
Miomana handany ny alina voalohany ao Mangahurco, Ekoatera, ao anatin'ny ala Guayacan mamony mavo ny mpizahatany. Saripika nampindramin'i Flickr Amalavida.tv., lisansa Creative Commons.
Amin'ny faran'ny volana Janoary no mamony ny hazo Guayacan ao amin'ny faritr'i Ekoatera. Midika izany fa tonga ny lohataona, ary olona an'arivony maro no mivory hijery ny fizotran'izany fampisehoana izany.
Ny faritanin'i Loja dia ahitana ala maina mihoatra ny 40.000 hekitara amin'ny manamorona ny paroasin'i Cazederos, Bolaspamba, ary Mangahurco ao amin'ny distrikan'i Zapotillo miorina atsimon'i Ekoatera. Eo amin'io faritra midadasika io ianao no afa-mijery ny zava-mahatalanjona ataon'ny hazo Guayacan avy amin'ny loko mavo manify sy mora simba mandravaka ny endritany.
Nizara lahatsarin'ireo hazo tamin'ny sehatra an-tserasera ny Minisiteran'ny Fizahantany, tamin'ny fampiasana ny diezy #GuayacanesEcE sy #Mangahurco:
Nosiahan'ny kaonty Twitter an'ny governemanta, @TurismoEc, ihany koa ny antontanisa mahavalalanin'ny isan'ny olona nanaraka mivantana an-dahatsary taty amin'ny aterineto ny fivoarana nataon'ny hazo Guayacan tamin'ny taona 2014:
Cerca de 23.000 personas a escala mundial siguieron la transmisión florecimiento #GuayacanesEc http://t.co/MfJZZMWPMQ #RCConsejoProduccion — Turismo Ecuador (@TurismoEc) marzo 27, 2014
Manakaiky ny 23.000 ny isan'ny olona manerantany nanaraka akaiky ny #GuayacanesEC namelana
Maro ny olona nizara sary sy naneho hevitra tamin'ny alalan'ny diezy #GuayacanesEc. Ny mpisera WToledo nampîseho ny fitiavany ilay fahadihadiana momba ny Guayacan ary nisioka tamin'ilay diezy ihany koa.
Muy buen reportaje @TurismoEc #GuayacanesEc @EcuadorTravel Loja-Zapotillo-Mangaurco pic.twitter.com/JKZ3RnHeKh — WToledoQ (@wtoledo2011) marzo 16, 2014
Angona tena nahafinaritra @TurismoEc #GuayacanesEC @EcuadorTravel Loja-Zapotillo-Mangaurco
Mandritra izany fotoana izany i Susana Pazmiño nizara sarim-pianakaviana avy ao Mangahurco:
Jorge Enrique y José Salvador en Mangahurco viviendo el Florecimiento de los #GuayacanesEc pic.twitter.com/fgppLAm7Yy — Susana Salas Pazmiño (@susanasalaspaz) marzo 15, 2014
Jorge Enrique sy José Salvador tao Mangahurco nijery ny famelan'ny #GuayacanesEc
Mpisera Twitter Pipe nilaza fa tsy hay adinoina ny fitsidihana nataony :
Nunca olvidaré la experiencia del Florercimiento de los #GuayacanesEc #retodeldia pic.twitter.com/dsY5eeFczQ — (Pipe) (@viperbro) marzo 14, 2014
Tsy hohadinoiko mandrakizay ny nahitako ny famelan'ny #GuayacanesEc #retodeldia
Tsy voafaritra akaiky ny fanombohana sy ny fiarafaran'ny famonin'ny hazo Guayacann saingy noheverina haharitra hatramin'ny voalohany ny volana febroary izany amin'ity taona ity.
Efa manenika ny media sosialy sahady ny hafatra avy amin'ireo olona efa any an-kianja. Carlos Jumbo nanafotra ny Twitter-ny tamin'ny diezy mifanaraka amin'izany :
#Loja #Zapotillo #Guayacanes #Turismo #Próximos😉 (Y) http://t.co/zgN5XM7Wwj
— CARLOS JUMBO L. (@carlosjumboLoja) enero 5, 2015
[Efa tsy hita intsony ny sary]
Ny gazety an-tserasera Machala Movil nanasa ny olona hameno ny valiziny ary hitsidika ny faritra atsimon'i Ekoatera, hijery ny fiovan'endriky ny hazo.
#Loja | Con el inicio del invierno se observa el florecimiento de los #Guayacanes. ¡Aliste sus maletas! #Turismo. pic.twitter.com/naB35rVGln
— Machala Movil (@MachalaMovil) enero 8, 2015
#Loja | Amin'ny fanombohan'ny ririnina ianareo no afa-mijery ny famonin'ny #Guayacanes. Omany ny valizinareo! #Turismo. [Fizahantany]
Afa-nandrakitra ny hatsaran'endriky ny Guayacanes tao anaty sary i Ricardo Medina ka nandefa izany an-tserasera :
“@MaryuryVegaH: #Loja #Guayacanes Deslumbrante matiz colores y belleza natural anuncian primavera #Ecuador #Turismo pic.twitter.com/qWgfffDhji” — Ricardo Medina O. (@ricardomedinao) enero 8, 2015
Loko mamirapiratra sy hatsaran-tarehy voajanahary manambara fa tonga ny lohataona #Ecuador #Turismo
Ao anatin'ny fandaharam-potoana omanin'ny mponina sy ny manampahefana ihany koa ireo hetsika fanampiny atolotra ny mpitsidika mba hitazatazana ny endritany ao an-toerana, ka anatin'izany ny fitarihana handehandeha an-tongotran am-bisikileta, an-tsoavaly, fitsidihana ireo hosodoko an-drindrina; foaran'ny asan-tanana, ary ny mety hambolenao na hanaovana fanohanana ny hazo Guayacan avy aminao.