Ilay fandaharana Katalàna fampahalalam-baovao “30 minuts” (30 minitra) [ca] antsoina hoe “Independence, step by step” (Fahaleovantena, tsikelikely), izay naely isan-kerinandro tany amin'ny fantson'ny fahitalavi-panjakana TV3 [ca] any amin'ny faritany hatramin'ny 1984, nandefa fizaràna iray mikasika ny toerana misy ny jeopolitikan'i Katalonia ankehitriny. Mipoitra anaty fotoan-tsarotra io fizaràna io, herinandro monja talohan'ny nanombohan'ny fampielezan-kevitra ho an'ny fifidianam-paritra izay efa akaiky (hatao ny 25 Novambra 2012), izay raisina ho fitsapan-kevitra mikasika ny fahaleovantenan'i Katalonia avy any Espaina.
Afaka jerena ao amin'ny vohikalan'ny TV3 [ca] io fizaràna manontolo io.
http://www.youtube.com/watch?v=3htlc466ixs
Nanararaotra izany fotoana izany hitsikerana ny lahatsoratr'ilay fahitalavi-panjakana Katalana ireo antoko mpanohitra miray ao Katalonia, miampanga ny Filoha Artur Mas ho mampiasa izany hanapariahana ny fampielezan-kevitra mampisara-bazana mba hanohanana ny mety ahafahan'ny antokony (CiU [ca]) hihazona ny fifehezana ny parlemanta.
Na izany aza nahazo isa ambony dia ambony ny “Independence, step by step” amin'ny maha-fizarana be mpijery indrindra azy tamin'ireo andiany efatra farany . Mpijery miisa 750,000 (22.3%-n'ny mpijery fahitalavitra ao Katalona) no nijery io fizarana io, araka ny fanisàna [ca] nataon'i Kantar Media.
Nalaky lasa lohahevitra amin'ny resaka mafana ao anaty aterineto io fandaharana io, satria dia nanomboka niparitaka tao anaty Twitter ny tenifototra #30minuts [ca] nandritra ny fandefasana azy tamin'ny Alahady ary nitohy izany hatramin'ny Alatsinainy maraina. Toa mifandraika amin'ny fahasarotan'io politikam-paritra io ireo fihetseham-po eran-tany mikasika ilay fandaharana, manamafy ny fandinihana fa tsy mora tokoa ny resaka manodidina ny maha-firenena iray an'i Katalona.
Ireo izay nanindrahindra io fizaràna io dia nitsikera izay heverin'izy ireo ho fahamendrehan'ny asa fanaovan-gazety, nomarihan'ny fanolorana hevitra samihafa sy fanoherana ny fomba fijerin'ireo manam-pahaizana mikasika ny fahaleovan-tenan'i Katalona avy any Espaina. Miquel Roca [ca], Katalana mpanao politika nasionalista sady iray amin'ireo loha nanangana ny lalàm-panorenana Espaniola, tahaka an'i Alberto Ruiz-Gallardón, minisitry ny Fitsarana ao Espaina, dia isan'ireo olona nohadihadiana tanatin'io fandaharana io.
@saravaldesB Quan en un reportatge s'aporten testimonis equilibrats d'ambdues parts, és bon periodisme.Tot el demés populisme. #30minuts vs #elgrandebate
@JoanJosepPastor Molt aclaridor “La independència, pas a pas” de @30minuts explicant el procés i totes les perspectives http://bit.ly/R6irhB #30minuts
@nasticnastic Enhorabona pel #30minuts d'ahir. A veure si aprenen altres cadenes de tv.
Amin'ny lafiny hafa, maro ireo mpampiasa aterineto tsy manam-panantenana no naneho ny ahiahiny fa raha variana mitatitra ireo politika fanasaraham-bazana hita any amin'ny faritra ny fahitalavi-panjakana, tsy misy miraharaha kosa ireo tranganà kolikoly miseho anatin'ny politikan'i Katalona — tahaka ny raharaha Cafè amb llet [ca], izay nandoavan'ireo mpanao gazety roa onitra 10.000 euro taorian'ny famoahan'izy ireo fifampiraharahàna hafahafa nisy teo amin'ireo lehiben'ny fahasalamana.
@TeresaSoler “@OriolCanosa: El que està passant amb @_cafeambllet i la sanitat catalana també donaria per un #30minuts , no?” O per un #60minuts #tela
@fletandelnorte ganes de veure un #30minuts en el que tot un pare de la constitució parli de la corrupoció CIU: Cas Millet, Cas ITV, Cas Crespo, Sanitat,
@pauaragay Celebro que Miquel Roca, tant des de la seva columna a LV com des d'espais televisius com el darrer #30minuts, estigui parlant tan clar.
Misy ihany koa ny famoahan-kevitra manan-danja mifono kiana, mitsikera izay raisina ho fitaterana mitanila sy fanapempoana.
@Gonzografia Hace gracia la valoración de hoy del #30minuts,hablan de la voluntad de un pueblo,como si TODO el pueblo Catalan deseara la independencia.
@CristianFerrerG He vist el #30minuts d'ahir: Sesgat, demagog i parcial. Hi havia per fer un bon reportatge i només han fet propaganda política per a @CiU
@ullerol Acabo de vore el #30minuts d'ahir sobre la independència de Catalunya i el trobe totalment parcial i sense contrastar coses molt bàsiques.
Naverin'ireo mpîtoraka bilaogy nodinihana be ihany koa ilay fandaharana. Ao amin'ny Planeta imaginari [ca], ny mpanao gazety Gemma Busquets, izay mifantoka manokana amin'ny fahitalavitra, dia nanana fisainana tsara mikasika ny singa hita tanatin'io fizarana io.
El títol del reportatge de “30 minuts” era il·lustratiu del que hi trobaríem: “La independència, pas a pas”. Impecable en la confecció, amb entrevistes a experts constitucionalistes i economistes d’aquí i d’allà, declaracions d’arxiu de polítics, el missatge oficial del govern espanyol en la veu del ministre Gallardón, la contextualització internacional amb les situacions que viuen el Quebec, Kosova i Escòcia… Amb arguments i raonaments, el treball periodístic, diguin el que diguin els que estan a les trinxeres, seguia la política del seny que impera en el procés de canvi que viu Catalunya.