Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fanadihadihana nataonay manokana momba ny fihetsiketsehana tao Bahrain 2011.
Miara-mivondrona ao amin'ny aterineto ireo mpampiasa aterineto Bahraini mba hisarihana ny saina amin'ireo fepetra tsizarizary ao amin'ny fonjaben'i Jaw, izay ahitàna mpanao politika voafonja, ankoatra ireo hafa.
Taorian'ny fanampenam-bava ny hetsi-panoherana tao Bahrain ny 14 Febroary 2011, dia olona anjatony no voasambotra, notsaraina sy naiditra am-ponja noho ny fandraisana anjara tamin'ny fihetsiketsehana nanoherana ny governemanta.
Mampiasa Twitter ny mpisolovava Reem Khalaf hizaràna ny hirifirin'ireo voafonja tamin'ity lohataona ity ary ny fahafaham-baraka nahazo azy ireo.
Mibitsika izy manao hoe:
Manampy izy fa:
المعتقلين في البحرين يتم سجنهم في سجن جو مبنى ٤ حيث ماء الاستحمام يغلي من حرارته و درجة حرارة الجو تفوق ال٥٠ درجة #Bahrain #سجن_جو
Manamarika i Khalaf ao anaty bitsika hafa fa:
المعتقلين في البحرين يتم سجنهم في سجن جو مبنى ٤ حيث لا يوجد ماء صالح للشرب #Bahrain #سجن_جو
Ary manohy izy fa:
@lawyerreemkhalaf: Ireo voafonja ao Bahrain dia voatàna ao amin'ny fonjan'i Jaw Prison, ahitàna tranobe iray tsy misy rivotra azo hiainana. Mihoatra ny 50 Degres Celsius ny maripàna eto
Manampy i Sayed Hassan fa:
@WLEXT: Ity hafanana & toetr'andro ity dia mampahatsiahy ny hamaroan'ny fampijaliana faobe atao amin'ireo #mpanao politika voafonja ao Bahrain #JawPrison izay tsy misy fandrindràna ny rivotra iainana (AirConditioning) #JawPrison_tsy misy_AC
Raha te hahita fihetsehana hafa, dia jereo ity tenifototra ity[Ar].
Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fanadihadihana nataonay manokana momba ny fihetsiketsehana tao Bahrain 2011.