Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tselatra Namono Wiwa 11 Tao Kolombia

Pueblo Indígena en la Sierra Nevada por el Usuario  Sailing Nomad en FLickr bajo LIcencia CC by 2.0

Tanàna kely indizeny ao Sierra Nevada, sary avy amin'ilay mpisera Flickr, Sailing Nomad (CC by 2.0).

Olona Wiwa teo amin'ny am-polony teo no namoy ny ainy raha namely an'i Sierra Nevada any Santa Marta ny tselatra tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity, tamin'ny 6 Oktobra 2014. Am-polony ihany koa ireo naratra. Naneho hevitra ahitana firaisankina sy fanehoan-kevitra politika mikasika ity loza ity ireo mpisera Twitter.

Nahatsiaro i Karina Beatriz fa avy be ny orana ny alin'ny 6 Oktobra, ary naneho fampiononana noho ireo aina nafoy izy:

Etsy andaniny, ny SuperGirlDidi dia nanararaotra nanesoeso ny filoha teo aloha Álvaro Uribe Vélez, izay nanome tsiny azy noho ireo olana tsy voavahany:

Paisaje tradicional de la Sierra Nevada de Santa Marta por el usuario  Sailing Nomad en Flickr bajo licencia CC BY-NC-ND 2.0

Tanàna nentim-paharazana ao Sierra Nevada  an'i Santa Marta, sary avy amin'ilay mpisera Flickr, Sailing Nomad (BY-NC-ND 2.0).

Nanontany momba ny fitantaran'ny fampahalalam-baovao mikasika ny loza i Colores Mari:

Diana Montoya, kosa nankasitraka ny fahendren'ny fokonolona Wiwa:

Miorina ao amin'ny ranomasin'i Karaiba, monina ao Sierra Nevada an'i Santa Marta, izay fantatra ao an-toerana ho toy ny “Afovoan'izao Tontolo Izao” ny fiarahamonina Wiwa. Ahitana tanàna kely 4 mifanolo-borindrina ihany koa ao araka ny filazan'ny bilaogy Pueblo Wiwa (Vahoaka Wiwa), izay mamoaka lahatsoratra momba ny fiarahamonina, izay voalaza fa iharan'ny teritery ara-zon'Olombelona nandritra ny ady Kolombiana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.