
Lapam-Paritanin'i Cebu [Provincial Capitol Building], tanànan'i Cebu, toerana hanaovana ny zaikabe Global Voices 2015. avy amin'ny Wikimedia Commons. Saripikan'i Allan Jay Quesada.
Ny lohahevitra amin'ity zaikabe 2015 ity dia mitondra ny lohateny hoe “The Open Internet: Local Perspectives, Global Rights.” [Ny Aterineto Misokatra: Fijery isam-paritra, Zo Manerantany] Hivory ao amin'ny Lapam-Paritanin'i Cebu, Philippines ny mpandray anjara avy amin'ny firenena mihoatra ny 70 amin'ny 24-25 Janoary 2015 ho avy izao handalina ny fifandraisan'ny aterineto misokatra, ny fahafahana miteny ary ny hetsika mahaolompirenena an-tserasera manerantany.
Hatramin'ny 2006 ny Zaikaben'ny Global Voices no nitondra miaraka ireo mpikatroka an-tserasera mahavita zava-baovao sy manome aingam-panahy indrindra sy ireo vondrom-piarahamonin'olontsotra tia mampita vaovao manerana izao tontolo izao. Mampisy finamanana vaovao ireny fihaonana ireo ary taniketsan'ny hevitra sy fiarahamiasa manavatsava sisintany maro. Ary ahitana fotoana hatrany ny sakafo mafilotra, ny fiaraha-mitsangatsangana, ny kolontsaina ary ny fiaraha-mifety.
Fantaro bebe kokoa ny momba ny lanonana, ary misorata anarana ato handraisana anjara amin'ity Zaikaben'ny tsingerintaona fahafolo mamientanentana ity.
Manantena ny hahita anao ao an-tanànan'i Cebu amin'ny Janoary!
Tontosa izao Zaikaben'ny Median'Olontsotra Global Voices 2015 noho ny fanohanana avy amin'ny fahalalahan-tanan'ny Ford Foundation, MacArthur Foundation, Google, Open Society Foundations, Knight Foundation, Yahoo!, ny fanentanana Web We Want, Making All Voices Count, ary ny Philippine Centre for Investigative Journalism.