Côte d'Ivoire: Ireo Fanamby sy Fotoana Fanararaotan'ireo NTIC

Cote d’Ivoire le e-commerce et les défis de l’émergence -image extraite du blog aboukam.files.wordpress.com

Cote d’Ivoire, ny varotra anaty aterineto s'ireo fanambin'ny fipoirana -sary nalaina tao amin'ny bilaogy aboukam.files.wordpress.com

Misokatra ireo vodilanitra vaovao eo amin'ny sehatra maro ao Côte d'Ivoire, miaraka amin'ny fidirana haingan'ireo teknolojia vaovao an'ny fampahalalam-baovao sy ny fifandraisana (NTIC). Manazava izany ao anatin'ny lahatsoratra navoakany tao amin'ny bilaoginy aboukam.wordpress.com ny Ivoariana mpitoraka bilaogy,

…hatramin'ny 2012, tetikasa maro no natomboka ka isan'ireo lehibe indrindra amin'izany ny fametrahana ny fibra optika 7.000 km manerana ny firenena iray manontolo, ny fanorenana ivon-toerana fidirana amin'ny aterineto miisa 3 000 (na dia any amin'ireo toerana mitoka-monina aza) sy ny fanombohana ny tetikasa antsoina hoe :”ivorianina iray, solosaina iray”, izay mikasa ny hizara maimaimpoana solosaina miisa 500 000 ho an'ireo ivoariana.  Ankoatra ny fahavitrian'ny Fanjakana ivoariana, dia mametraka ny varotra anaty aterineto ho eo anivon'ny sehatra ara-toekarena ihany koa ny fanelezana ny fitaovana fampiasàna aterineto, ka manosika araka izany ny sehatra iray efa an-dàlam-pandrosoana.

Tao anatin'ny taona vitsivitsy, nahitana fitomboana betsaka teo amin'ny tsena ivoariana ny sehatra misy ireo TIC. Nahazoana volamaty mitentina 1000 Lavitrisa FCFA io sehatra io tamin'ny 2014, ary nitana ny 7% ka hatramin'ny 8% tamin'ny harin-karem-pirenena, araka ny nambaran'i Bruno KONE. Vokatry ny fivoaran'ny aterineto mandehandeha, izay vinaniana ho maherin'ny 7 tapitrisa ireo mpanjifa tanatin'ny telovolana voalohany tamin'ny taona 2015 araka ny voalazan'ny masoivoho misahana ny fampanarahan-dalàna ireo serasera (ARTCI), nahitàna fandrosoana goavana teo amin'ny tsena ivoarianina ireo orinasa ao amin'ny vondrona Afrique Internet Groupe (AIG) sahala amin'ny Kaymu sy Carmudi, izay misahana manokana ny sehatry ny varotra anaty aterineto ary nandefa fampiharana anaty finday entina hanamoràna ny fidirana amin'ireo tolotra toy ny fividianana zavatra anaty aterineto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.