Hong Kong: Olompirenena Manaisotra Ireo Kanetim-Plastika Nitondraka Nandritra Ny Rivodoza

Mihoatra ny 150 taonina ny kanetim-plastika novokarin'ny SINOPEC no nitondraka tany an-dranomasina rehefa niditra tao Hong Kong ny rivodoza (Typhoon) Vicente tamin'ny 23 Jolay 2012. Saingy sady tsy nilaza ny toe-draharaha tamin'ny olona ny fitondrana ao Hong Kong no tsy nandray ny andraikitra hanao ny fanadiovana mandra-pahitan'ny olo-tsotra ny kanetim-plastika nanemotra ny tora-pasika tao an-toerana. Amin'izao fotoana izao mbola mifandrindra amin'ny asam-panadiovana amin'ny alalan'ny facebook hatrany ireo vondrona mpiaro ny tontolo iainana.

Nosoratan'i Gary Stokes avy ao amin'ny Sea Shepherd Hong Kong ny tatitra an-tserasera voalohany ary nanangana pejy Facebook ihany koa izy hanarahana ny toe-draharaha:

Taorian'ny nidiran'ny rivodoza teto Hong Kong andro vitsy lasa izay, nisy zavatra maharikoriko hitan'i Tracey Read teo amin'ny helodrano Discovery avaratry ny torapasika. Lasaka-na akora-na plastika vonona aodina 25kg miisa 30 tsirairay avy no hita niantoraka teo amin'ny torapasika [azo antsoina hoe vakana ihany koa]. Indrisy moa fa foana ny 11 amin'ireo lasaka ary niparitaka nanerana ny torapasika ny tao anatiny amin'izao fotoana izao. Ny plastika moa no iray amin'ny mpandoto ny morona sy ny ranomasina indrindra amin'izao fotoana izao. Mitovy endrika amin'ny atodin-trondro mihitsy moa ireny zavatra ireny satria hanin'ny trondro sy ny vorondrano. Mitroka ireo mpandoto hafa rehetra ny vakana mialoha ny mahatafiditra azy am-bava, mamindra ny loto ao amin'izay nihinana azy. Manao ny asany izy rehefa tafiditra ao amin'ny rojon-tsakafo [chaine alimentaire] ary mety ho tonga hatrany anatin'ny sakafon'olombelona.

Niely tamin'ny mpiteny anglisy indrindra indrindra ny vaovao ary nolazain'ny South China Morning fohy dia fohy tamin'ny 31 jolay. Namokatra lahatsary fisoloana vava haingana dia haingana ny vondrona Facebook hanairana ny olona:

Raha mbola tsy nanao antso fanoloran-tena hanaovana asam-panadiovana akory tamin'ny alalan'ny forum an-tserasera Shinoa ny vondrona mpiaro ny tontolo iainana miorina ao amin'ny helodranon'i Discovery antsoina hoe DB Green, dia efa notsongain'ny gazety be mpamaky shinoa ao an-toerana ny tantara. Nisy tantara iray nahafeno pejy hita tao amin'ny Apple Daily [zh] tamin'ny 4 Aogositra.

Nanaiky ihany ny fitondrana tamin'ny 5 aogositra, rehefa noteran'ny mpanao gazety, fa efa nahazo filazana avy amin'ny SINOPEC momba ity raharaha ity vantany vao lasa ny rivodoza saingy nieritreritra fa tsy mampidi-doza (misy poizina) ny kanety [na vakana]. Saingy nitatitra ny mpiompy trondro [zh] tao an-toerana fa maty ‘vokin'ny kanetim-plastika’ ny trondro tamin'ny fihinanana azy ireny.

Na dia nampanantena ny hanao ny asam-panadiovana aza na ny fitondrana na ny SINOPEC, tezitra tamin'ny fihazohazoana ny olona ka nanaraka ny ohatra nataon'ny DB Green, miantso hanaovana ny fanadiovana ihany koa ny vondron'olo-tsotra tahaka ny Lamma Corner, Scholarism ary ny Green Sense.

More than a hundred volunteers showed up at Shek O beach on August 12, 2012. Photo from Plastic Disaster on Facebook.

Mihoatra ny zato ny mpilatsaka an-tsitrapo tonga tao amin'ny torapasika Shek O tamin'ny 12 Aogositra 2012. Sary voina navelan'ny plastika hita Facebook.

Ankoatra izany, nampiasaina ny Google Map ho fandrindrana ny fanadiovana:


Jereo ny Voinan'ny plastika amin'ny sarintany lehibebe kokoa

Iray volana izay no lasa fa mbola mifampizara ny fitaovam-panadiovana ihany ny olom-pirenena ary manome ny vaovao farany momba ny toerana vaovao tratran'ny fahalotoana ihany koa:

Report from Sam Pak Wan, Discovery Bay in August 10, 2012. Photo from Plastic Disaster on Facebook.

Tatitra avy amin'i Sam Pak Wan, Helodrano Discovery 10 Aogositra 2012. Sary avy amin'ny Voina navelan'ny Plastika navoaka Facebook.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.