Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tadjik Bilaogera iray Hafa Momba An'i Alexander Sodiqov

Alex Sodiqov with his wife and daughter. Shared via www.freesodiqov.org

Alex Sodiqov miaraka amin'ny vadiny sy ny zanany vavy. Nozaraina tao amin'ny www.freesodiqov.org

Ampahany amin'ny fanentananay #FreeAlexSodiqov (Avotsory i Alex Sodiqov) ity lahatsoratra ity: mpanoratry ny GV voatàna any Tajikistan. 

Tao anaty lahatsoratra iray ho an'ny LiveJournal tamin'ny 4 Aogositra i Icekandar no manoratra mikasika an'i Alexander Sodiqov, ilay tanora mpikaroka/manampahaizana, sady mpikambana ato amin'ny vondrom-piarahamonin'ny Global Voices miatrika vesatra fanamelohana ho nanao asa fitsikilovana sy famadihana tanindrazana tao Tadjikistan. 

Taorian'ny nanomezany antsipirihany fohy mikasika ny fisamborana an'i Alexander sy ny vesatra natao hanenjehana azy, resahan'ilay blaogera ireo kasinga tena manahirana be ny sainy ao anatin'io raharaha io:

Честно признаюсь, меня в этом деле удивило больше всего непонятное поведение наших властей. Уверен, что они уже на следующий день после ареста Саши поняли, что он всего лишь исследователь. У него не было ни специальных средств, которыми пользуются шпионы, ни дипломатической неприкосновенности, ни влиятельных покровителей. Он оказался простым гражданином Таджикистана, получающим образование за рубежом. Так почему же наши органы не выпустили Сашу сразу, не поднимая международный скандал?

Aleo lazaiko am-pahatsorana, ny zavatra tena mahagaga ahy amin'ity raharaha ity dia ny fitondrantenan'ny manampahefana. Azoko antoka fa ny ampitson'ny fisamborana [an'i Alexander] dia efa fantatr'izy ireo fa mpikaroka tsotra monja ihany izy. Tsy nànana izay fitaovana manokana fampiasàn'ny mpitsikilo, tsy nànana ny fiarovana tsimatimanota ananan'ireo diplaomaty, na nànana mpanohana matanjaka. Voaporofo ny naha-teratany avy ao Tadjiskistan azy nandeha nianatra tany ivelany. Koa nahoana ireo mpitandro filaminantska no tsy manafaka avy hatrany [an'i Alexander], mba tsy hiteraka vazavaza avy amin'ny sehatra iraisampirenena?

Omen'ilay bilaogera ny fomba fiheviny mikasika ny antony tsy nisian'izany, amin'ny fiheverana hoe hisy fiantraikany goavana izay tsy vitan'ny governemanta Tadjik ny nandinika azy ny fisamborana an'i Alexander :

Мне представляется, что наши органы не совсем представляют себе последствия таких дел для страны. А последствия эти весьма серьезные. В первую очередь, арестом ученого органы нанесли большой ущерб имиджу Таджикистана. Западные посольства и организации еще долго будут помнить арест Саши и его обвинение в шпионаже. Рейтинги, составляемые различными международными правозащитными организациями, обязательно отразят это дело. И ученые со всего мира тоже этого не забудут и много раз подумают прежде чем приехать к нам или согласиться на сотрудничество с нашими вузами. Туристы, которые прочитают о деле Саши в интернете, тоже не захотят ехать к нам. Ведь большинство туристов едут в ГБАО, а именно там и арестовали Сашу. Серьезные западные компании много раз подумают прежде чем инвестировать в нашу страну. Иностранные СМИ, которые будут писать о Таджикистане, еще долго будут упоминать нас как страну, в которой арестовывают ученых.

Heveriko fa tsy nosainin'ny [mpitandro filaminantsika] kely akory ny fiantrakan'ny raharaha tahaka izany ho an'ny firenena. Ho goavana ny vokany. Voalohany indrindra, manimba be ny sarin'i Tadjikistan eo amin'izao tontolo izao ity fisamborana mpikaroka ity. Tsy ho haingana hanadino ny fisamborana sy ny fiampangana azy [ Alexander] ho nanao asa fitsikilovana ireo masoivoho sy fikambanana tandrefana.  Tena hanohintohina tokoa ny toerana [misy an'i Tadjikistan] amin'ireo fandaharana samihafa ataon'ireo vondrona mpiaro zon'olombelona manerantany io. Ho tsaroan'ireo mpikaroka manerantany koa [ny fisamborana ana'i Alexander] ary hisaina in-droa ry zareo vao ho sahy hitsidika an'i Tadjikistan na hanaiky hiara-hiasa amin'ireo sekoly fampianarana ambony aty amintsika. Ireo mpizaha tany hahafantatra ny mikasika ny raharaha [Alexander] amin'ny alàlan'ny aterineto dia tsy te-hitsidika ihany koa ny firenentsika. Misafidy an'i Tadjikistan ireo mpizahatany handeha ho an'ny GBAO, ary tao indrindra anefa no toerana nisamborana azy [Alexander]. Hisaintsaina lalina ireo orinasa goavana tandrefana alohan'ny hampiasany vola aty amin'ny firenentsika. Mandritry ny fotoana maharitra ireo fampahalalam-baovao avy any ivelany no hahatsiaro antsika ho ny firenena iray mpisambotra manampahaizana mpikaroka.

Farany, manamarika i Icekandar : 

Будут и последствия, которые коснутся тысяч молодых таджикистанцев, получающих образование за рубежом. Самые талантливые и образованные из них едва ли захотят вернуться в Таджикистан и заниматься научной деятельностью здесь. Ведь научная деятельность подразумевает сбор и анализ информации, беседы со всеми людьми – а это у нас, получается, приравнивается к шпионской деятельности. Вот и будут наши молодые, талантливые граждане работать на западе и способствовать развитию западных стран…

Hisy fiantraikany ihany koa ho an'ireo tanora an'arivony teratany avy eto Tadjikistan izay mianatra any ivelany amin'izao fotoana izao. Zara raha haniry ny hiverina aty Tajikistan ireo izay tena manana ny talentany sy tsara fanabeazana indrindra amin'izy ireny ka hoe hanao asa fampianarana eny amin'ny Anjerimanontolo eto. Mila fanangonana sy fandalinana vaovao/fahalalàna ny asa fampianarana eny amin'ny Anjerimanontolo, mila mitafatafa amin'olona, izay, araka ny hita, raisintsika [amin'ny maha-firenena] ho fitsikilovana. Araka izany, ireo tanorantsika, mpiray tanindrazana manana talenta, dia hiasa any andrefana sy hanampy ireny firenena tandrefana ireny handroso bebe kokoa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.