Voasokajy ho fampihorohoroana ny fangatahana ny fanovàna ara-politika ao Arabia Saodita ankehitriny, araka ny lalàna iray vaovao izay nampiharina nanomboka androany.
Neken'ny Filankevitry ny Minisitra notarihan'ny Mpanjaka Saodiana Abdullah bin Abdulaziz Al Saud ny Alatsinainy [16 Desambra] teo ilay Lalàna ho an'ireo Heloka Fampihorohoroana sy ny Famatsiam-bola ny Fampihorohoroana . Naharay tsikera marobe io volavolan-dalàna io rehefa navoakan'ny Amnesty International (AI) an-tsokosoko ny Jolay 2011. Tamin'izany, nitsikera ny AI:
Raha ekena izany dia hanakana ny làlan'ireo hetsiky ny mpanohitra am-pilaminana na dia izay farany kely indrindra aza ho voapetaka tahaka ny fampihorohoroana ary mety iharan'ny fandikana zon'olombelona marobe. […] Malalaka loatra ny famaritana ny “heloka fampihorohoroana” ao anatin'ilay volavolan-dalàna hany ka mametraka azy aminà fomba famaky mivalampatra sy fanararaotana, ary mety tokoa hanameloka ny mpanohitra ara-dalàna.
Eo ambanin'io volavolan-dalàna io, ahitana ireo hetsika tahaka ny “mampidi-doza ny…firaisam-pirenena”, “manakantsakana ny lalàna fototra na ny iray amin'ireo andininy ao anatiny”, na koa ny “manimba ny lazan'ny fanjakana na ny toerany” ireo heloka fampihorohoroana.

Ny rakotr'ilay volavolan-dalàna “manohitra ny fampihorohoroana” araka ny navoakan'ny AI antsokosoko.
Raha jerena manokana, dia nametraka fanasaziana antranomaizina mandritra ny dimy taona farafahakeliny io volavolan-dalàna io ho an’ “izay mampiroborobo, na am-bava na an-tsoratra, ireo hetsika fampihorohoroana, na fotodresaka izay manohitra ny fironana ara-politikan'ny Fanjakana, na koa hevitra mandratra ny firaisan'ny firenena…”.
Tamin'izany, nisy mpitondrateny avy ao amin'ilay Antenimiera Mpanolo-kevitra niteny tamin'ny Reuters:
“Tsy ilay volavolan-dalàna navoaka no tena izy,” hoy i Mohammed Almohanna, mpitondra tenin'ny antenimiera mpanolo-kevitra.
“Noresahina tanatinà fivorian'ny Filankevitr'i Shura izany. Volavolan-dalàna izany ary nisy ireo fanovana vitsivitsy natao taminy mba hahazoana toky fa mifanentana amin'ny Sharia (Lalàla Islamika) io lalàna io, ary tsy mandika ny zon'ireo olom-pirenena na ireo lalàna misy ao amin'ny firenena,” hoy izy.
.
Mbola tsy navoaka ofisialy ny endrik'ilay lalàna farany.
Ao amin'ny Twitter, mitsikera ny mpampiasa iray antsoina hoe Sigh [ar]:
تعريف الجريمة الإرهابية في قانون (نظام جرام الإرهاب وتمويله) المقر اليوم في #السعودية, يجعل محاولة الإصلاح السياسي إرهابًا.!!
— Sigh (@Sigh______) December 16, 2013
Mahatonga ny fikasana hanova ara-politika ao Arabia Saodita ho fampihorohoroana ny famaritana ny fampihorohoroana ao anatin'ilay Lalàna Fanamelohana ny Fampihorohoroana sy ny Famatsiam-bola azy, izay nekena androany!!