‘Ahoana no Inoantsika Hoe Tsy Anjarantsika Rahampitso?': Fahafahambaràka Amin'ny Fitorahana Ilay Tovovavy Afghana 19 Taona‘

Dikasary avy tamin'ny lahatsarin'ny RFE/RL mampiseho tovovavy kely toraham-bato mandra-pahafatiny
Fampitandremana: Misy sary mahatohina ito lahatsoratra ito
Ny faran'ny volana Oktobra, notorahana ka maty mihitsy ilay tovovavy Afghana 19 taona tany Firozkoh, renivohitry ny faritanin'i Ghor, taorian'ny niampangana azy ho nanitsakitsaka tokantrano. Misy lahatsary fohy, azon'ny Radio Free Europe, mampiseho ilay tovovavy fantatra ho i Rokhshana, nototorana tany hatreny amin'ny tendany ary mikiakiaka raha mitora-bato azy kosa ireo lehilahy amin'ny hirany manao hoe “Tsy misy Andriamanitra afatsy Allah.” (Lahatsary tena mampikorotan-tsaina)
“Noterena hanambady lehilahy antitra iray tsy araka ny sitrapony i Rokhshana, ary notoraham-bato izy taorian'ny nahatratrarana azy niara-nipetraka an-tsokosoko taminà lehilahy iray hafa tany amin'ny faritanin'i Ghor,” araka ny nambaran'ny lehiben'ny polisin'ny faritanin'i Ghor, Jeneraly Mustafa, tao amin'ny Tolo News, taorian'ny fitoraham-bato ny 25 Oktobra..
Nilaza ny Governoran'ny faritany, Seema Joyenda — iray amin'ireo roa hany vehivavy governora any Afghanistana — fa noteren'ny fianakavian'i Rokhshana izy na tsy araka ny sitrapony aza..
“Nosaziana tamin'ny sazy maivana tokoa ilay lehilahy niara-nipetraka an-tsokosoko taminy ary nivoaka tsy nisy naratra,” hoy izy. “Tsy voalohany amin'ny zava-nitranga ratsy tao amin'io faritra io izao ary tsy ho farany ihany koa.”
The stoning to death of 19 year old Afghan girl Rokhshana is a reminder of the old Afghan proverb “Women are made for homes or for graves”.
— Saif Rahman (@SaifRRahman) November 6, 2015
Mampahatsiahy ilay ohabolana tranainy amin-dry zareo Afghana manao hoe “Natao ho an'ny lehilahy na ny fasana ny vehivavy” ny nitorahana vato an'i Rokhshana, 19 taona, mandra-pahafatiny
Mohammad Zaman Azimi,tomponandraiki-panjakana iray eo an-toerana, nanameloka ny Taliban, izay mifehy ilay tanàna nisehoan'ilay tora-bato, noho io tranga io.
Gazety an-tsoratra iray eo an-toerana antsoina hoe 8am, nilaza fa avy taminà mpitondra fivavahana iray, Mullah Yosuf, ilay didy fitoraham-bato an'i Rokhshana, io mpitondra fivavahana io izay nangataka azy imbetsaka hanambady ny rahalahiny na nandà hatrany aza izy.
Abdul Hai Khatibi, mpitondra tenin'ny governoran'ny faritany, nilaza fa ilay fandàvan'i Rokhshana ny rahalahin'i Yosuf no antony mivantan'ilay fitoraham-bato.
Araka ny fikarohana natambatry ny 8am, tovovavy tsara tarehy i Rokhshana ary nianatra hatreo amin'ny taona fahaenina monja. Faharoa nitsoahany tao an-trano io noho ny fanerena azy hanaiky vady amboarina.
Ny voalohany, nitsoaka niaraka tamin'ny lehilahy tiany izy, i Muhammad Nabi, volana vitsy taorian'ny naneren'ny fianakaviany azy hanambady lehilahy iray manan-karena eo an-toerana.
Kanefa, tsy nanan-tsafidy afatsy ny niverina tany an-tanàna izy ireo taorian'ny nandrahonan'ny fianakaviam-badiny ny fianakavian'i Nabi ary nanao azy ireo ho takalon'aina. Fony izy niverina, tsy nieritreritra ny hanambady azy intsony ilay vadiny ary nanambady ny rahavavin'i Nabi indray teo amin'ny toerany.
Na izany aza anefa, nandràra an'i Rokhshana sy Nabi tsy hivady ireo zokiolona teo an-toerana.
Nitohy ny fotoana maizin'i Rokhshana. Nanome vola be ho an-drainy mba ho afaka hanambady azy ny lehilahy iray antitra 55 taona. Na nandà aza izy ary nampitandrina ny rainy fa handeha hitsoaka indray, nanaiky ny tolotra ilay rainy.
Nataony tokoa ilay fandrahonany, tamin'ity indray mitoraka ity nitsoaka niaraka tamin'i Gul Mohammad, zanaka lahin'ny lehilahy manam-pahefana teo amin'ny tanàna izy. Fony notorahana ho faty i Rokhshana, nosaziana hahazo kapoka karavasy in-100 monja i Mr. Gul ary naverina tany an-trano.
Nilaza ilay fitoraham-bato ho tsy foto-pisainana Silamo sy helohan'ny lalàna ny Filoha Ashraf Ghani, ary nandidy ny hisian'ny fanadihadiana lalina momba ilay zava-nitranga.

Fanambaran'ny filoha mampanao fanadihadiana momba ilay fitorahambato
Nanameloka ilay zava-doza nitranga ihany koa ireo parlemantera. Nilaza izao i Fawzia Koofi, mpisolotena avy tamin'ny Badakhshan, izay nanandrana nihazakazaka ny ho filoha, indrisy tsy lany, ny taona 2014: “Hatramin'ny niantombohan'ny governemanta vaovao, io no heloka bevava faharoa ratsy indrindra tamin'ny tantaran'ny olombelona.” Ny voalohandohan'ny volana Martsa, tovovavy iray — Farkhunda — nodarohana ho faty ary nodorana avy eo, nataon'ireo vahoaka feno hatezerana tany Kaboul — taorian'ny fiampangàna diso hoe nandoro ny Korano izy.
When you see #Rokhshana‘s stoning video, you hate yourself as a man, you hate yourself as a human being.
— Muhib Shadan (@muhibshadan) November 5, 2015
Rehefa mahita ny lahatsary fitoraham-bato an'i #Rokhshana ianao, mankahala tena amin'ny maha lehilahy anao ianao, mankahala tena amin'ny maha olona anao ianao
Nitondra taminà onjanà tsikera tao amin'ireo media sosialy ilay lahatsary maharitra roa minitra — izay mety hoe nalain'ny vavolombelona nanatri-maso tamin'ny findainy.
Nahatonga fankahalàna ireo mpanao politika tsy nihetsika tamin'ilay raharaha sy ireo mpitondra fivavahana mahery fihetsika ilay zava-nitranga.
Mpampiasa Facebook iray naneho hevitra teo ambanin'ilay lahatsary izay nanameloahn'ireo parliemantera ilay fitoraham-bato, hoe:
Ianareo mpanao politika tsy misy ilàna azy, miteny fotsiny foana. Henatra ho anareo rehetra.
Nifanandrify tamin'ny fahombiazan'i Maryam Monsef tamin'ny fifidianana parlemantera tany Kanadà ilay vaovao nahatsiravina nitoraham-bato an'i Rukhshana. Ramatoa Monsef, teraka tany Afghan, mpitsoa-ponenana, no Minisitra vaovaon'ny Andrimpanjakana Demokrâtika ao Kanadà, ao amin'ny kabinetran'ny Praminisitra Justin Trudueau ahitàna tanora sy karazan'olona maro.
Nampitaha ny fomba fiainan'ireo vehivavy Afghana roa ireo ny Afghana mpampiasa ny media sosialy mba hanaovana hetsi-panoherana amin'ilay filatsahana vaovaon'ny herisetra mifandray amin'ny maha lehilahy sy maha vehivavy ao anatin'ny vanimpotoana taorian'ny fitondràn'ny Taliban.

Rokhshana (nozarazaraina be)

vehivavy Kaboul nanao hetsi-panoherana manohitra ny nahafatesan'i Rokhshana.
Vehivavy maro mpikatroka mafàna fo, nitsangana mba hitaky ny rariny ho an'i Rokhshana. Ny 6 Novambra, namoaka fanambaràna izy ireo nitakiany ny governemanta mba hanao fanadihadiana matotra, hamantatra ireo nandidy ilay fitoraham-bato.
Maro anefa ny mahita io hetsika io ho tsy misy vokany.
Nahatonga ireo vehivavy Afghana maro hanahy ireo trangan'i Farkhunda sy i Rokhshana raha toa ny fiainan'izy ireo, ankoatry ny fahalalahana, ka ho tsara antoka ao Afghanistana, .
This girl #Rokhshana was stonned in #Afghanistan. How can we believe tommorow is not our turn? pic.twitter.com/a6R4hbJULN
— Estagidia (@SmyAmazon) November 5, 2015
Notoraham-bato tao #Afghanistana ilay tovovavy #Rokhshana. Ahoana no Inoantsika Hoe Tsy Anjarantsika Rahampitso?
Naneho hevitra tamin'io ny mpampiasa Facebook iray:
Ahoana eto an-tany no hisy olona sahy haka vato ka hitoraka izany any amin'ny vehivavy efa ho tototry ny tany? Ahoana no ahafahanao miaina aorian'ny nanaovanao izany?
Tsy misy didy ho an'ny fitoraham-bato ny lalàna Afghana momba ny heloka bevava. Kanefa, ny taona 2013, niezaka ny nanao io ho azo ekena ireo mpitondra fivavahana mahery fihetsika sasany ao amin'ny antenimiera ambany.
Soa fa nanam-bitana ireo vehivavy Afghana, nanery ny Filoha Hamid Karzai handà io tolo-dalàna io ny fanerena maneran-tany, ka nanolo azy io tamin'ny ‘fitazonana mitohy’ ho fanasaziana ny fanitsakitsahana tokantrano.
Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...