Isan-taona, ny Alahady fahatelo ny volana Martsa no hankalazaina ao Porto Riko ny Androm-pirenena ho an'ny Salsa. Na dia izany aza, nisy ireo hetsika isan-karazany nifandraika amin'izany fankalazana lehibe izany nandritra ny volana martsa manontolo.
Toy izany ny tamin'ny Alahady 11 Martsa teo, tao amin'ny Sekolin'ny Haikanto momba ny Mozika ao Porto Riko no natao ny konseritra nentim-paharazana ho fankalazana ny Andron'ny Salsa. Nivory tao amin'ny efitrano fampianarana lehibe Rafael Hernández ireo olona mazoto mankalaza ny Salsa mba hiara-paly amin'ny fanehoana izany kolontsaina sy mozika izany. Fanehoana niparitaka manerana izao tontolo izao mba ho lasa famantarana malaza indrindra sy hajaina indrindra ny mozika sy dihy Amerikana Latina sy Karaiba.
Tamin'ity taona ity, namonjy ny Sekolin'ny Haikanton'ny mpianatra ilay mpihira Cheo Feliciano sy ilay mpihira sady mpitsoka trompetra Jerry Medina, mpihira Salsa roa malaza indrindra ao Porto Riko mba hankalaza ny andron'ny Salsa.
Wilma Colón nizara sombina sary nopihany nandritra ny hetsika. Nahazoana alalana avy aminy ny famoahana ny sary.