Ny 3 May, nanamarika ny Andro Erantany ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety (AEFAFG) ireo vondrona media, filoham-panjakana ary ireo mpanao adisisika hisian'ny fahalalahana maneho hevitra manerana an'i Pasifika, tamin'ny fanitrikitrihana ny anjara toeran'ny fanajàna ny zo hahazo vaovao mba hiatrehana ny fiantraikan'ny olan'ny toetrandro ao amin'ny faritra.
Ny lohahevitry ny AEFAFG tamin'ity taona ity, “Gazety ho an'ny Planeta: Ny Asa Fanaovana Gazety Manoloana ny Krizin'ny Tontolo Iainana,” dia mampiako ireo asa nataon'ireo vondrona media ao amin'ny Pasifika. Ny fanambaràna nataon'ny Filankevitry ny media ao Palau no itarafana ny lohahevitry ny AEFAFG:
Ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety dia tena iankinan'ny ain-dehiben'ny fampahalalam-baovao ho an'ny vondrom-piarahamonintsika manoloana ireo fanamby atrehana sy mba haha-tomponandraikitra ny tsirairay amin'ity tontolo iainana sarobidintsika.
Ankalazaintsika ny asa feno fahasahiana ataon'ireo mpanao gazety ary havaozintsika ny fanolorantena hiaro ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety, amin'ny fiantohana ny hisiana media matanjaka sy tsy miankina miasa ho an'ny vahoaka eto Palau.
Amin'ny hoavy, manome toky izahay ny hanao ho laharam-pahamehana ireo tantara momba ny krizy ara-toetrandro, amin'ny fiantohana fa izy ireny dia hitàna ny ivon'ny fandrakofana vaovao ataonay. Ho hamafisinay ireo feo manana ny lanjany manao adisisika ho an'ny fiarovana ny tontolo iainana.
Robert Iroga, filohan'ny Pacific Freedom Forum, antokon-draharaha mpanaramaso ny media ao amin'ny faritra, dia nanipika ny filàna fandrakofana ataon'ny media sy ny fampiatiana ireo mpanao gazety ao Pasifika rehefa misy kaonferansa erantany momba ny toetrandro.
Raha misy asa tokony ataon'ireo mpanao gazety ao Pasifika, dia ny manentana sy mandrisika ny fahatsiarovantenan'izao tontolo izao momba ireo fiantraikan'ny krizin'ny toetrandro sy hitaky tamberinandrakitra amin'ireo mpanankarena mpandoto.
Kora Nou, filohan'ny Pacific Islands News Association, nanipika fa tokony hitàna anjara toerana mavitrika amin'ny fametrahana hetsika mikendry ny hiatrehana ireo fiantraikany ratsy avy amin'ny fiovàn'ny toetrandro ireo mpanao gazety.
Tokony ampidirina anatin'ireo tetikasa ny mpanao gazety, tsy hoe fotsiny ho mpanaramaso, fa koa ho toy ny mpandray anjara mavitrika, mitondra fandrakofana vaovao mahaleotena sy tsy mitanila milaza ny marina, miampanga ireo zavatra tsy mety, ary manamafy ny feon'ireo vondrom-piarahamonina atao anjorom-bàla.
Stanley Simpson, sekretera jeneralin'ny Fiji Media Association, nitondra fampahatsiahivana iray ho an'ireo mpanao gazety mpiara-miasa aminy.
Ny etika no tsy maintsy mibaiko ny indostriantsika; ny fitsipi-pitondrantenantsika no tsy maintsy mitarika antsika. Am-pahamarinana no tsy maintsy anompoantsika ny vahoaka; ny lahatsoratra omentsika dia tsy maintsy marina, tsy mitanila ara-drariny ary tsy diso.
The Media Association of Solomon Islands (MASI), in partnership with the @bbcmediaaction, held a breakfast event today at Heritage Park Hotel to commemorate the World Press Freedom Day 2024. Thanks to all our distinguished guests for availing your time to commemorate this event. pic.twitter.com/XXsx1ifXFl
— MASI (@solsmasi) May 3, 2024
Androany ny Media Association of Solomon Islands (MASI), niaraka tamin'ny @bbcmediaaction, dia nikarakara hetsika sakafo maraina tao amin'ny Heritage Park Hotel mba hankalazàna ny Andro Erantany ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety 2024. Isaorana ireo vahiny manan-kanja nanokana fotoana ho fankalazana ity hetsika ity.
— MASI (@solsmasi) 3 May 2024
Nasongadin'ireo vondrona media ihany koa ireo fanamby samihafa amin'ny fanatontosany ny asan-dry zareo. Ny firenena sasany toa an'i Fiji dia nahitàna fihatsaràna ny tontolon'ny media tany amin-dry zareo taorian'ny nanafoanan'ny parlemanta ireo lalàna mamoritra; fa nisy koa ireo firenena toa an'i Papouasie Nouvelle-Guinée izay andrahonana ireo mpanao gazety amina fepetra hentitra kokoa atao amin'ny fampahalalam-baovao. Mandritra izany fotoana izany, vao haingana dia nisy “adin-teny” niteraka fifanenjanana teo amin'ny media sasany sy ny minisitra iray ao amin'ny governemanta ao Nouvelle-Zélande.
Karen Percy, filohan'ny vovonana federalin'ireo media, mpampiala voly ary zavakanto, dia nitanisa ny fanaovana ireo lalàna ho toy ny fitaovam-piadiana izay manimba ny asan'ny media ao Aostralia:
Rehefa henjehina ireo mpisintona lakolosy noho ny famborahana zavatra tsy mety ataon'ny governemanta sy ireo vondron'orinasa; dia ny vahoaka no voa be rehefa ny fanalàmbaraka no atao ho toy ny fitaovampiadiana hisorohana ny andrimaso akaiky; rehefa ny vaovao tokony hampahafantarina ny daholobe no tsy afaka idirana na marihana fahatany ho tsiambaratelo; ary rehefa ny asa fototra tokony hataon'ny mpanao gazety no avadika ho heloka bevava noho ny resaka ‘fiarovam-pirenena’.
Ao Nouvelle-Calédonie, faritra frantsay ivelan'ny ranomasina, misy sendikà iray nitarika fitorevahana ho fanoherana sy ho firaisankina amin'ilay mpanao gazety vazimba teratany Kanak, Thérèse Waia, izay nokianin'ireo tafika mpomba an'i Frantsa noho ny tatitra nataony momba ireo hetsipanoherana mpandàla ny fahaleovantena. Sonia Togna avy amin'ny Sendikàn'ny Vehivavy Mampiasa sy Miteny Frantsay ao Océanie any Nouvelle-Calédonie nilaza tao anaty antsafa iray ho an'ny media hoe:
Tonga eto mba hisintona lakolosy fanairana izahay ary hampahatsiahy an'ireo mpitarika anay tsy hihoatra ny fefy amin'ny resaka fahalalahana maneho hevitra sy ny fahalalahana hanao ny asa maha-mpanao gazety eto Nouvelle-Calédonie.