Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Ny Fahatafintohinana Sy Hatezeran'ny Vahoaka Aostraliana Tamin'ny Sazy Nomen'ny Fitsarana Ejipsiana Ny Mpanao Gazetin'ny Al Jazeera

Protest in support of Australian Al Jazeera Journalist Peter Greste

Mpanao hetsi-panoherana mitondra sorabaventy mivaky hoe ‘Avotsory i Peter’ sy ‘Avotsory i Aj Staff’ tao amin'ny famoriam-bahoaka tao Martin Place, ao Sydney ho fanohanana ireo mpanao gazety telo ao amin'ny Al Jazeera voatazona ao Ejipta. Sary nalain'i Richard Milnes, Fizakàmanana @Demotix (2/27 2014)

Fotoana vitsy monja taorian'ny nivoahan'ny didim-pitsarana famonjàna ireo mpanao gazety telo avy amin'ny Al Jazeera amin'ny teny Anglisy ao Ejipta dia naneho ny fihetseham-pony ny vahoaka Aostraliana:  fahatafintohinana sy hatezerana. Nitari-dàlana tamin'ny fangatahana ny hamotsorana an'i Peter Greste sy ireo namany miara-miasa aminy, Mohamed Fahmy sy Baher Mohamed, ireo mpanao gazety sy ny namany miasa ao amin'ny haino aman-jery. Voampanga ho ‘nanely tatitra tsy marim-pototra’ izay ‘manala baraka’ an'i Ejipta izy ireo.

Misy vaovao nanafintohina izay milaza fa ilay mpanao gazety teratany Aostraliana Peter Greste dia nogadraina mandritra ny 7 taona ao Ejipta http://t.co/4w9qcoKTqJ via @smh

Migadra mandritra ny 7 taona ao Ejipta ilay teratany Aostraliana, Peter Greste, mpanao gazetin'ny Al Jazeera. Dona be ho azy, ho an'ireo havan-tiany ary ho an'ireo mpanao gazety namany izany.#news

Nankarary ny fon'i Peter Greste, sy ireo namany voampanga niaraka taminy, ary ny mpiara-miasa aminy sy ny fianakaviany izany. Sarintsarim-pitsaràna tsy misy antony. Tsy heloka akory ny manao asanà mpanao gazety.

Naneho ny fitaintainany momba io namany io koa i Mark Colvin, ilay mpanentana henin-kaja miasa ao amin'ny fampielezam-peo ABC:

Sarotra amiko ny tsy haneho ny fihetseham-poko momba io tantaran'i  @petergreste io. Namako izy, ary nanana tombony aho nifandray akaiky tamin'ny Ray aman-dReniny Lois & Juris.

Tao anatin'ny minitra vitsivitsy monja dia nivoaka ho isan'ireo fironana enina malaza indrindra tao amin'ny Twitter tao Aostralia io didim-pitsaràna io.

Talohan'ny nivoahan'ny vaovao, nandefa bitsika an'ity pejy avy ao amin'ny New York Times i Tom Forbes, mpanao gazety anankiray hafa avy ao amin'ny ABC :

 

hafatra iray mafonja ao amin'ny faran'ny gazety New York Times androany. @PeterGreste #FreeAJStaff pic.twitter.com/s70z4VAgsF

Namaly avy hatrany ny fanirian'ny vahoaka hanao hetsika ny sampana Amnesty ao Aostralia:

VAOVAO MISONGADINA: Nomen'i Ejipta ho sazin'i Peter #Greste ny fampidirana azy an-tranomaizina mandritra ny 7 taona. Manafintohina & tsy azo ekena izany. Mihetseha > http://t.co/1m0mn5haFa

Nahita hevitra mikasika ny zavatra tokony hatao ihany koa i Simon Chapman, akademisiana any Sydney:

Misy famatsiam-bola azo atolotra ve hanampiana an'i #PeterGreste & ireo namany amin'ny zavatra rehetra mety ilain'izy ireo any am-pigadrana'?

Ny famerenana mizara ireo bitsika no fandaharan'asa androany miaraka amin'ny antsoantson'i Sally Sara izay olo-malaza anankiray ihany koa:

Andao amin'izay ary …. Mandany 5 minitra fotsiny ny manoratra mailaka ho an'ny Masoivohon'i Ejipta ho fanohanana ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety sy  #PeterGreste. Adiresy mailaka: Embassy.canberra@mfa.gov.eg

Niresaka tamin'ny fianakaviany sy ireo Aostraliana maro i Alister Greste, zanaky ny mpiray tampo amin'i Peter:

Amin'ny maha-fianakaviany dia malaelo mafy izahay saingy goavana ny faharisihanay/fanapahan-kevitray. Hitohy hatrany ny tolona ataonay ary tsy hitsahatra mihitsy izahay. #AJTrial #freedom #FAMILY #fighting (#AJFonja #fahalalahana #FIANAKAVIANA #tolona)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.