Grenady Breziliana Hamelezana Tiorka
Ity lahatsoratra nosoratan'i Bruno Fonseca sy Natalia Viana, avy amin'i Agência Pública, ity dia nivoaka tamin'ny voalohany tamin'ny lohateny hoe “Bomba brasileira na pele turca” (grenady breziliana hamelezana ny Tiorka) , izy ity dia ao anatin'ny fanadihadiana manokana momba ireo vondron'olona mpanery ny manampahefana sy ny orinasa mpamokatra fitaovam-piadiana ao Brezila #IndústriaBrasileiraDeArmas. Hisy lahatsoratra telo momba izany fanadihadiana izany eto amin'ny Global Voices Online. Ity ny lahatsoratra voalohany amin'izany.
Tamin'ny 2012, hita tamin'ny baomba mandatsa-dranomaso namelezana ny mpanao fihetsiketsehana miandany amin'ny demokrasia tao Bahrain ny soratra hoe ”made in Brazil”. Nisy mpikatroka niampanga ny fisian'ny zazakely iray maty, lasibatry ny gazy breziliana, ary nanambara ny minisitry ny raharaham-bahiny breziliana fa hanamarina ny mety ho fisian'ny zavatra tsy mazava teo amin'ny fanondranana ity vokatra ity. Nefa herintaona taty aoriana, nanambara ny tao amin'ny minisiteran'ny raharaham-bahiny (Lapan'Itamaraty), fa nandray naoty ny zava-nitranga tsy nanao famotorana na fepetra noraisina izy. Hoy i Rasheed Abou-Alsamh, mpikatroka Amerikanina-Saodianina, nanoratra ny fiampangana:
O Itamaraty deve achar que somos ingênuos.
Mety mieritreritra i Itamaraty fa donto izahay
Noho ny tsy fisian’ny fandrarana momba ny fanondranana fitaovam-piadiana tsy mahafaty, dia ampiasain’ny polisy tiorka hamoretana ny fihetsiketseha-panoherana an’i Recep Tayyip Erdogan , izay mipoaka any amin’ny tanàna 60 mahery mahatonga faharatran’olona an-jatony sy fisamboran’olona eo ho eo amin’ny 2000 eo ankehitriny ity gazy vokarin’ny orinasa Condor S A avy ao Rio de Janeiro ity.
Manamafy ny fampiasana gazy (baomba) mandatsa-dranomaso breziliana nandritra ireny toe-javatra nanomboka tamin’ny fandabohana hazo 600 eo amin’ny kianja Taksim ao Istambul ireny ny Amnesty International. Suzette Grillot, mpampianatra amerikanina iray izay nanatrika izany, no naka sary ny iray amin’ireo tora-javatra nampiasain’ny polisy ary nanao fanambarana tao amin’ny Agência Pública:
Um membro do nosso grupo encontrou a cápsula na noite de ontem (3 de junho) em Ankara.
Mpikambana iray ao amin’ny vondrona misy anay no nahita ity grenady ity tamin’ny halina (3 jona) tao Ankara.

Mpampianatra Amerikanina iray no naka sary kopily iray nampiasain’ny polisy tiorka ho gazy mandatsa-dranomaso. Saripika Suzette Grillot/ lisansa Creative Commons
Nampiasaina hatramin’ny nanombohan’ny fihetsiketsehana , tamin’ny 31 mey tao Istambul ny gazy mandatsa-dranomaso breziliana. Mitantara ny mpikambana ao amin’ny Occupy Gezi [Bodoy Gezi] izay nisafidy ny tsy hanonona anarana noho ny tahotra mety hisian’ny famaizana:
Naquele dia, havia apenas um grupo pequeno de ambientalistas. A polícia invadiu o parque às 5h da manhã enquanto essas pessoas dormiam nas barracas. Os policiais queimaram barracas e atacaram os manifestantes com gás lacrimogêneo. Os policiais deveriam atirar os projeteis de gás para cima, mas eles miram nas pessoas. Alguns perderam a visão por serem atingidos diretamente (pelos projeteis), outros são atingidos nos braços e pernas. Existem centenas de vídeos mostrando efeitos do gás: lágrimas, náusea, vômito, dificuldade em respirar.
Tamin’io andro io, tsy nisy afa-tsy vondrona vitsin’ny mpandala tontolo maitso no teo. Nanemitra ny zaridaina ny polisy tamin’ny dimy ora maraina raha mbola natory tao anaty fialofana tsizarizary ry zareo.Nodoran’ny polisy ny fialofana ary notifiriny gazy mandatsa-dranomaso ny mpanao fihetsiketsehana. Tokony natifiny ambony izy ireny saingy nataony tifitra akaiky dia akaiky. Maromaro ireo lasa tsy nahita noho izy ireo voan’ny kopily mivantana, ny hafa indray nisy voa teny amin’ny sandry na teny amin’ny tongotra. Ahitana lahatsary an-jatony mampiseho ny fiantraikan’ny gazy mandatsa-dranomaso : Ranomaso tsy mitsaha-miraraka, salebolebo, fandoavana, fahasahiranana ara-pisefoana
Niangavy an’i Torkia hanokatra famotorana tsy miankina tamin’ireo fihetsiky ny mpitandro ny filaminana raha niatrika ny mpanao fihetsiketsehana ny Biraon’ny Firenena Mikambana misahana ny zon’olombelona. Cécile Pouilly, mpitondra tenin’ny komisarià ambony ao amin’ny Firenena Mikambana misahana ny zon’olombelona, no nanao izao fanambarana manaraka izao:
Estamos preocupados com relatos de uso excessivo de força por agentes legais contra manifestantes.
Sahiran-kevitra amin’ny vaovao milaza ny fampiasan’ny mpitandro ny filaminana hery tafahoatra amin’ny mpanao fihetsiketsehana izahay
Fitaovam-piadiana “tsy mahafaty ” mety hamono
Ny taimbala nopihan’ilay Amerikana vavy Suzette Grillot sary no sisa tamin’ilay kopily mandatsa-dranomaso mahataka-davitra ( GL 202) novokarin’ny orinasa Condor, lohalaharana amin’ny famokarana karazam-piadiana tahaka ireny ao Amerika Latinina. Mety hahatratra hatrany amin’ny 120 metatra amin’ny ankapobeny ny kopily ary afa-mihoatra sakatsakana tahaka ny rindrina na barazy “hanesorana olona sy hampiparitaka andian’olona mandika lalàna ”, araka ny fomba fiteny ampiasain’ny mpamokatra azy. Saingy, nanazava tao amin’ny tranonkalany ny orinasa Condor fa mety hampisy fahavoazana goavana eo amin’ny fahasalamana ary mety mahatonga hatrany amin’ny fahafatesana aza ny fampiasana amin’ny tsy mety ireny kopily ireny.
Sary hafa noraisin’ny mpanao fihetsiketsehana, no mampiseho grenady mandatsa-dranomaso iray mivezivezy [toa tandrimo ?] (GL 310), fantatra amin’ny anarana ho “mpandihy” . Raha vao midona amin’ny tany izy io dia mitontotontona tsy fantatra izorana sady mamoaka gazy ihany amin’ny faritra midadasika nefa tsy afa-mandaka azy hiverina any amin’ny mpitandro ny filaminana ny olona lasibatra. Manamarika ny orinasa fa raha midona amin’ny zavatra mora mirehitra ny grenady dia mety hiteraka haintrano.

Ao amin’ity sary navoakan’ny mpanao fihetsiketsehana ity no ahitana fitaovam-piadiana GL 310 sy Gl 202 an’ny Condor (1º sy 3º avy any ankavia miankavanana). Ny kopily faharoa avy any ankavia dia avy any amin’ny Nonlethal Technologies, orinasan’i Etazonia izay voalohany amin’ny fanondranana fitaovam-piadiana « tsy mahafaty » miaraka amin’ny brezilianina Condor mankany Torkia. Lisansa Creative Commons

Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Desambra 2019 13 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 167 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...
Miarahaba an'i jentilisa. Ity no hasiako fanamarihana manokana "Tsy maintsy mahay manoratra amin'ny teny Frantsay ianao...