Aostralia: Fonon-tsigara Voalohany Erantany Tsotra Misy Hafatra Mazava – Tsy Misy Mari-Pamantarana
An-kafaliana no nandraisan'ny ankamaroan'ireo mpiserasera ny lalàna vao nivoaka tany Aostralia mikasika ny fonon-tsigara misy hafatra tsotra sy mazava tsy laroina haingo, izay nanomboka ny 1 Desambra 2012. Ny tenifototra #plainpackaging ao amin'ny twitter sy ny fitadiavana ny “plain packaging” dia nahazo bitska fanakianana vitsivitsy. Ny Huffington Post dia nampiseho taratra ny fahalinana iraisam-pirenena amin'ity voalohany erantany ity:
Niparitaka nanerana ny talantàlana tany Aostralia ireo sigara nofonosina tanaty fonony misy hafatra tsotra sy mazava tsy laroina haingo, nahatonga ny Firenena Oseanika ho voalohany erantany nandràra ny fametahana ny sary famantarana ny orinasa mpanao sigara sy ny loko amin'ny fonon-tsigara.

Mihatra ao Aostralia ny lalàna momba ny fonosana sigara misy hafatra tsotra sy mazava tsy laroina haingo
Sary avy amin'i Maria Nguyen © Zon'ny Mpamorona Demotix 1 Dec 2012
Mipetraka ho mpanelanelana ny bilaogin'i Andrew Dixon Fananahana, Rongony ary Politika (Sex, Drugs & Politics) :
Ireo kaompania mpanao sigara dia milaza ampahibemaso fa tsy handeha io. Ny fanadihadiana nataoko mikasika ny lanjan'ny Marika Famantarana dia milaza fa tena ho izay mihintsy no hitranga. Ny Governemanta dia mandika izany ho “fandresena ho an'ny Fianakaviana”, izay fomba filazan'izy ireo izay rehetra ataony. Tonga soa amin'ny Ady lehiben'ny Marika Famantarana, izay very ao anatiny ny ady hanànana marika famantarana.
Nefa roa no ahazoana izany. Hoy izy manindry:
Tsy ampisalasalàna no ilazako fa ny fonosana misy hafatra tsotra sy mazava tsy laroina haingo dia hisy vokany tsara ho amin'ny fahasalamam-bahoaka.
Nefa miasa saina ihany i Andrew momba ny endrika araka ny lalàna sy ara-barotra :
Nefa io dia ohatra iray voalohany tsy azo ekena hanome alàlana ny governemanta hangalatra (na hamotika) amin'ny fomba tsy takatry ny saina ireo fizakà-mànana ara-tsainan'olon-tsotra izay tena sarobidy.
Ilay Mpibilaogy Don Aitkin dia nanontany tena ‘Moa ve ny fanovàna ny fonosana hisy hafatra tsotra sy mazava tsy laroina haingo dia fahombiazana lehibe amin'ny fahasalamam-bahoaka?:
Izaho dia tsy mba anisan'ny mpanohana ny fitondràna mpitsetra, ka mahita ireny fonosana misy hafatra tsotra sy mazava tsy laroina haingo ireny ho fahombiazana kokoa ho an'ireo mpandrindra noho ny hoe fandresena lehibe ho an'ny fahasalamam-bahoaka. Angamba kosa mety mba hampihena bebe kokoa ny fironan'ireo tanora amin'ny fahazaram-piainana miaingitraingitra sy tsy maha-salama izany. Nefa aleoko aza nisafidy ny làlana fanomezam-pahafantarana misimisy, ka mihevitra ny olona ho misaina, fa tsy sanatria toy ny saribakoly.
Na dia izany aza, dia toy ny misy endrika tsy ampy fisainana ny fihetsik'ireo mpifoka manoloana ireo fanovàna. Tahaka ny mino ireo mpifoka sasantsasany fa ratsy tsiro ireo sigara avy tamin'ilay fonosana misy hafatra tsotra sy mazava tsy laroina haingo raha miohatra amin'ireo sigara tamin'ny marika teo aloha. Ny olona sasany dia mieritreritra fa ireo sigara teo aloha ihany no nahodin'ny Ministeran'ny Fahasalamana.
Tsy mba i Mr. Leopold izany. Natombony ny resaka fonosana Oliva manome setroka maitso …tsiro hafa ? ao amin'ny ausrc.com/forum [rc=remote control]:
Maro amin'ireo mpifoka sigara any ho any no mahita ny fahasamihafan'ny tsiro rehefa mifoka ilay amin'ny fonosona hatramin'izay mihoatra amin'ilay fonosana vaovao***maitso?? Tsy mitovy tsiro amin'io ilay fonosana maitso sady toy ny tsirom-body.
Tsy ao an-tsaina mihitsy ny hieritreritra toy ny hoe izaho nanisika ilay sigara vaovao tao anaty fonosana taloha izay mbola feno sigara ny antsasany sy nanafangaro azy rehetra tao ary dia nisy fahasamihafàny ve?
Adam Ferrier, voaiben'ny resa-pifandraisana sy dokambarotra avy amin'ny masoivoho mpanao dokambarotra Naked Communications dia niezaka nanazava ity toe-javatra manahirana ity ao anatin'ny Unleashed:
Rehefa manandran-tsiro zavatra isika dia matetika tsy dia mahatadidy hoe tahaka ny ahoana ilay tsiro, fa mamorona tsiro – manamboatra azy, miankina amin'ireo izay zavatra fantatra eo am-pelatànana.
… Rehefa manandrana sigara, mandray anjara amin'ny fanomezan-tsirony daholo izay dokambarotra rehetra mikasika an'izay sigara izay.
Na izany aza anefa, dia manohana ilay lalàna izy:
Isaky ny fandraisanandraikitry ny governemanta – ny fandraràna ny dokam-barotra, ny famerana ny fitsinjarana, ny fanondrotana haba isan-karazany, ny fanovàna fonosana ho tsy misy mari-pamantarana – dia samy misy fiantraikany avokoa.
Fa raha izany no marikin'ny fanjakàna mpitsetra, dia ohatran'ny zanakalahin'ilay mpifoka sigara matin'ny homamiadana izay tena mbola tanora herotrerony aho ka falifaly hiteny hoe “Goo goo ga ga. Mba karakarao koa izahay.”
Mihevitra ny hampiditra lalàna mitovitovy amin'izany momba ny fonosana miady amin'ny fifohana sigara ireo firenena hafa toa an'ny Grande Bretagne sy Nouvelle Zelande. Ny Huff dia naharay fanehoankevitra mihoatra ny 400 raha nangataka ny hevitry ny Amerikana mikasika ilay hevitra.
Ny valintenin'i LorentDiscard dia tena mahavelom-bolo:
Tena fivoarana lehibe izany. Efa hita sahady fa misy rasaka porofo tsy hita fotota loatra milaza fa na dia ireo mpifoka mafy loha, nanankin-tena tamin'ny sigara aza dia tahaka ny nampihena kely ihany ny fankafizan-dry zareo ireo marika mahazatra azy.
Tsy mino ny fandraràna aho, fa mino tanteraka kosa amin'ny fiarahana mandray andraikitra hiaro ireo zanantsika, ary dia any isika no hahita ny vokatra mivaingana.
Manana fomba fijery malalaka kokoa i Hgcohan:
Fitondrana Mpitsetra, Governemanta mpitsabatsabaka. Ny Fahafahana dia midika hoe ‘fisiana malalaka’. Alàlana avy aiza eto amin'izao tontolo izao no ahafahan'ny governemanta manapa-kevitra ny amin'ny famonosana sigara? Izany dia efa porofo mivaingana amin'ny fanitsakitsahan'ny governemanta ny fetran'ny fahafàhana.
Ireo Indostria mpanodina sigara dia nihazona mafy fa io fonosana tsy misy loko io dia hampirongatra ny varo-maizina sy ny halatra. Hita taratra ao amin'ny adihevitra ataon-dry zareo avy ao Grande Bretagne amin'izao fotoana izao izany .
Tena hahaliana tokoa ny hahita raha hisy firenena hafa ho voatarik'i Aostralia ato ho ato.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...