Fihetseham-po samihafa no hita teo amin'ireo mpiserasera Grika raha nandre fa noafahana ny pretra Ephraim rehefa nigadra efa-bolana monja , lehiben-drelijiozy ao amin'ny monasteran'i Vatopedi ao an-tampon'ny Athos ao Gresy, izay voarohirohy tamin'ny raharaha fifanakalozan-tany teo amin'ny Vatopedi sy ny fanjakana, . Niteraka fandaniana an-tapitrisany euro ho an'ny governemanta izany raharaha manafintohina izany.
Nanapa-kevitra ny fitsarana fa handoavana onitra 300,000 euro ny fanafahana azy ary voarara tsy mahazo mandao ny firenena sy ny tampon'ny Athos ihany koa ny pretra Ephraim.

Pretra Ephraim, lehiben-drelijiosy ao amin'ny monastera Vatopedi ao an-tampon'ny Athos. Sary tao amin'ny kaonty Twitterny @GerontasEfraim.
Nampidirina am-ponja ny pretra Ephraim tamin'ny volana desambra 2011, ary niandry ny fitsarana azy momba ny hosoka sy fanodikondinam-bola nataony. Mikasika ny fifanakalozan-tanim-panjakana lafo vidy aminà tany mora vidy izay fananan'i Vatopedi ny raharahan-tany manafintohina niseho tamin'ny taona 2008 , fifanarahana natao teo amin'ny governemanta Demokrasia Vaovao nisy ny praiminisitra teo aloha Kostas Karamanlis izany.
Ny pretra Ephraim, amin'ny maha tompon'andraikitra azy ao amin'ny fiangonana, dia hajaina sy arahin'ireo mpino kristianina marobe, izay tsy nitsahatra naneho ny firaisankina sy ny fanohanana ny pretra nandritra izany fotoana izany tamin'ny alalan'ny valantserasera, tahaka ny asehon'ny pejy Facebook, ny bilaogy [tsy mety misokatra ny tranonkala ankehitriny] ary ny kaonty Twitter @GerontasEfraim [efa tsy misy intsony]. Ity manaraka ity kosa dia lahatsary notontosain'ny mpisera YouTube GeronNektarios, izay mampiseho ny fiarahabana manetriketrika an'i Ephraim teo anoloan'ny fonja tamin'ny taona 2011, “niantsoantso” ny vahoaka hoe “Axios!” [Mendrika izy!].
Amin'ny maha olona ambony azy ao amin'ny monasteran'i Vatopaidi, niteraka hatairana sy fikorontanana teo amin'ny olona ny raharahan-tany miendrika politika, sosialy, ary toekarena nahavoarohirohy azy.
Nampiseho mazava ny fifandraisana akaiky misy eo amin'ny fiangonana ortodoksa Grika sy ny fanjakana Grika izany raharaha izany, ary zoro fanampiny ho an'ireo mitaky: voalohany indrindra ny fisarahan'ny fanjakana amin'ny fivavahana, faharoa, ny fakana hetra amin'ny fiangonana, ka tsy iharan'ny fepetran'ny fitsitsiana napetraka vao haingana ny fananan-tany.
Nirotsaka nifampiraharaha tamin'ny governemanta Grika ny fiangonana ortodoksa Rosiana sy ny filoham-pirenena Vladimir Putin mba hijerena indray ny fanagadrana ny pretra Ephraim. Ambasady Federasiona Rosiana ao Athène nisioka hoe :
@RFEmbassyGr: Στο Άγιο όρος έφτασε χθες το βράδυ ο Εφραίμ, όπου του επιφύλαξαν θερμή υποδοχή στο λιμανάκι των Καρυών οι μοναχοί sportdog.gr/article/95683/…
Indreto fihetseham-po feno hasosorana tao amin'ny Twitter:
@eddie_kappa: Έχουμε μια “δικαιοσύνη” που αποφυλακίζει τον Εφραίμ και θεωρεί τροχαίο ατύχημα τη δολοφονική επίθεση του δελτά πάνω σε διαδηλώτρια.
@FragileAlex: Θερμή υποδοχή για τον Εφραίμ στο Άγιο Όρος! Δεν είναι δα και ο πρώτος απατεώνας που χαίρει εκτίμησης… Βρίθει ο τόπος.
@eVaN_GiAn: Σε ένα λεπτο βρήκε τα 300.000€ ο Εφραίμ για την εγγύηση του. Αυτο ως απάντηση σε όσους λένε ότι περνάει κρίση ο κτηματομεσιτικός τομέας
@Mythodea_g: @eVaN_GiAn είχε το θεό μαζί του
@Moggoloss: Και την 90η μέρα εμφανίζεται οn’ Θεός στον Εφραίμ και ρωτάει: Πως μπορω να σε βοηθήσω τέκνο μου; Παντοδύναμε χρειάζομαι 300.000€. Και Εγένετο.