Dragona 3D iray vita tamin'ny “titanium” sy ankizivavy kely fito taona no taharo niteraka ny tantara iray tsara indrindra tamin'ny andron'ny taona vaovao 2014. Feno rehareha ny Fikambanana Mpanao Fikarohana Siantifika sy Indostialy ao Aostralia ( CSIRO ) nitatitra tao amin'ny bilaoginy :
Tany am-piandohan'ity herinandro ity, namoaka lahatsoratra mikasika taratasy iray voarainay avy amin'i Sophie izahay, ankizivavy kely fito taona. Ny hany zavatra niriany, dragona kely iray
“Tsy mbola nikitika resaka dragona tanaty angano, mamoaka afo amin'ny vavany velively ny asanay. Ary amin'io ry Aostralia, dia miala tsiny indrindra izahay,” hoy ny navalinay.
Manohy ry zareo:
…Tsy vitanay ny nipetraka fotsiny tsy hanao na inona na inona. Sady koa, nampanantena an'i Sophie ny hijery ny amin'io izahay.
Araka izany, ity maraina ity tamin'ny 9:32 mn (AEDT), teraka ny dragona iray
Azoanao jerena eto ny nanaovana azy :
Niavaka ny fanehoankevitry ny “Gizmodo Australia” , tranonkalam-baovao momba ny teknolojia, tao amin'ny twitter ary im-betsaka no nisy namerina nibitsika :
CSIRO 3D-Printed A Dragon Made Of Titanium For A 7-Year Old Girl, Because It Could – http://t.co/ukdVvvQLjx
— Gizmodo Australia (@giz_au) January 11, 2014
Dragona Iray Vita Tamin'ny Titanium Nataon'ny CSIRO Printy 3D Ho An'ankizivavy Kely 7 Taona. Satria Vitany Izany
sombim-baovao manainga fanahy nankasitrahan'ny KMB :
Take an ‘Ahhh’ break from an otherwise cr@p ‘news’ day MT”@CSIROnews: Sophie asked. We made a dragon. http://t.co/pJ916dOkc0 ^VH”
— KMB (@rich_tapestry) January 10, 2014
Maka bàhana kely manao ‘Ahhh’ miala amin'ny andron'ny ‘vaovao’ iray mifanohitra amin'izay nolazaina MT”@CSIROnews: Nangataka i Sophie. Nanao dragona iray izahay
Toy izany no nataon'i Rachael McDiarmid:
Man I just LOVE the CSIRO. Legends! And great publicity. Accelerating our dragon R&D program http://t.co/OWNJShfNLj via @wordpressdotcom
— Rachael McDiarmid (@RJMcDiarmid) January 8, 2014
Ry Akama, TIAKO fotsiny izao ny CSIRO . Malaza! Sady dokambarotra goavana. Fampandehanana haingana ny dragona R&D fandaharanasantsika
Hitan'i Damon Meredith ny vokatr'ity serasera amin'ny daholobe ity ho an'ny sampan-draharaha iray ambany fiadidian'ny governemanta :
I, as a taxpayer, would support more dragon research. @CSIROnews http://t.co/7xzkhqGalq
— Damon Meredith (@DamonAM) January 9, 2014
Izaho, amin'ny maha-mpandoa hetra ahy, dia manohana ny fikarohana misimisy kokoa momba ny dragona
Nazava tsy niolakolaka i Hugh Jørgensen niresaka momba ny fampihenana ny tetibola:
And we're defunding these guys why? MT @CSIROnews Sophie asked, and we said we'd look into it. We made a dragon http://t.co/JiaL9fKYdR
— Hugh Jørgensen (@hughjorgensen) January 10, 2014
Ary mamatsy vola an'ireo olona ireo isika satria nahoana? MT @ CSIROnews Nangataka i Sophie, dia niteny isika fa hijery ny momba an'izay. Nanao dragona iray isika.
Kanefa, nisy fanamarihana marikivy iray avy amin'i John Derry :
I don’t give a crap about Sophie or her dragon. #csiro
— John Derry (@johnlderry) January 10, 2014
Tsy hanome na dia vongany iray mikasika izay Sophie na ny dragony any aho
Saingy tian'i Penny Timms kosa ilay fiafaràna tsara :
Who says news is always about disaster and destruction? A nice ending. #CSIRO makes #Brisbane girl a titanium #dragon http://t.co/0MFAfhaW0l
— Penny Timms (@pennytimms) January 11, 2014
Iza no milaza fa mikasika loza voajanahary sy faharavana hatrany ny vaovao? Fiafaràna tsara sy mahafinaritra. Manao #dragon vita titanium ho an'ankizivavy kely ny #CSIRO #Brisbane
Vavy ilay izy ka noho izany dia ‘Bangaridana’ (Toothless) no anarany araka ny natolotr'i Sophie Lester.
Raha izy miandry ny fanaterana ny dragona ho azy, ny reniny kosa naneho ny haravoan-janany vavy :
Nilaza i Rtoa Lester fa safononoky ny hafaliana i Sophie tamin'ny valintenin'ny CSIRO ary niteny tamin'ny olona rehetra fa ho azo atao toy ny solika vaovao ny fofonain'ilay dragona
”Miteny daholo ankehitriny ireo namany rehetra fa fanirian'izy ireo ny ho lasa siantifika ary Sophie miteny fa amin'izao fotoana dia tiany ny hiasa ao amin'ny CSIRO. Ambàrany fa tsy misy tsy vitan'ireo Aotraliana siantifika ny zavatra rehetra” , hoy izy