
Sary avy amin'ny mpampiasa Flickr Stewart Butterfield. CC BY-NC-ND 2.0
Mifanehatra amin'ny olan'ny lamàtra mena izay efa ho lany taranaka amin'izao fotoana izao ny sakafo japoney araka ny filazan'ny Fikambanana Iraisam-pirenena Miaro ny Zava-boahary (IUCN). Teo aloha, isan'ireo sokajy tsy dia natahorana ho lany ringana ny lamàtra mena ao Pasifika .
Vao haingana no nosokajian'ny IUCN, miorina any Soisa, ho ao anatin'ny lisitra menan’ ireo karazana atahorana ho lany taranaka ny lamàtra menan'i Pasifika. Hatairana no nandraisan'ireo japoney sasany mpisera amin'ny aterineto ilay fanambarana sy izay mety ho atao amin'ireo tahirin-trondro hafa.
太平洋クロマグロ、絶滅危惧種に…国際自然保護連合のレッドリ… http://t.co/tGOuk22VxJ #まとめ pic.twitter.com/gknkkzaUXU
— 相沢 彩華 (@gbx9bwyv01gy1p) November 18, 2014
Atahorana ho lany taranaka ny karazana lamàtra menan'i Pasifika amin'izao fotoana izao ary efa ao anaty lisitra menan'ny IUCN.
Mpisera hafa amin'ny Twitter nitatitra hoe :
絶滅危惧種:太平洋クロマグロを指定 IUCN http://t.co/ZuirAwncag “カラスフグは乱獲により過去40年で99.99%減った” ウナギ・マグロ・ニシンあたりは聞いてたけどふぐもかよ!ほんと資源管理って概念がないんだな
— Kelly@戦うヒロインゲー紅蜘蛛頒布中 (@kera_ma_go) November 18, 2014
Karazana atahorana ho lany taranaka ny lamàtra menan'i Pasifika araka ny filazan'ny IUCN (http://t.co/ZuirAwncag), tahaka izany ihany koa ny karazana botàna manjelatra (Takifugu chinensis) izay nihena 99,99 isanjato nandritra ny 40 taona lasa. Efa reko ny amin'ny amalona, ny lamàtra mena ary ny ‘hareng’ , nefa ankehitriny ny botàna ? Ohatra ny hoe tsy eritreretina ny fitantànana (maharitra) ny harena.
Ny antony mahatonga ny lamàtran'i Pasifika ho amin'izao toerana izao, araka ny filazan'ny IUCN ? Ny fanjonoana azy be loatra. Manodidina ny 70 isanjaton'ny lamàtra jonoina manerana izao tontolo izao no lamàtran'i Pasifika. Trondro madinika ( kely latsaky ny telo taona izay tsy mbola afaka hanarànaka) ny 97 isanjaton'ny jono lamàtran'i Pasifika.
Nanao fanadihadiana momba ilay vaovao i Sumio Horikawa mpikaroka momba ny jono :
IUCNのマグログループの議長のBruce Collette氏は「(主に日本が漁獲している)中西部太平洋で、稚魚の漁獲削減を含む漁業管理をしないと、短期的な資源状態の回復は望めない」とコメントをしているが、同感です。 http://t.co/sVSBHZopGp
— 勝川 俊雄 (@katukawa) November 17, 2014
Bruce Collete, lehiben'ny vondrona momba ny lamàtra mena ao amin'ny IUCN dia nilaza fa raha toa tsy ahena ny fanjonoana ataon'ny [Japoney] any amin'ny faritra andrefan'i Pasifika indrindra ireo trondro mbola tanora, afaka fotoana fohy dia tsy ho avotra ireo tahirinà lamàtra menan'i Pasifika. Manaiky io tombana aho.
Raha toa ka ny ampahefatry ny lamàtra jonoina maneran-tany no jifain'i Japana, ny lamàtra mena kosa no tena alain'ny indostrian'ny jono ho an'ny tsenan'ny Sushi sy ny sashimi manerana an'i Azia Atsinanana.
Hatramin'ny naha-be dia be ny lamàtra mena kely tsy mbola afaka ny hanome taranaka voajono tany Pasifika, dia novinavinaina ho tafidina 19 ka hatramin'ny 33 isanjato ny habetsahany nandritra ny 22 taona farany teo.
Iray amin'ny trondro be mpitady any Japana ny lamàtra mena. Na dia eo aza ny tsindry atao amin'ny tahiry maneran-tany, dia mbola betsaka ihany ireo trondro hita amin'izao fotoana izao, ary tsy any amin'ny toeram-pisakafoanana mihaja ihany.
800円でこの迫力!FIREBIRDの激安グルメ「マグロ盛り過ぎ丼」がヤバい▶http://t.co/SSqZlOMuOC pic.twitter.com/MmE9WwObNY
— Spotlight公式(スポットライト) (@misterspotlight) November 16, 2014
Jereo ny fihenam-bidy azonao amin'ny 800 JPY (8 dolara amerikana). Tena mora ny FIREBIRD, sakafo manokana amin'ny lamàtra mena, ary lafatra kokoa ny vary donburi anaty tsatokaty miaraka amin'ny lamàtra.
- Spotlight LLC (@misterspotlight)
Nanjary foto-tsakafon'ny olona ny lamàtra mena taorian'ny ady lehibe faharoa, rehefa nisy ny hetsika maro natao nitadiavana sakafo ho an'ireo vahoaka noana. Efa raiki-tampisaka tantenraka ao amin'ny hainahandro japoney ny trondro :
今日は静岡の潮見坂道の駅に来ています。 やっぱり海は良い! マグロの串焼きが売っていたので食べました。 マグロのお頭焼きヤバイ!笑 In Shiomisaka/Shizuoka I ate a tuna grilled pic.twitter.com/wZzBPI44XA
— ToMo (@dear3ToMo) November 16, 2014
Nandeha tany amin'ny tora-pasika tany Shiomisaka, Shizuoka izahay. Marina fa toerana tsara tsy hay lalovam-potsiny ny ranomasina! Nihinana masikitanà lamàtra mena izahay, ary nitono lohanà lamàtra iray manontolo.LOL.
Any Kesennuma, fiadidian'i Miyagi, no fitodian'ny ankamaroan'ny lakana mpanjono lamàtra amin'ny haran-jono. Tanàna kely mitoka-monina any amoron'i Pasifika izay ravan'ny horohorontany sy ny ‘tsunami’ tamin'ny 2011 i Kesennuma. Ao anatin'ny ezaka ho famelomana indray ilay tanàna rava dia nosesehan'ny fitondrana foibe vola ny indostria momba ny jono any Kesennuma, ary mivelona indray mivarotra trondro ho an'ireo mpanjifa izay mila trondro tsy niloak'andro ilay tanàna, ary tsy ny lamàtra mena ihany :
気仙沼生メカジキが美味しい季節!通販で!気仙沼は三陸のブランド!東北ではこのメカジキ刺身はマグロ以上のご馳走!癖も無く脂のって旨い!画像通りの物を気仙沼Aランクを直送します。是非ご覧下さいhttp://t.co/92CEvHsk91 pic.twitter.com/w9xLzEnJTm
— 東北うまいもの市場 (@tohoku_u_ichiba) November 16, 2014
Fotoanan'ny ‘espadon’ matsiro avy any Kesennuma sy morontsirak'i Sanriku indray izao, ary azo vidiana amin'ny aterineto. Be mpitady kokoa noho ny làmatra mena ny ‘espadon’ sashimi any Tohoku. Matsiro ilay nofo misy taviny. Tahaka ny eo amin'ny sary, alefa avy hatrany any aminao ny ‘espadon’-n'i Kesennuma sokajy A!
Trondro mpihaza lehibe izay mitarazoka amin'ny fananahana ny lamàtra sy ny ‘espadon’ ary mazàna miriaria eran'ny tontolon'ny ranomasina amin'ny fitadiavana sakafo sy toerana hanatodizana. Ny làlany amin'ny firiariavany any afovoan-dranomasina no mampananosarotra ny fifehezana ity karazan-trondro ity.
Ny lamàtra mena avy any atsimo, tsy mitovy amin'ny karazana lamàtra mena izay manaranaka any amin'ny ranomasimbe Indiana, dia voasokajy amin'ireo karazana tena atahorana ho lany tamingana ao amin'ny lisitra menan'ireo karazana tandindonin-doza nataon'ny IUCN, ary manodidina ny 80 isanjaton'ny habetsahany ara-tantara ny fanjonoana azy amin'izao fotoana izao.
Vaovao iray tsaratsara kokoa, eo an-dàlam-piverenana ny lamàtra menan'i Atlantika taorian'ny faharavàna am-polo taona izay tonga hatramin'ny fihenan'ny isan'ny trondro jonoina. Efa ho avo roa henin'ny tamin'ny taona 1950 ny habetsaky ny tahirinà lamàtra mena miriaria ao Atlantika Atsinanana sy Mediteranea tamin'ny 2013, araky ny vinavinan'ny ICCAT. Noho izany, nampitomboin'ireo firenena sasany ny isan'ny lamàtra mena jonoiny tany Atlantika tamin'ny Novambra 2014, hetsika izay mampifanolana.