Myanmar: Mahafinaritra Ity Zoma 13 Ity
Noporofoin'ny Filohan'i Myanmar Thein Sein fa tsy misangy ny governemanta amin'ny fananganana ny demokrasia tamin'ny alalan'ny fanafahana ny gadra politika rehetra androany. Araka ny vaovao notaterin'ny fahitalavim-panjakana, mpanohitra 651 no navoaka ny fonja.
Heverina ho toy ny dingana lehibe mankany amin'ny lalan'ny demokrasia ao Myanmar ny fanafahana ireo gadra politika malaza ireo. Anisan'ny nahazo fahafahana tamin'izany ireo mpitolon'ny taranaka 88: Min Ko Naing, Ko Ko Gyi, Mya Aye, Jimmy, ary i Ni Lar Thein, ao koa ilay moanina mpitolona Ashin Gambira, ny Praiminisitra teo aloha Khin Nyunt sy ny zanany lahy, ary ilay mpamaham-bolongana Nay Phone Latt. Samy nifampitafatafa tamin'io olona fanta-daza ny sampam-panangonam-baovao avy ao an-toerana sy avy any ivelany taorian'ny fanafhana azy ireo.
Niombon-kevitra tamin'i Aung San Suu Kyi, ilay olomangan'ny demokrasia ao Myanmar ny Praiminisitra teo aloha Khin Nyunt nilaza fa dingana iray mankany amin'ny lalana marina ny fanapaha-kevitra farany noraisin'ny governemanta. Indreto tatitra avy amin'ny Vondrona Fampahalalam-baovao ” Eleven Media Group”:
Mahafinaritra ny governemanta ankehitriny. Satria nihaona tamin'i Daw Aung San Suu Kyi izy ireo. Ary ny ezaka nataon'i Daw Aung San Suu Kyi, sy ny ezaka nataon'ny filoha, ary ny ezaka nataon'izy roa tonta no mety hitondra hoavy mamiratra eto amin'ny firenena, araka ny eritreritro.
Namoaka ny kabary nataon'i Min Ko Naing sy Ni Lar Thein ny Democratic Voice of Burma ( Feon'i Birmania Demokratika) . Vahoaka an'arivony mahery no nitsena an'i Min Ko Naing:
Misaotra anareo rehetra, tany am-ponja foana aho nandritra ny 20 taona. Kanefa mbola salama ihany aho araka izao fahitanareo ahy izao noho ny fitiavan'ny vahoaka. Noho ny demokrasia izay antenain'ny vahoaka, mampanantena antsika aho fa hotohizantsika izany mandra-pahatratra ny tanjona.
Nanamafy ihany koa i Ni lar Thein fa tsy nisy taratasy nosoniaviny mikasika ny fanafahana azy.
Vahoaka maro manerana ny firenena no naneho ny hafaliany tamin'ny valantserasera taorian'ny filazana ny fanafahana ireo gadra. Brownboy naneho hevitra tao amin'ny vaovao farany an'ny Eleven Media Group :
Ankehitriny faly anaty sy ivelany ny vahoaka. Mankasitraka ny Governemanta…Vokatra azon'ny tsirairay tsapain-tanana izao..
Fa nahoana no tsy nataon-dry zareo loha-laharana izao…?
Na dia izany aza, fotoana tokony iravoravoantsika izao…
Ho ela velona ny vahoaka & Firenena!!!
KHZ1994, mpaneho hevitra hafa, naneho ny hafaliany :
Tsy mahatsiaro sakafo atoandro intsony aho. Satria mbola variana mamaky vaovao sy ny fanehoan-kevitra rehetra. Ranomasom-pifaliana ho an'ny vahoaka ny andro androany.
Namoaka fanehoan-kevitra toy ny hoe “Zoma [faha-13] Mahafinaritra”, “Afaka izahay”, “Misaotra ny Filoha” sy ny hoe “angano tsy mampino androany” ny mpiserasera Myanmar ao amin'ny Facebook ho fanehoana ny fihetseham-po noho ny vaovao. Nihevitra ihany koa ireo mpiserasera sasantsany fa hamaritra ny ho avin'i Myanmar ao anatin'ny fotoana fohy ny fanovana azo tsapain-tanana.
Maung Maung San nandefa sarisary ho an'ny filoha no sady nilaza hoe:
Tena fanapahan-kevitra hentitra izany Andriamatoa Thein Sein. Hitako eto ny fanafoanana ny sazy ary hisy ny firoboroboana ara-toekarena atsy ho atsy. Zoma [faha-13] tsara ny androany.
TeZa Hlaing nandefa ny heviny tao amin'ny facebook:
tsy taonan'ny fara andro ny taona 2012 fa taonan'ny fanombohana ho an'i Myanmar.
SG_Lion nilaza ny eritreriny mikasika ny hoavin'ny firenena:
Andramo ho an'ny firenentsika ny hijoro amim-pahasahiana eo amin’ izao tontolo izao ka adinoina avokoa ny lasa rehetra. Hofoanana avokoa ny sazy rehetra, ary hihatsara ny fampiasam-bola ao Myanmar avy any Eoropa, Etazonia sy ny firenena hafa any ivelany. Ho avy tsy ho ela anie ny andro ahafahantsika milaza am-pireharehana hoe “Myanmar aho”
Araka ny gazety Myanmar Times, Aung San Suu Kyi naneho hevitra taorian'ny fihaonany tamin'ny solombavahoaka Amerikana iray :
Nanambara aho fa mety ho afahana izy ireo. Ary ankehitriny, afaka izy ireo.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...