Moske Tsetsenina Ve No Tena Mari-Pamantaran'i Rosia?

"Heart of Chechnya" mosque in Grozny, Chechnya, photo by Andre Maiakinfo, 17 October 2008, CC 3.0.

“Fon'i Chechya”Maosike ao Grozny, Sary nalain'i Andre Maiakinfo, 17 oktobra 2008, CC 3.0.

Nivadika gidragidra tamin'ny asabotsy 31 Aogositra 2013 ny fihodinana faharoa amin'ny fifidianana toerana folo tsy dia malaza miisa 10 any Rosia mahasarika mpizahatany (ka anaovana dika mitovy aminy ao amin'ny zaridainan'i Moskoa ) , rehefa notorahan'andian'olona tao Grozny atody ny trano fiasan'ny fifandraisandavitra. Nanomboka tsimoramora  tamin'ny Jolay ary tsy nahasarika olona aza ny fifidianana notohanan'ny televiziona Rosiana lehibe indrindra sy ny Geographical Society . Saingy, tamin'ny Aogositra, nanomboka namoaka sary tao amin'ny kaontiny Instagram-ny ilay Moske ao Grozny sy mampirisika ny mpanaraka azy hifidy ny filohan'i Chechnya, Ramzan Kadyrov .

Rehefa manakaiky ny hifarana ny fihodinana faharoa, mifanatsahana ny isam-bato azon'ny Moske Kadyrov sy ny Kremlin ao Kolomna (any amin'ny 100km atsimo-andrefan'i Moskoa). Resy tamin'ny kely foana ny “Fon'i Chechnya” ary namoaka sary fotsy sy mainty an'ilay moske tao amin'ny kaonty Instagram-ny avy hatrany i Kadyrov namoaka miaraka amin'ny hafatra hoe:

Поэтому мы им заявили что это ничто иное, как откровенное мошенничество. Более того, мы не исключаем, что это искусственные препоны с целью не допустить занятия Сердцем Чечни первого места.

Izao no holazantsika azy ireo fa tsy misy afa-tsy hala-bato mivandravandra io. Ankoatra izay aza, tsy afa-mampanjaka isika fa misy ny sakana foroporonina nanaovana izay hanakanana ny Fon'i Chechnya handrombaka ny lohalaharana.

Blaogera Oleg Kozyre nanao matoandahatsoratra amin'ilay fahafam-baraka “Mila fifidianana madio i Chechnya ” ary nanoratra hoe :

Если вы за честные выборы – помогайте тем, кто за них борется, не помогайте тем, кто выборы уничтожает.

Raha manaiky ny fifidianana marina ianareo – Ampio ireo miady ho amin'izany, aza manampy ireo izay mandrava ny fifidianana.

Na izany aza, Maro ireo Rosiana tsy mahalala akory fa nisy izany Rosia 10 izany. Iray amin'ny valin-kafatra ao amin'ny Blaogin'ny Kozyrev namaly sady misaritaka :

Что это было? Вы с кем это сейчас разговаривали?

Inona ary ity? Inona no resahinareo?

Ramzan Kadyrov shows off his horse riding skills, 29 August 2013, screen capture from YouTube.

Ramzan Kadyrov maneho ny ny hakingany mitaingin-tsoavaly, 29 Aogositra 2013, nalaina sary avy amin'ny YouTube.

Ny sasany indray nanamarika:

посмотрите правде в глаза!!! Погромщики-чеченцы, не за честные выборы, а за победу своего кандидата (в данном случае – мечети), любой ценой)))

Andao hifanatrehana ilay izy!!! Tsy momba ny fifidianana madio ny Mpanakorotana-Tsetsenina , fa manohana ny fampandresena ny kandidany (eto dia ny Moske), amin'ny fomba rehetra)))

Ny hafa te-hahalala hoe avy aiza moa ny fiavian'ny vola ahafahan'ny olona mifidy (raha 3,54 robla ny saran'ny SMS iray):

Мне больше интересно, из какого бюджета была оплачена стоимость почти 40 млн. смсок из чечни. Очень уж я сомневаюсь, что все чеченцы в едином порыве стали отправлять по нескольку десятков смс по призыву кадырова.

Mahaliana ahy kokoa ny hoe tetibola avy aiza no nandoavana ireo hafatra an-tsoratra 40 tapitrisa avy any Chechnya. Misalasala tanteraka aho hoe ny Tsetsenina rehetra dia nirodorodo nandefa hafatra am-polony avy ho an'i Kadyrov.

Mandritra izany fotoana izany ny Blaogera Oxana Volva nitaraina :

Символом России для большинства может быть медведь, матрешки или, на худой конец, балалайки, но никак не главный символ Ислама, а это уже, друзья мои, ничем не прикрытый призыв к оккупации и исламизации, чего Кадыров явно не “чурается”.

Ny Saimbôlin'i [sariohatr'i] Rosia mety indrindra amin'ny maro angamba dia ny orsa, na saribakoly [matryoshka], na farafaharatsiny balalaika, fa tsy ny saimbôlin'ny Islamo lehibe indrindra, ary izany ry namako, dia efa fiantsoana sahady ho amin'ny fibodoana sy ny Fanasilamoana, izay tsy “hahamenatra” velively an'i Kadyrov.

Mpamaky iray nanontany tena:

А теперь простой вопрос: кто вообще додумался включить мечеть в список символов России? Кто затеял очевидную и неприкрытую провокацию?

Ankehitriny fanotaniana iray monja: hevitra avy aiza ny hampiditra moske ao amin'ny lisitry ny Saimbôly [sariohatra] Rosianina? Iza no nanomboka ny fihantsiana miharihary sy mivandravandra?

Blogger Alexei Freeman called the egging of the mobile operators’ Grozny offices a “pogrom” and noted:

Blaogera Alexei Freeman niantso ny fitorahana atody ny biraon'ny mpanolotra antso am-pinday ao Grozny ho “fandripahana” ary nanamarika:

Вообще-то эти деяния подпадают под УК РФ, но, как известно, далеко не все законы РФ действуют на территории Чечни.

Raha ny marina, Izao fihetsika izao dia sokajiana ho ao anatin'ny heloka bevava ato amin'ny Federasiona Rosiana, nefa, araka ny fantatrao, tsy ny lalàna rehetra eto amin'ny Federasiona Rosiana no mihatra any anatin'ny sisintanin'i Chechnya.

Nasongadiny ihany koa fa ny mpanolotra antso am-pinday rehetra no tafiditra, fa tsy i Beeline sy Megafon irery.

Интересный момент: проблемы с обработкой SMS были от всех компаний, а под огонь критики попали только «Билайн» и «Мегафон». Очевидно, что Кадыров пытается удалить с рынка компании, которые неподконтрольны ему.

Teboka iray mahaliana: Ny olana teo amin'ireo SMS dia avy amin'ireo orinasa [finday] rehetra, fa tsy “Beeline” sy “Megafon” izay lasibatra. Miharihary fa tian'i Kadyrov esorina amin'ny tsena ireo orinasa ireo, satria tsy eo ambany fifehezany.

Manaiky ilay blaogera malaza Ilya Varlamov fa tsy mahafantatra io fifaninanana Rosia 10 io ihany koa izy, saingy mailaka tamin'ny fialana ilay fifaninanana izy. Nizara sary ny fanamboarana ny tranobe ao Oniversite Mpanjakana ao Moskoa ahitana fefy, tranokely roa, ary tranon'ny mpiandry tanàna i Varlamov ka namazivazy hoe:

Настоящий символ России это ни мечеть и ни Кремль. Настоящий символ России – это забор, биотуалет и охранник, сторожащий камень. Все остальное суета.

Ny tena sariohatr'i Rosia dia tsy mba moske izany na koa i Kremlin. Ny sariohatr'i Rosia dia fefy, na tranokely ivelany, ary mpiandry tanàna, mijery eo ambony vato. tsinontsinona ny ankoatr'izay.

Namoaka hafatra kosa ny Rtranonkala Rosia 10 tamin'ny Alatsinainy 2 Septambra, milaza ny fanemorana ny fihodinana fahatelo satria mbola nametraka fanadihadiana momba ny fihodinana faharoa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.