Venezoela: Mitondra Fanohanana Ireo Fihetsiketsehana Ao An-toerana Ny Venezoliana Ampielezana

(Amin'ny teny Espaniola avokoa ny rohy rehetra.)

Nikarakara fihetsiketsehana ireo Venezoeliana an'arivony monina ivelan'ny firenena niaviany mba haneho ny fanohanany ireo fihetsiketsehana eny an-dalambe ao amin'ity firenena Amerikana-Atsimo ity. Niely tao amin'ny tambajotra sosialy ny sary tamin'izany fihetsiketsehana izany

Tao amin'ny Facebook, feno sary marobe ny pejy SOS Venezuela, izay navoaka tao amin'ny Twitter ihany koa tamin'ny alalan'ny diezy #iamyourvoicevenezuela, #SOSVenezuela sy #PrayForVenezuela, ary azo jerena ao amin'ny Instagram ihany koa.

Nalefan'ny rahalahiko @guidorinconc taty amiko ity sarin'ireo Venezoeliana any ivelany manao fihetsiketsehana androany ao Malte ity

Nanararaotra ity fihetsiketsehana ity ireo Venezoeliana sasany any ivelany mba hanolotra tatitra miaraka amin'ny tahirin-kevitra hoan'ireo fikambanana iraisampirenena na hoan'ny Antenimiera ao amin'ny firenena izay misy azy ireo. Tahaka izany ohatra no nataon'ity vondron'olom-pirenena manao fihetsiketsehana ao La Haye ity. 

Venezoeliana ao La Haye, ao Holandy. Nanolotra tatitra tao amin'ny antenimiera izahay. Manameloka ny fanitsakitsahana atao amin'ny zon'Olombelona ao Venezoela izahay.

Namoaka lahatsary tao amin'ny Instagram i Gaby Silva, mampiseho ny fihetsiketsehana nataona vondrona Venezoeliana tao Madrid. Hita amin'ity lahatsary ity ny fitakian'ireo olom-pirenena ny rariny, ny fandriampahalemana ary ny fifampiresahana.

Namoaka ny sarin'ireo mpanao fihetsiketsehana tao amin'ny Times Square, ao an-tanànan'i New York kosa ny gazety TalCual [Tel Quel].

FIHETSIKETSEHANA AO NEW YORK. Venezoeliana an-jatony no manao fihetsiketsehana ao amin'ny Times Square.

Nahitana fihetsiketsehana ihany koa tao Aostralia :

Mitondra ny firaisankinany amin'ny filaharambe ataon'ireo mpianatra ny Venezoeliana ao Sidney.

Nandritra izany, niakatra fitsarana ny mpitarika ny mpanohitra Leopoldo López ao Venezoela ary nanambara ny filoha Nicolás Maduro fa tokony hiatrika ireo fiampangana fikomiana sy tsy fanajana ny lalàmpanorenana hanenjehana azy i Lopez.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.