Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Lalao Olaimpika ao Londona 2012.
Mankalaza ny fandresena voalohany azony tamin'ny Lalao Olaimpika fanao rehefa Lohataona tamin'ny Londona 2012 i Goatemala. Ny Sabotsy 4 Aogositra, azon'i Erick Barrondo Garcia ny medaly volafotsy tamin'ny fandehanana an-tongotra 20km ho an'ny Lehilahy. Vao nivoaka ny vaovao, ireo mpampiasa ny media sosialy, isan'izany ireo mpanao politika sy olo-manan-kaja hafa, dia nitehaka sy niarahaba ny fandresena mendrika azon'i Barrondo.
Miarahaba azy amin-kafanam-po ilay Pop-star Ricardo Arjona (@Ricardo_Arjona) [es] :
@Ricardo_Arjona: Erick Barrondo. Que Dios te bendiga. Mas orgulloso que nunca. Nuestra primer medalla gracias a vos. Que viva Guate.
Ny filoha lefitra, Roxana Baldetti (@roxanabaldetti) [es], dia manoratra ao amin'ny Twitter hoe:
@roxanabaldetti: Erick Barrondo es ejemplo de esfuerzo y valentía. Dios lo bendiga! La medalla es un sueño hecho realidad!
Ilay mpitantara fanatanjahantena, Edgar Galindo (@Galindogt), dia mizara sary iray ahitàna ity atleta miavaka ity eny ambony lampihazo, vonona handray ny medaliny. Toy ny mbola manonofy noho ny fandreseny i Barrondo .
Erick Barrondo dia teraka tany Aldea Chuyuc, any amin'ny kaominin'i San Cristóbal Verapaz, iray amin'ireo faritra tena mahantra indrindra ao amin'ny firenena izay tena mizaka manokana ny vokatry ny adin'ny zava-mahadomelina. Nambara fa ny tanànany sy ny firenena manontolo dia samy niomana ho amin'ilay fankalazana.
Araka ny ambaran'i Opina el Balón (@opinaelbalon) [es], Barrondo dia nandefa ity hafatra manaraka ity ho an'ny fireneny :
@opinaelbalon: Erick Barrondo: “Me voy a sentir tan orgulloso si alguien deja una pistola y la cambia por unos zapatos para ir al estadio a entrenar”
Ao anatinà firenena iray izay vaovao miseho isan'andro ny herisetra, ny kolikoly ary ny fahantrana, ity fandresena ity dia noharahabaina sy noraisina ho toy ny anton-javatra tokony hankalazaina ny asa mafy sy ny tohana nataon'ny fianakaviana mba hamadihana nofy iray ho lasa zava-misy.
Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Lalao Olaimpika ao Londona 2012.