Fantaro Ao Anaty Lahatsary Ilay Tovolahy Meksikana Manohitra Ny Transphobia (Fankahalana Olona Nanova Taovam-pananahana)

Screen Shot 2015-10-01 at 12.29.19 PM

Pikantsary tamin'ny lahatsarin'i Christopher Juárez Reyes, tanora Meksikana nandrakitra ny fizotran'ny fanovana ny maha-lehilahy azy tao amin'ny YouTube.

Hello, I'm Christopher… And I'm transgender. I'm making this video so I can share my life with you, and my transition and the changes to my body that are going to happen very soon…”

 Miarahaba, Christopher no anarako … Nanova ny taova-pananahako aho; Nanatontosa ity lahatsary ity aho mba ahafahako mizara ny fiainako aminareo, sy ny fanovana ary ny fiovana amin'ny vatako izay hitranga tsy ho ela … “


Tamin'izany teny izany no nanombohan'i Christopher Juárez Reyes, tovolahy avy any Xalapa, Veracruz ny lahatsariny voalohany tao amin'ny YouTube, izay ahitana andian-dahatsary momba ny dingana fanovana ny taovam-pananahany. Tao amin'ny lahatsary, mamaly ireo ahiahy amin'izany fanovana taovam-pananahana izany ihany koa i Reyes ary mizara vaovao momba ny zon'ny fiarahamonina lesbiana, pelaka, sady lahy no vavy, ary mpanova taovam-pananahana.

Amin'ny lafiny haiaina dia vehivavy i Christopher tamin'izy teraka, saingy lehilahy ny fahitana azy. Voan'ny fibarareokam-peo (dysphoria) izy ary nanapa-kevitra hiaritra fikarakarana ara-pitsaboana sy fandidiana izy mba hampifanaraka ny taovam-pananahany amin'ny maha-lahy azy. Nanomboka tamin'ny volana Febroary 2014 izany dingana izany, namoakaa lahatsary 85 tao amin'ny fantsona YouTube-ny izy tamin'izany, izay efa nahasarika mpisoratra anarana 9000 sy mpijery mihoatra ny 626.000.

Miresaka ny zava-drehetra miainga amin'ny fampidirana ny risikaina [rkb vitasoa] (hormonina) ka hatrany amin'ny fahasitranana tamin'ny fandidiana ny nono ny lahatsarin'i Christopher. Nizara torohevitra momba ny fahasalamana sy ny fizahana ara-pahasalamana izy, niresaka antontan-taratasy ilaina amin'ny fanovana taovam-pananahana, namariparitra ny filazany tamin'ny ray aman-dreniny ny  fiovam-pitaovam-pananahany, ary nanazava ny fomba fanovan'ny olona ny mari-panondroana azy amin'ny fomba ofisialy, ary nanolotra toro-hevitra sy fomba fijery maro hafa mikasika ity dingana ity.

Nolazain'i Christopher fa natokana ho amin'ny resaka fiovana taovam-pananahana ny lahatsary, manoro hevitra ihany koa izy mba hampifangaroana ny zavatra. Ao amin'ny lahatsariny “Aza Manary Tena Amin'ny fanovana taovampananahana!”, manasa ny mpijery izy mba ahatsiaro fa ny fironana ara-pananahana sy ny maha lahy sy vavy dia zavatra roa fotsiny ihany mahatonga ny olona hanontany hoe iza moa izy ireo, manasongadina fa fa samy tsy mamaritra ny olona izy ireo:

Yes, I'm Christopher, the guy who makes videos on YouTube about transsexuality, but I'm not just the transgender guy… I'm so much more, and I know that you're so much more too.”

Eny, izaho no Christopher, ilay lehilahy nanatontosa lahatsary momba fiovana taovam-pananahana tao amin'ny Youtube, fa tsy hoe nanova taovam-pananahana ihany aho…fa mihoatra noho izany, ary fantatro fa mihoatra noho izany ihany koa ianao.”

Nahazoany mpanjohy marobe izay mampahery azy hatrany, misaotra sy mankasitraka ny herim-pony ny hafanam-po, ny fahatsorana sy ny hatsaram-panahin'i Christopher.

Nilaza i Christopher fa tsy noho ny laza no nanaovany izany, na dia efa naneho ny alahelony aza izy fa tsy nahavita nisolo tena ny vondrom-piarahamonina nanova taovam-pananahana ny kolontsaina malaza:

…Don't forget us, don't put us to one side, we exist, we have rights and we have problems (hahaha)…

If you, the viewer, are a writer, or an artist or something in which you can express yourself, I invite you to write, to do something, to speak up, because we have to surround people with this. They often don't use the right terms to refer to us, and it's within us. So please let's do something. I feel like I'm doing something with these videos, and I hope that I'm doing something so that people more or less understand what this is, and I expect the same from you.

I've already seen lots of people uploading more videos about their changes and it makes me feel great; that's what I wanted. That's what I'm trying to do with these videos: to let people know, because when I found myself in this situation I either didn't find anything or I found little bits in English, and how much better would it be if they were in Spanish.”

  … Aza adinoina izahay, aza ailika izahay, misy izahay, manan-jo izahay ary manana olana (hahaha) …

Ianareo mpijery, raha mpanoratra, na mpanakanto na zavatra afaka maneho hevitra ianareo, manasa anareo aho mba hanoratra, hanao zavatra, hiloa-bava, satria tokony hannakaiky ny olona miaina izany (transsexuelité izany) isika. Matetika izy ireo tsy mampiasa voambolana tena izy mba hilazana anay, ary ao anatinay izany. Koa manaova zavatra azafady. Mahatsiaro toa manao zavatra amin'ity lahatsary ity aho, ary manantena aho fa manao zavatra mba ahatakaran'ny olona betsaka kokoa na kely kokoa momba izany, ary manantena aho fa tahaka izany ihany koa ianao.

Efa nahita olona maro nampiakatra lahatsary momba ny fiovan'izy ireo aho ary mahatonga ahy ahatsiaro maivamaivana izany; izany no tiako. Izany no ezahiko atao amin'ireto lahatsary ireto: mba ahafantaran'ny olona satria rehefa ao anatin'izany toe-javatra izany ny tenako, dia na tsy nahita na inona na inona na nahita kely amin'ny teny Anglisy, ary mety ho tsara kokoa izany raha amin'ny teny Espaniola.

Hoy izy namehy:

We're all equal, we're all human beings and I hope that I can help in some way.”

Mitovy avokoa isika rehetra, olombelona avokoa isika rehetra ary manantena aho fa afaka manampy araka izay vitako.

Mihoatra noho ny tetikasan'ny tenany manokana ny lahatsarin'i Christopher, ary eo anivon'ity toe-java-mahagaga iray mihoatra noho ny olona rehetra ity tovolahy ity ankehitriny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.