Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Global Voices Mitady Tonian-dahatsoratra Amin'ny Teny Shinoa

Mitady tonian-dahatsoratra miasa tapak'andro ny Global Voices (GV) mba hiantsoroka ny fanarahana ny lazain'olo-tsotra any amin'ny tambajotra teny-Sinoa.

Ny Tonian-dahatsoratra no misahana ny fitateram-baovao amin'ny fiteny-Sinoa ka mitady sy mandrindra ny fandraisana anjaran'ny mpirotsaka an-tsitrapo. Izy ihany koa no mamokatra sy/na manitsy ny  lahatsoratra lavalava maromaro  isan-kerinandro sy ny lahatsoratra fohy miaty rohy mankany amina lohahevitra, zava-miseho ary soratra mahaliana araka ny fitrangany. Ao anatin'ny asa iandraketany ny fandikateny, ny fanadihadiana, sy ny famoahana izany, ny manazava sy mikaroka ny fironana, hevitra sy izay mitranga eo amin'ny resaka sosialy sy politika ao amin'ny fifampitam-baovaon'olo-tsotra ao Azia Atsinanana.

Ny Tonia no miandraikitra ny famoahana ny fitateram-baovao feno sy malalaka hita any amin'ny fifampitam-baovao amin'ny teny sinoa araka izay tratra, toy izao manaraka izao:

Fitadiavana: mitady mpanoratra hitantara ny zava-mitranga any amin'ireo firenena ao faritra misy azy; mandrindra ny asa-soratry ny mpanoratra ka manitsy sy mamoaka ny lahatsoratra [hafatra]; ary mamelona ny vondrona Google rezionaly.

Alefa ao amin'ny tranokalan'ny Global Voices:

  • Hafatra [lava] 4-6 isan-kerinandro. Mety ho hafatra [lahatsoratra] avy amin'ny mpanoratra an-tsitrapo na avy amin'ny Tonia, ka mahalala tsara fa ny lahatsoratra sasany (indrindra ireo izay ilaina hadika) dia mila fahaizana amin'ny fanitsiana.
  • “vaovao farany” 5-10 isan-kerinandro. Mety nosoratan'ny mpanoratra an-tsitrapo na ny tonia ihany koa izany. Fohy ny lahatsoratra ary tokana ihany ny rohy miaraka aminy.

Fitateram-baovao manokana: Raha misy hamehana, avoaka mialoha araka izay tratra ny lahatsoratra raha ilaina.

Ireo izay liana ny amin'izany dia iangaviana handefa ny CV sy ny taratasim-pahavononana [amin'ny teny anglisy mazava loatra] manazava fa ianao no mety tsara amin'ilay asa ao amin'ny : adminjob AT globalvoicesonline DOT org

Hatramin'ny 21 marsa 2012 no handraisana ny fangatahan'asa.

Jereo ihany koa ny takelaka tolotr'asa ato aminay izay misy ato amin'ny Global Voices amin'izao fotoana izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.