ireo vondrom-piarahamonina sasany ao Kenya, Etiopia, Sodàna Atsimo, Tanzania sy Somalia; indrindra fa ilay iray tamin'ny 1997-1998 izay namoizana olona notombanana ho nahatratra 2.000 sy nitondra nankaminà fiparitahan'aretina ho an'ny biby, niely tany rehetra tany. Efa nasian'ny haintany mafy ihany koa ny Tandrok'i Afrika tamin'ny 2011-2012, izay niteraka tsy fanjarian-tsakafo henjana nandrahona ny fiveloman'ireo olona maherin'ny 10 tapitrisa. Olona notombanana ho 260.000 teo ho eo, ankizy ny antsasany amin'izany, no maty noho ny hanoanana tao Somalia, iray tamin'ireo faritra tena voa mafy indrindra.
Ao anatin'ny faritra iray izay tsy tapaka niharan'ny vokatry ny tranganà toetrandro henjana, ary niaina matetika ny El Niño, dia tena tsy maintsy ataon'ireo mponina any ny miezaka ho tsara fiomanana mba hampitomboana ny fahafahan-dry zareo miatrika izany. Resaka fitazonana aina io ho an'ny 80% amin'ny vahoaka izay vondrom-piarahamonina ahitàna tantsaha sy mpiompy, manana fidirambola miankina betsaka amin'ny fahamarinan-toerana na tsia eo amin'ny firindran'ny toetrandro.
“Namoy aina tanora isika noho ny aretina pesta, ny tsy fanjariantsakafo sy ny hanoanana. Mihatandindonin-doza ny fiahiana ara-tsakafo eo amintsika satria tena voadona mafy ny toekarentsika. Ny ratsy indrindra, niteraka fifandonana miverimberina eo amin'ireo tantsaha sy ny mpiompy ireo vanim-potoana lavabe isian'ny haintany, miady mba ho tompon'izay loharanonkarena zara raha misy.” -Tononkira avy amin'ny hiran'i Kay Seven
Tao anatin'ny fotoan-tsarotra, nitondra andianà tetikady samihafa ny governemanta tao an-toerana mba hampihenana ny fiantraikan'ny haintany sy hanohanana ireo vondrom-piarahamonina tena voa mafy. Tao anatin'ireny tetikady ireny ny fandaharanasa fametrahana fitahirizana sakafo manerana ny firenena, ny fananganana vondrona madinika antsoina hoe Sacco (rafitra iray ahafahan'ireo tantsaha mahazo fampianarana sy fiofànana momba ny fambolena), ireo fandaharanasa momba ny fitarihana rano ami'ny fomba maoderina sy ny fambolena hazo.
Na mbola tsy nitondra vokatra azo tsapain-tànana aza ireny ezaka ireny, tsy very fanantenana ireo vondrom-piarahamonina. Inoan'izy ireo ny asa sy ny firaisankina avy eny ifotony mba hiatrehana ny loza voajanahary tahaka izany sy hananganana vondrom-piarahamonina matanjaka ary afaka miatrika tsara, afaka miantoka ny fiahiana ara-tsakafo ho an'ny rehetra ka hamerina fiainana anaty tontolo iainana iray lavitry ny haintany sy ny hanoanana. Na dia goavana be aza ilay fanamby, vonona ny vondrom-piarahamonina ao hiditra amin'ny famokarana angovo azo havaozina sy hanohitra ny fivoaran'ny angovo azo amin'ny solika fandrehitra, no sady hanamafy ny fiomanany amin'ny loza. Ao anatin'ny tononkira amin'ny hirako iray:
Manana andraikitra isika hiantoka amin'ny hoavy ny hanànan'izay mbola any am-bohoka sahady toerana mendrika handaniany ny androm-piainany rehefa teraka izy. Azontsika atao ny miantoka ny hihenan'ny taham-pahafatesana ateraky ny hanoanana, tondradrano na izay loza hafa ateraky ny toetrandro, amin'ny fandraisantsika andraikitra eny anivon'ny vondrom-piarahamonintsika. Ndeha hifanome tànana, Ndeha ho ataontsika io…vitantsika io raha mifanome tànana isika.
Mwenda tezi na Omo,Marejeo ni Ghamani [amin'ny fiteny Swahili, midika hoe ‘Afaka mandositra araka izay tratrantsika hiala ny olana isika, saingy tsy maintsy hiverina foana isika satria tsy nanokana fotoana hamahàna azy ireny’].
Sokajy

Tantaran'ny Afrika Mainty farany
Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...