15 Novambra 2012

Tantara tamin'ny 15 Novambra 2012

Fanetsehana Hitazonana Ny Fampiasàna Ny Portioge Ho Isan'ny Teny Fampianarana Ao Frantsa

  15 Novambra 2012

Miisa 250 tapitrisa eo ny mpiteny portioge, izy no teny faha enina be mpiteny indrindra eto an-tany. Ambara ho misy eo amin'ny 2 tapitrisa eo ny miteny portioge ao Frantsa, izay ny betsaka dia ireo mpifindra monina na ny taranaka portioge mpifindra monina . Nilaza ramatoa Minisitry ny Fampianarana Ambony, Geneviève Fioraso, tao anaty tafatafa iray fa "ny hanana sampam-piofanana iray tsy fahita firy, toy ny portioge, any amin'ny anjerimanontolo rehetra, angamba tsy dia ilaina loatra". Mihetsika maneho hevitra amin'io fanambaràny io ireo bilaogera miteny portioge ao Frantsa:

Côte d'Ivoire: Hiakan-katezeran'ireo Mpikirakira Aterineto Noho Ny Fanangonana Fe-potoam-piasàna

  15 Novambra 2012

Sitrak'ireo Ivoariana bilaogera raha mba misy resaka matotra miainga mikasika ity fanangonana fe-potoam-piasàn'ireo parlemantera ao Côte d'Ivoire ity. Reraky ny mahita ireo solombavambahoaka lasa ben'ny tanàna avy eo na filohanà filankevitra, ka ety anaty tambajotra sosialy na amin'ny alàlan'ny fanangonan-tsonia dia angatahan'ireo mpikirakira aterineto ireo ivoariana mpitarika politika mba hitsipaka ny fampivangongoana.

Polisy Manao Be Midina Ao An-tranonà Mpitoraka Bilaogy An-dahatsary Ao Japana

  15 Novambra 2012

Nanao be midina tany an-tranonà mpitoraka bilaogy an-dahatsary izay nandrakitra ireo hetsi-panoherana ny nokleary ny polisyJ mba haka porofo hamelezana mpanao fihetsiketsehana iray mahery setra. Isaky ny Zoma, misy fifamorian'ireo mafàna fo eo anoloan'ny Biraon'ny Praiminisitra Japoney ao Tokyo sy any aminà tanàna maro samihafa mba hanao hetsi-panoherana. Raha tsy dia miresaka loatra an'ireny hetsi-panoherana ny nokleary ireny ireo fampahalalam-baovao mahazatra, zava-dehibe sy tsy mitsitsy kosa amin'ny fitaterana ny tantara ireo lahatsary avy amin'ny olon-tsotra.