Tora-bato Miverina: Maninona No Mety Hanatevina Laharana Ny ISIS Ny Lehiben'ny Hery Manokana Ao Tadjikistan ?

Halimov ao anatin'ilay rakitsary. Nosintonina avy amin'ny lahatsary izay nofafàna taty aoriana.
Ao Tajikistan faritra Sovietika fahiny, toerana izay ny horohoro sy ny tahotra ny fivavahana mahery fihetsika no nanampy hanamarina ireo famoretana tafahoatra ny fampiharana ny finoana Silamo, tohina ny olona nandre hoe toa lasa nanatevina laharana ny vondrona henjam-pihetsika ISIS ilay lehiben'ny hery manokan'ny polisy malaza nofanina hiady amin'ny mpampihorohoro.
Ambaran'ny manampahefana ao amin'ny governemanta fa manakaiky ny 400 ireo teratany Tajik no lasa miady miaraka amin'ny ISIS, rantsana iray an'ny Al Qaeda izay tonga hifehy ny ampahany midadasika amin'i Irak sy Siria tamin'ny fampiasana tetikady feno habibiana, famoretana ary herisetra.
Tao anaty lahatsary iray navoaka tamin'ny 27 May lasa teo, nilaza ho niala an-daharana mba handeha hanatevina ilay vondrona i Gulmurod Halimov, 40 taona, ho fanoherany ny politikan'ny Ministeran'ny Atitany Tajik, izay tsy mamela ny vahoaka hivavaka sy hitafy ny voaly Silamo” ao anatin'ilay firenena ao Azia Afovoany izay ny Miozolmana no betsaka indrindra.
Ho fanampin'ny fiantsoany ny filoham-pirenena sy ny minisitry ny atitany ho toy ny alika ary ny fanomezany toky ‘hiverina handrasarasa [ny governemanta]”, milaza i Halimov fa sady niofana tany Rosia no tany Etazonia, izay soritany ho firenena tsy mpino amin'ny kina mivaivay nataony.
Nakarina ho amin'ny laharan'ny Komandy noho ny asa niavaka vitany tao anatin'ny telo taona lasa, matahotra ankehitriny ny sasany hoe ilay fisehoany miparitaka be, ravahan'ny fitifirany voatabia iray taminà basin'ny mpitily, dia mety hahatonga azy ho filamatr'ireo Tajik handeha ho mpiadin'ny ISIS amin'ny hoavy.
Ato ho ato , andrasana hamoaka fanambaràna feno momba ny fitsoahana an-daharan'i Halimov ny governemanta Tajik ary hanakana ireo media sôsialy nizaràna ilay lahatsary tamin'ny 28 May, hatramin'ny Asia Plus, ilay masoivohom-baovao Tajik izay nandrakotra voalohany ity tantara ity.
Edward Lemon, mpikaroka avy amin'ny Anjerimanontolon'i Exeter mikaroka momba ireo Tajik mpiady any Siria sy Iràka dia nibitsika hoe :
This is the most well-made film of a Tajik IS fighter. Unsurprisingly, they have quickly used Halimov for recruitment purposes
— Edward Lemon (@EdwardLemon3) 28 мая 2015
Io no lahatsary tsara indrindra novokarin'ny tena manokana nataon'ny Tajik iray mpiadin'ny IS . Tsy nahagaga, nampiasain-dry zareo malaky i Halimov ho amin'ny tanjona fandraisana olona
‘Avy any amin'ny faritany misy ny ISIS no handefa hafatra ireo Minisitra’
Ao Tajikistan, nanameloka ilay Komandy daholo ny mpamaky.
Aziz nanoratra taorian'ilay lahatsoratry ny masoivohom-baovao Asia Plus ao an-toerana , hoe:
Ну и дурак он. Таких дураков,разумеется, среди нас немало, но беда в том что одного из них руководство МВД назначило на такую высокую ответственную должность – командира ОМОН.
Adala i lery. Manana vitsivitsy amin'ny olona adala toy ireny isika, mazava loatra, saingy notendren'ny Ministeran'ny Atitany ho amin'ny toerana ambony ny iray tamin'izy ireny – ho komadin'ny OMON [rantsana manokan'ny polisy].
Betsaka amin'izy ireny no nanatsiny ny politikan'ny governemanta ho fototry ny olana amin'ny antso ataon'ny ISIS amin'ireo Tajik sasantsasany.
Olona mpaneho hevitra tao amin'ny Asia-Plus, antsoina hoe FG, namaly an'ireo rehetra nanameloka an'i Halimov:
Господа комментаторы не будьте лицемерами. Причина такого поступка он сам сказал. Когда весь силовой блок страны снимают порнографичекий фильмы в целях очернения, унижения чести и достойнство человека. Воют против 1000 летней истории своей страны, указывают кому как одеваться, куда ходить, что кушать, что делать, кому поклянятся и тд. То естественно любой человек хочет выйти из такой тюрьмы любым путем. Причина элементарно, антиконститутционые деяния государственного аппарата.
Ho anareo mpaneho hevitra, aza mihatsara ivelantsihy. Nilaza ny anton'ny fihetsika nataony izy [mantsy an'i Halimov] …Niady nanohitra ny tantara efa an'1000 taona niainan'ny firenena [ny governemanta], niteny tamin'ny vahoaka ny fomba tokony ho fitafy, ny toerana tokony haleha, ny zavatra tokony hohanina, ny tokony hatao, ny tokony hiankohofana, sy ny maro hafa. Araka izany, voajanahary raha toa manao izay fomba rehetra hivoahana amin'izany fonja izany ny tsirairay. Tsotra fotsiny ny antony: ny fihetsika mifanohitra amin'ny lalàm-panorenana ataon'ny governemanta.
Izzat Amon, Tajik mpiaro ny zon'ny mpifindramonina, koa dia nilaza fa ilay lazaina ho fanatevenana laharana ny ISIS nataon'i Halimov dia vokatra nateraky ny politikan'ny fitondrana Tajik.
Nanoratra izy ao amin'ny pejiny Facebook hoe :
Я не оправдываю поступок полковника ОМОНа, но я его понимаю. Когда в стране процветает коррупция, местничество, непотизм и врет каждый кому не лень, то иного выбора не остается. Это и есть результат 25 летней политики правящей группы. Если так продолжится то скоро и министры выступят с видеообращением находясь на территории ИГ. Боритесь и дальше господа военные чиновники с хиджабом, бородой, азаном и другими исламскими атрибутами. Но это непременно обернется вам бумерангом.
Tsy manamarina ireo fihetsiky ny komandin'ny OMON aho, fa mahatakatra kosa ny zavatra tsapany. Rehefa kolikoly, fampisaraham-bazana, ary kiantranoantrano no misoko eto amin'ny firenena ary mandainga daholo ny olona, avy eo tsy safidy hafa intsony. Io no vokatry ny politikan'ny vondron'ny mpitondra tato anatin'ny 25 taona farany. Raha mitohy amin'izao io, dia na ireo minisitra aza ho avy any amin'ny faritra misy ny ISIS no handefa hafatra. Ry manampahefana malala isany, tohizo ny adinareo manohitra ny hijab, ny volombava, ny Azan [antso hivavaka] ary ireo fomba Silamo hafa. Saingy azo antoka fa hisampontina hiverina aminareo toy ny tora-bato miverina izany.
Rahmatillo Zoirov, mpitarika ny antoko Sosialy Demaokraty ao Tajikistan, iray amin'ireo antoko mpanohitra vitsy ao amin'ny firenena, niteny tamin'ny Asia Plus fa ireo fanendrena vondrona madinika manodidina ny filoha no mety ho iray amin'ny antony nandaozan'i Halimov ny asany, ny vadiny ary ny zanany valo ka nandehanany nanatevina ny ISIS.
Zoirov nanamarika hoe :
… Клановая кадровая политика, особенно в правоохранительной сфере и судебной системе, это мощный фактор дезориентации служащих не из клана, которые вынуждены делать соответствующие выводы… В основном многие просто увольняются, не видя для себя перспективы роста и продвижения по карьере.
Ny politikan'ny akamakama, indrindra eo amin'ny sehatry ny fampanjakàna ny lalàna sy ny rafi-pitsaràna, no tena antony mavesatra amin'ny fahakiviana manjo ireo mpiasa tsy ao anatin'ireny vondrona madinika ireny, izay avy eo mila maka tsoakevitra mifandraka amin'izany… Amin'ny ankapobeny, marobe no mametra-pialàna fotsiny izao noho ny tsy fahitàny mangirana amin'izay ho fisondrotana na fandrosoana amin'ny asany.
Nobahanan'i Tajikistan ireo loharanom-baovao rehetra ety anaty aterineto mifandray amin'ny ISIS teo aloha, voamarika indrindra amin'izany rehefa injay marobe ao amin'ny YouTube ireo olom-pirenena mandefa lahatsary misy azy ireo mandoro ny pasipaoro Tajik ary manao tokim-panompoana amin'ilay vondrona. Ezaka tahaka izany hifehezana ny ara-pinoana amin'ny alàlan'ny fandraràna ny fiharàtana sy ny fisalobonana, kanefa, hatreto tsy nitondra ho aminà fahazoana vokatra nahomby ireo fibahànana.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...