Nogaomain'ny Thailandey mpanonta pirinty ny lahatsoratra amin'ny fonon-gazety International New York Times

(Havia) ny gazety International New York Times nivoaka araka ny tokony ho izy tamin'ny 1 desambra 2015. (Havanana) Io gazety io ihany namidy tany Thailandy. Sary sy pikantsary avy amin'ny Prachatai.
Lahatsoratra nasaim-panovana avy amin'ny Prachatai, tahalam-baovao mahaleotena iray ao Thailandy sy navoaka eto amin'ny Global Voices ity indray ho ao anatin'ny fifanarahana fifampizaram-botoaty
Nisy orinasam-pamoaham-baovao Thailandey iray nanaisotra avy tamin'ny pejy voalohany ny lahatsoratry ny International New York Times, lahatsoratra iray miresaka amin'ny endrika matroka ny toekarena Thailandey nandritra ny fitondrana miaramila.
Navelatry ny kiôska mpivaro-gazety tao Thailandy teny amin'ny talantalany ny gazety tamin'ny 1 Desambra 2015 tsy ahitana ny lahatsoratra teo afovoan'ny pejy voalohany.
Nasolo ny lohateny sy ny lahatsoratra ny zoro foana miaty ny hafatra tsotra manao hoe:
The article in this space was removed by our printer in Thailand. The International New York Times and its editorial staff had no role in its removal.
Nesorin'ny mpanota pirinty teto Thailandy ny lahatsoratra teto amin'ity toerana ity. Tsy misy idiran'ny International New York Times sy ny ekipam-panoratana ao aminy ny fanesorana azy.
Ny nanapahan'ny Thailandey mpanonta pirinty hoesorina dia ny lahatsoratra farany indrindra nosoratan'i Thomas Fuller mitondra ny lohateny hoe ‘Ny fanahy Thailandey mitolefika ao anaty toekarena’.
Nosoratan'i Fuller fa tamin'ity taona 2015 ity dia niakatra mihoatra ny 60 isanjato ny tahan'ny famonoan'olona tao Thailandy ary tsy narisika loatra ny fitozoana tao amin'ny toekarenan'ny Firenena faharoa lehibe indrindra ao Azia Atsimo atsinanana nandritra ny fotoana lava nisian'ny savorovoro politika tao amin'ny firenena sy ny fitondrana miaramila tarihin'ny Jeneraly Prayut Chan-o-cha, mpitarika ny fitondrana jadona miaramila, nanatontosa ny fanonganam-panjakana tamin'ny volana mey tamin'ny herintaona.
White space on front page of the NYT in Thailand: The local printer removed this article https://t.co/O9PlwN5jYT pic.twitter.com/FS0tTycoak
— Thomas Fuller (@thomasfullerNYT) December 1, 2015
Zoro fotsy amin'ny fonom-pejin'ny NYT ao Thailandy: Nesorin'ny mpanonta pirinty tao an-toerana ity lahatsoratra ity
Today's International The New York Times in Thailand (via @8td) #censorship pic.twitter.com/SJfygXrpV7
— ♥ Moui ♥ (@moui) December 1, 2015
Ny International The New York Times tao Thailandy androany
You won't find this article in the Thai edition > Thai Economy and Spirits Are Sagging https://t.co/PtNg48kDfs /@8td pic.twitter.com/71OhaIORe0
— Richard Barrow (@RichardBarrow) December 1, 2015
Tsy ho hitanao ao amin'ny edisiona Thailandey ity lahatsoratra ity > MItolefika ny toekarena sy ny fanahy Thailandey
Tamin'ny Septambra 2015 ity mpanonta pirinty ity ihany no nandà tsy hamoaka ny International New York Times nivoaka tamin'ny 22 septambra ahitana ny lahatsoratra nosoratan'ity mpanoratra ity ihany, tamin'ny filazana fa “saropady loatra” na ny lohateny na ny sary ahitana ireo mpiakanjo mavo mpanohana ny fitondrana mitondra ny sarintavan'ny mpanjaka.
Miresaka ny toe-pahasalaman'ny Mpanjaka Bhumibol, izay ho 88 taona amin'ity andron'ny 5 Desambra 2015 ity ny lahatsoratra, sy ny hoavin'ny fitondram-panjaka tokana Thailandey.
Fotoana fohy taorian'ity toe-draharaha ity dia nanambara ny New York Times fa tsy hivoaka any Thailandy intsony amin'ny 2016.
Tamin'ny herintaona ny manampahefana Thailandey nanakana ny tranonkalan'i Daily Mail, gazety mpanaitaitra miorina ao amin'ny Fanjakana Mitambatra, noho ny lahatsoratra miresaka ny satro-boninahitry ny printsin'i Thailandy. Mbola voasakana izany tranonkala izao hatramin'izao.
Voarara tanteraka ireo lahatsoratra mitsikera ny fitondram-panjaka tokana Thailandey ao amin'ity firenena ity noho ny Lalàna andininy faha-112 amin'ny ady heloka bevava — lalànan'ny lèse majesté — izay mitondra hatrany amin'ny fanagadrana maharitra 15 taona.
Taorian'ny fanonganam-panjakana dia ny fitsarana miaramila no mitantana ny lalànan'ny lèse majesté, ary tsy misy ny fahafahana mampakatra fitsarana ambony.
Aogositra 2015, namoaka didy hampiditra am-ponja hatramin'ny 30 taona an-tranomaizina ny lehilahy iray voampanga ho nanimba endrika ny fitondram-panjaka Thailandey ao amin'ny media sosialy ny fitsarana miaramila, fitsarana narahina tamin'ny fakandahatsary (tsy nisokatra tamin'ny besinimaro ary tsy azon'ny mpanao gazety nidirana). Io didy io no fanagadrana mavesatra indrindra fantatra hatramin'izay noho ny raharaha “lèse majesté”.
Fanina tanteraka ihany koa ny fahalalahan-gazety ao Thailandy ao anatin'ny fitondrana miaramila, izay manana fahefana hanonona ny Fizarana faha-44 amin'ny Lalampanorenana Vonjimaika, manome fahefana feno ny manampahefana hitazona ny fiarovam-pirenena, hampangina ny mpanao gazety sy hamotika ny fisintahana ara-politika.
Tamin'ny Septambra farany teo ny mpanao gazety iray malaza antsoina hoe Pravit Rojanaphruk no notazonin'ny miaramila tao amin'ny tobin-tafika iray ivelan'i Bangkok noho ny fanehoan-kevitra nataony tao amin'ny Twitter mitsikera ny fitondrana miaramila.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 7 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...