08 Marsa 2012

Tantara tamin'ny 08 Marsa 2012

Rosia: Fomba fijerin'ny Mpiblaogy ny Minitra Farany Alohan'ny Fifidianana

Akon

Ny fifidianana filoham-pirenena ny Alahady dia mifangarika tanteraka tamin’ny fifidianana an’i Vladmir Putin voalohany tamin’ny taona 2000, raha foto-kevitra tokana nijoroany ny ady amin’ny fampihorohorona any amin’ny faritra avaratra Caucasus. Donna Welles dia nanome Fomba fijerin'ny Mpiblaogy ny Minitra Farany Alohan'ny Fifidianana.

08 Marsa 2012

Korea Atsimo: Miala Amin'ny Asany Ireo Mpanao Gazety Maro Avy Amin'ny Fahitalavi-panjakàna Iray

Ireo mpanao gazetin'ny iray amin'ireo tambajotram-pahitalavitra ara-barotra lehibe indrindra any Korea Atsimo, ny Munhwa Broadcasting Corporation (MBC) dia mitokona mandritra ny fotoana tsy voafaritra efa nanomboka tamin'ny volana Janoary 2012, mitaky ny fahamarinana amin'ny fanaovan-gazety tsy misy ambadika politika. Tamin'ny 4 Martsa 2012, mpanao gazety 166 no nanambara fa hiala amin'ny asany [ko] ho mariky ny fanoherana.

08 Marsa 2012

Mametraka Lalàna Fanaraha-maso Mampiahiahy i Meksika

GV Mpisolovava

Nametraka lalàna fanaraha-maso ankehitriny ny mpanao lalàna Meksikana , izay nanome fahafahana maimaim-poana tsy ilàna didy avy amin'ny fitsarana ny mpitandro filaminana hiditra amin'ny fanarahana ny misy ny olona iray ara-jeografika. Saika ny maro mihitsy ny nanaiky tanteraka io volavolan-dalàna io tamin'ny vato mpomba 315, mpanohitra 6 , ary tsy naneho hevitra 7. Nalefa tany amin'ny filoha izany mba ho ankatoaviny.

08 Marsa 2012

Espaina: Mbola Mitohy Hatrany Ny Fanenjehana Ny Mpianatra Ao Valencia

Andro vitsy monja taorian'ny fanenjehana mahery vaika ireo mpianatra tao amin'ny ambaratonga faharoa tao amin'ny sekoly Luis Vives tao Valencia izany nataon'ny mpitandro ny filaminana, dia mbola lasibatry ny daroka ihany ny mpianatra, natositosika ary niharan'ny herisetra avy amin'ny mpitandro ny filaminana tao anatin'ny hetsi-panoherana am-pilaminana nataon'izy ireo

08 Marsa 2012

Kiobà : Fomba Fijerin'Ireo Bilaogera Ilay Faha 50 Taonan'ny Fahirano (Andiany Faharoa)

Ilay fahirano nataon'i Etazonia an'i Kiobà dia namoha fanehoan-kevitra mahaliana, adihevitra sy fisaintsainana izay tsy lefin'ny fotoana : 50 taona ankehitriny ilay fahirano. Amin'ity lahatsoratra ndiany faharoa amin'ilay fizaràna roa mikasika ny fomba fijerin'ny Kiobà ilay faha 50 taonan'ny fahirano ity dia omany ny fomba fijerin''ilay bilaogera iray avy ao Kiobà sady mpanoratra ao amin'ny Global Voices, Elaine Díaz.

08 Marsa 2012