Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Però: Fihazohazoana Efa-Taona Ho an'ireo Voampangan'ny Gidragidran'ny ‘Baguazo’

Volana vitsivitsy sisa dia ho tonga ny tsingerintaona fahaefatry ny  zava-nitranga tao Bagua, mbola tsy voavaha ny olana momba ny satan'ireo vazimba teratany 53 voampanga ho nahafaty polisy 12.

Mbola nanao fihainoana fiarovan-tena tamin'ny raharahan'ireo 53 ny mpitsara tao amin'ny Fitsarana ady heloka bevava vonjimaika ao Bangua tamin'ny Zoma 8 marsa. Taorian'ny fanambarana nataon'ny mpisolovavan'ny fiarovana 16 sy ny solontena avy amin'ny fampanoavana sy ny minisiteran'ny fitsarana, izay nanomboka [es] ny omalin'io, dia nanapa-kevitra ny hanemotra ny fotoam-pitsarana [es] ny tao amin'ny fitsarana [es]

Rehefa voalaza moa fa tsy nahavita nanaporofo ny helok'ireo tao amin'ny fiarovana ny tao amin'ny fampanoavana, sady tsy fantatra koa ny heloka vitan'ny tsirairay, dia nantenaina [es] fa hanakatona ny raharaha ny mpitsara na hamerina eny amin'ny fampanoavana handrafitra indray ny fiampangana. Saingy tsy nitranga moa izany.

Inicia la marcha de apoyo. Foto de Denis Pashanase.

Lohalaharan'ny diabe ho fanohanana ny voampanga. Saripikan'i Denis Pashanase, nahazoana alalana

Nitatitra [es] ny antsipirihany sasany amin'ny fihainoana i Servindi:

Para Juan José Quispe, abogado del Instituto de Defensa Legal (IDL), que patrocina la defensa de tres de los 53 indígenas procesados, la Fiscalía Superior de Bagua demostró una vez más que no existen pruebas para el inicio de un proceso oral. La Sala Penal Liquidadora Transitoria de Bagua […] escuchó hoy los argumentos de titular de la Fiscalía Superior de Bagua, Edwin Humberto Vargas Daza. […]

Para sorpresa de muchos y ante la evidente ausencia de argumentos, explica Quispe, el fiscal superior acusó a la Sala de ser ésta la que lo obligó a acusar a los nativos. […] El abogado de IDL sostuvo finalmente que la Sala Penal Liquidadora Transitoria de Bagua decidiría en 15 o 30 días el archivo o el inicio de un juicio oral contra los dirigentes procesados por el denominado “Baguazo”.

Ho an'i Juan José Quispe, mpisolovava avy ao amin'ny Ivotoeran'ny Fiarovana Ara-Dalàna (LDI), izay nanohana ara-bola ny fiarovana ny telo amin'ireo teratany ampangaina, Noporofoin'ny zokiolon'ny fampanoavana ao Bagua indray fa tsy misy fototra ho amin'ny fanombohan'ny fanadihadiana am-bava. Androany ny Fitsarana Adi-Heloka Bevava Vonjimaika ao Bagua… no nahare ny fandresen-dahatra avy amin'ny lehiben'ny fampanoavana ao Bagua, Edwin Humberto Vargas Daza […]

Nahataitra ny maro ary tsy mazava tsara akory, hoy i Quispe, dia notsikerain'ny fampanoavana ny fitsarana noho ny fanerena azy hampitondra vesatra iampangana ireo teratany…. Niteny tamin'ny farany ny mpisolovavan'ny LDI fa hanapa-kevitra ao anatin'ny 15 na 30 andro ny Fitsarana Adi-Heloka Bevava Vonjimaika ao Bagua hampirina ny raharaha na hanomboka ny fihainoana am-bava ireo mpitarika antsoina hoe “Baguazo.”

Mandritra izany fotoana izany, nampaneno ny feon-dakolosony ny ao amin'ny bilaogin'ny radio ao Bagua Grande “La Voz”:

El abogado de IDL manifestó […] que de las 197 paginas de la acusación fiscal contra varios procesados que incluso se les ha solicitado cadena perpetua, no veía motivaciones, no le encontraba nada para acusar a los indígenas de haber matado a los policías, cuando ni siquiera las balas en los fallecidos no han sido ubicadas, más bien las desaparecieron, incluso los exámenes de absorción atómica no han encontrado hasta hoy rastros de polvora en las manos de los indígenas. Calculó por último, que un promedio de 150 personas serán citadas en este proceso que según su parecer demorará dos años.

Nilaza ny mpisolovavan'ny LDI… fa ao anatin'ny pejy 197 iampangana ireo arovany, ka anisan'izany ireo izay mety higadra mandra-pahafatiny, tsy hitanao izay antony, tsy mahita na inona na inona ianao mametraka fa namono irao polisy ireo mpitarika ny teratany, tsy nahitana na dia ny bala namonoana azy ireo aza, na nanjavona ireo, fa na dia ny fitsapana fisintonana atomika [atoma] aza dia tsy nahita diana vanjam-bala tamin'ny tanan-dry zareo. Nokajiany fa mety hahatratra hatramin'ny 150 ny olona antsoina ao amin'ity fitsarana ity izay mety haharitra roa taona araka ny fijeriny.

Vigilia en apoyo de los acusados. Foto de Denis Pashanase.

Fiareta-tory fandrehetana labozia ho fanohanana ireo voampanga. Saripikan'i Denis Pashanase, nahazoana alalana

Marefo ihany ny toe-draharaha ao Bangua, tonga avy any amin'ny faritr'i Amazona ny mpikambana ao amin'ny Awajún Wampis tamin'ny 5 marsa, hanatrika ny fitsarana sy hijoro (hanao fiaretan-tory) manoloana ny Lapan'ny Fitsarana Adi-heloka bevava.

Na izany aza ny Aidesep, fikambanan'ireo vondro-piaraha-monina vazimba teratany izay efa nanandratra ny feony tamin'ny tsy fankasitrahana [es] fangatahana famonjana mandra-pahafaty ny maro amin'ireo voampanga, dia niangavy ny mpikambana ao aminy hitony [es]. Tafintohina [es] tamin'izay mety ho didim-pitsarana, tahaka ny mponin'i Bagua koa ry zareo. Mikorataba ry zareo fa ny tokony hotsaraina dia ireo izay namono ny polisy, fa tsy ireo vazimba teratany tsy nanao afa-tsy ny fiarovana ny tontolo iainana.

Cartel preparado para la marcha de apoyo a los acusados en Bagua. Foto de Denis Pashanase.

Marika vita ho amin'ny diabe ho fanohanana ireo voampanga ao Bagua. Sary avy amin'i enis Pashanase, nahazoana alalana

Misy ihany koa ny fanahiana avy any ivelany tamin'ny famoahana ireo vesatra ireo. Nandefa [es]  taratasy [es] iray tamin'ny Lehiben'ny Fitsarana Adi-Heloka Bevava Vonjimaika ao Bagua ny fikambanana isan-karazany, ka ao no iantsoan-dry zareo ny mpitsara hitandro ny fahamarinana, ny fahaleovantena ary ny tsy fiangaran'ny andrimpanjakana fitsarana tsy hanomboka ny fombafomban'adim-pitsarana mifototra amin'ny fiampangana tsy misy fiorenany araka ny zava-misy sy araka ny lalàna.

Tokony homarihana fa nandefa [es] taratasy [es] iray miangavy ny Sampan-draharahan'ny Minisiteran'ny Fitsarana hijery ny fenitra voalazan'ny lalàna hanaraha-maso ity raharaha ity ihany koa ny mpanao lalàna Verónika Mendoza sy Eduardo Nayap, ary nilaza fa “Saro-pady ho an'ny firenena ity raharaha iray ity ka tokony hovahan'ny andaniny sy ny ankilany tafiditra ao anatin'ny fifanenjanana haingana.”

Lahatsoratra nivoaka tao amin'ny bilaogy Globalizado [es] voalohany avy amin'i Juan Arellano.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.