Avy amin'ny alàlan'ny tahirin-tsariny ao amin'ny Facebook antsoina hoe “Venezuela dances to the tune of...”, nizara sarina famerenan-dihy tany amin'ny Nosin'i Margarita i Carmen Helena González. Hita eto ireo sary rehetra [es] ary arahana fisaintsainana mampanontany ny fisian'ny fampielezan-kevitra politika anatinà seham-panabeazana. Hitantsika amin'ny fampidirana io tahirin-tsary io ity tsikera manaraka ity:
Sentimientos encontrados esta tarde al asistir a este ensayo de danza de un grupo de niñas margariteñas. La belleza de sus caras, la luz de esta tarde y algo que bailaba en el ambiente chocaban con el contexto adoctrinante…
Maro ireo noresahana momba ny fampielezan-kevitra politika sy ideolojika mandritra ny governemantan'ny Filoha Hugo Chavez. Ho an'ny maro, mampiseho ny fidiran'i Venezuela anatinà vanim-potoana vaovao izay tokony hamerenana ny fandinihina sy fanapariahana ny tantarany. Ho an'ny hafa, ideolojika novolena ka mikitika ireo faritra marefo tahaka ny fanabeazana sy ny fandrindrana ny fanjakana ireo fiovàna ireo.
Noraisina nandritra ny kilasy fandihizana maimaim-poana tany amin'ny tranomboky “Alí Primera” ireto sary manaraka ireto ary mampiseho ny ampahany amin'ny teo-javatra manodidina ny adihevitra:

Ampahan'ilay tranomboky "Alí Primera". Soratra eo amin'ny rindrina: "Miaraka amin'ny fanovàna, miaina i Bolivar!" Sarin'i Carmen Helena Gonzalez, nampiasaina teo ambany fankatoavany.

Tahirina cuatros (zava-maneno nentin-drazana Venezoelana) sy ny sarin'ireo olona manan-danja vitsivitsy tamin'ny Fanovàna Bolivariana: Alí Primera, Ernesto "Che" Guevara ary Karl Marx, ankoatra ireo hafa. Sarin'i Carmen Helena Gonzalez, nampiasaina teo ambany fankatoavany.