Tanatin'ny andro vitsy monja, fihetsiketsehana maro mifandraika amin'ny jadona miaramila breziliana (1964-1985) no nitranga, na izany teny anivon'ny aterineto na teny ivelany, tamin'ny lafintany efatry ny firenena.
Lany tamin'ity taona ity ny fananganana Komitin'ny Fahamarinana, izay ny tanjona dia ny hanokafana ireo tahirin’ antontan-taratasy momba ny jadona (efa nisy mikasika izany navoakan'ny Global Voices tamin'ny Martsa 2011). Tanjona kendreny ny hitadiavana ny taolambalon'ireo gadra politika am-polony sy ireo mpanao ady anaty akata tsy hita popoka, no sady hitondra fanazavana mikasika ireo andro maizina nodiavin'ny firenena.
Ny Fitsarana Amerikana momba ny Zon'Olombelona ao anatin'ny Fikambanan'ireo Firenena Amerikana (CIDH/OEA) dia nanery, tsy ela akory izay, an'i Brezila mba hiverina handinika ny lalàna momba ny famotsoran-keloka – lalàna napetraky ny fitondrana miaramila mba hamotsorana sy hamafàna ny heloka bevava nataony, toy ny fampijaliana, ny fitazonana olona, ny fanafenana faty sy ny famonoana mpanohitra.
Teo ampahitàna ireo resabe momba ny fanavaozana ilay lalànan'ny famotsoran-keloka sy ny fananganana ilay Komitin'ny Fahamarinana, nanapa-kevitra ireo mafàna fo ny hanao fihetsiketsehana hanehoana mazava ny fihetseham-pon-dry zareo amin'ny ilàna famaizana ireo mpanao heloka bevavan'ny omaly sy hanokafana tanteraka ny tahirin'antontan-taratasy izay mbola tànana ho tsiambaratelo hatrany.
Fihetsiketsehana tao Rio sy “tohivakan'olon'ny lainga”

Sarin'ilay mpanao gazety Vladimir Herzog, novonoin'ny mpanao jadona tamin'ny 1975, natefaka teny amin'ny rindrin'ilay Clube Militar. Sary an'i Moana Maywall tamin'ny fihetsiketsehana iray nokarakarain'i Beatriz Seigner, Moana Mayall, Thiago Dezan, Luis Felipe sy ny fiaraha-mientan'ny Fora do Eixo. Nahazoana alàlana.
Ny 29 martsa, tarika iray nahitàna mpanao fihetsiketsehana 300 raha kely indrindra no nifamory teo anoloan'ny Club Militar, ao afovoan'i Rio de Janeiro, izao tamin'io andro io, nivory tao ireo miaramila fiandry sy ireo mpanao politika manina ny “taonan'ny mailamila varahina” mba “hankalaza” ny fanonganam-panjakana tamin'ny 1964.
Ny tena fanonganam-panjakana marina dia nitranga ny 1 Aprily na dia nodisoin'ireo miaramila aza ny tantara tamin'ny fandraisana ho teboka fiaingana ny andro nialoha io, ny 1 aprily rahateo, ao Brezila “dia andro natao ho an'ny lainga na Poisson d'Avril”.
Ilay mpanao sarisary Carlos Latuff dia manazava sy mampakatra ho ety anaty aterineto ny lahatsary iray mampiseho ny herisetra nataon'ny polisy tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana, tonga manavotra ireo miaramila izay nampihatra fampijaliana ary ireo famonoana olona nandritra ny roapolo taona :
A polícia militar, como de costume, fez farta distribuição de gás lacrimogêneo, spray de pimenta e muita truculência. Ex-militares como o tenente-coronel Lício Maciel, que participou de operações no Araguaia, e o general Nilton Cerqueira, responsável pela execução de Carlos Lamarca, foram escorraçados pelos manifestantes
Nodarohana sy noratrain'ny polisy ireo tanora mpanao fihetsiketsehana, ary ny sasany aza dia nahazo fandrahonana ho faty avy amin'ireo miaramila, tahaka izay nokianin'i Felipe Garcez tao anaty lahatsoratra naverin'ny gazetiboky Vírus Planetário noventiventesina tao amin'ny Facebook.
Ny 1 Aprily dia olona manodidina ny 400 no nanao hetsi-panoherana manohitra ny fankalazana ilay fanonganam-panjakana :
O Cordão da Mentiravem por meio desta repudiar o evento de celebração do golpe militar de 1964, realizado no Círculo Militar do RJ, e a ação violenta da Polícia Militar do RJ contra os manifestantes no dia 29/3/12. O Cordão classifica tais acontecimentos como, no mínimo, lamentáveis.
Ny profesora Chico Bicudo, ao amin'ny bilaoginy, dia mamintina ireo anton'ilay fihetsiketsehana :
Comemorar o golpe e a ditadura militar significa também comemorar a censura, as prisões, os assassinatos, os desaparecimentos, a tortura, a barbárie.
Nitatra hatramin'ny tolakandro manontolo ilay fihetsiketsehana io Alahady io ary ny zotra narahany dia nanoritra indray ireo mari-pamantarana samihafa sy ireo toerana nanamarika manokana ny jadona, araka izay anazavan'i profesora Pádua Fernandes azy ao amin'ny bilaoginy :
A multidão desceu a Rua da Consolação, entrou na Maria Antônia, onde foi feita uma homenagem ao estudante José Guimarães, morto pelo CCC (Comando de Caça aos Comunistas) em 1968; desceu até a imagem da Nossa Senhora que a TFP [Tradição, Família e Propriedade, grupo de extrema-direita católico e base ideológica para o golpe – Nota GV] preserva na Rua Martim Francisco. Em seguida, na Rua Fortunato, outra homenagem, ao militante da ALN Marco Antonio Braz (…).
Depois de parar na frente de um jornal paulista [Folha de São Paulo – Nota GV], (…), a multidão seguiu e chegou ao prédio do antigo DOPS, hoje Estação Pinacoteca (que abriga o Memorial da Resistência), quase às dezoito horas.
Rehefa avy niato teo anoloan'ny foiben-toeran'ny fanaovan-gazety ‘pauliste’ (de São Paulo) [Folha de São Paulo – Fanamarihan'ny GV], (…), nandray ny zotra mankany amin'ny DOPS fahiny (Fanamarihan'ny mpandika: Département de l'Ordre Public et Social, fahatsiarovana mahonena) ny laharana, izay lasa ho Estação Pinacoteca amin'izao fotoana (izay mitahiry ny tsangambaton'ny fanoherana), nanodidina ny tamin'ny 6 ora hariva teo.
Fiampangàna
Ny 26 martsa, vondrona iray ahitana ireo mpitolona avy amin'ny hetsika sosialy samihafa, ny Levante Popular da Juventude, (Fifohazana mahazendan”ny Tanora) no nanao fihetsiketsehana tany aminà tanàna maro tao amin'ny firenena hanoherana ireo miaramila fahiny voarohirohy amin'ny reaka fampijaliana, fanjavonan'olona sy famonoana nandritra ny jadona miaramila breziliana. Ny tanjon'ilay hetsika dia ny hamoaka ho fanta-bahoaka ny adiresin'ireo miaramila fahiny voampanga ho nanao heloka bevava tamin'ny maha-olona nefa miaina tsy amin'ahiahy noho ny lalànan'ny famotsoran-keloka.
Rodrigo Vianna, mpanao gazety sady bialogera, dia nanaraka, tao São Paulo, ny fanentanana teo anoloan'ny orinasa Davi dos Santos Araújo, fantatra tsara amin'ny anarana hoe “Capitaine Lisboa” :
Davi, na verdade, nunca foi capitão. Era delegado de polícia, trabalhou no DOI-CODI em São Paulo e é acusado de torturas, assassinatos e abusos sexuais durante a ditadura.
Ny 7 aprily, ao Brezila, dia “andron'ireo ‘médecin légiste'” (!!) ka ny tranon'ny médecin-légiste sady tale fahiny tao amin'ny Institut médico-légal, Harry Shibata, ao amin'ny Vila Madalena, fokontany ao amin'ny faritra atdrefan'i São Paulo, no nofinidy ho toerana ho an'ny fihetsiketsehana iray izay nahavory olona an-jatony vitsivitsy araka izay hazavain'i Leonardo Sakamoto, profesora sady bilaogera :
Ele é acusado de ser responsável por falsos atestados de óbito usados para acobertar assassinatos de opositores pela ditadura militar, ignorando marcas deixadas por sessões de tortura e produzindo laudos de acordo com as necessidades dos militares.

Rangodrangotra sy hetsi-panoherana nanoloana ny tranon'i Shibata. Sary an'i Leonardo Sakamoto, azo ampiasaina malalaka
Marobe ireo afisy naely tany amin'ny faritra, niampanga ilay médecin légiste tamin'ny heloka bevava vitany. Mpikambana maro avy amin'ny Éveil Populaire de la Jeunesse no voarahona ary fanangonan-tsonia iray no mivezivezy any ho mariky ny firaisankina amin'ilay hetsika. Fanampin'izany, olona an-jatony no nametraka sary teny anaty aterineto tany amin'ireo tambajotra sosialy samihafa, hatraminà takela-kazo fanohanana nampiasaina nandritra ny fihetsiketsehana.
Lahatsary avy amin'ny gazzety Brasil de Fato :
Nisy ihany koa ny 5ª blogagem coletiva #DesarquivandoBR, tohivakan'ireo bilaogera mpitolona ho amin'ny fanokafana ireo tahirin'antontan-taratasin'ny jadona, nahavory lahatsoratra hatramin'ny 52 avy aminà bilaogera samihafa izay “nandray ho lohahevitra fototra ny fampijaliana, ny fanjavonana ary ny tsimatimanota”. Tratrany ny tendro farany ambony indrindra hoazy nandritra ny fanentanana tamin'ny alàlan'ny bitsika, teo ambanin'ny tenifototra #desarquivandoBR, ny alin'ny 31 Martsa sy 1 Aprily.