Ny 2 Aogositra 2011, ny filankevitry ny tanànan'i Sao Paulo, Brezila, dia nametraka Andro Ho An'ny Tsy Mitovy Mifanambady, hetsika iray hankalazaina isaky ny Alahady fahatelo amin'ny volana Desambra. Io tetikasa io, tolo-kevitra avy amin'ny mpanolotsaina kristiana evanjelika, sady mpanohitra mafy ny zon'ireo mitovy nefa mifanambady [pt] Carlos Apolinario, avy amin'ny Antoko Demaokraty (DEM), dia nekena tanaty fivoriambe nandritra ny fifidianana sarintsariny natao izay mametraka mialoha ny fandaniana azy tsy miankina amin'izay vokatra marina ho azo avy eo, izay tamin'ity tranga ity dia nahitàna mpanolotsaina 20 nitsipaka ary 19 nanaiky.
Taorian'ny fanambaràna ny fahalaniany, hatezerana sy fahasorenana no nameno ny tontolon'ny fitorahana bilaogy sy Twitter. Ireo mpampiasa aterineto, mitovy nefa mifanambady (Gay), hatramin'ireo manaraka ny lalàn'ny natiora (hétéro), dia toa samy naneho ny tsy hafalian'ny amin'ny fametrahana ilay andro daholo izay, ho an'ny maro, midika fanamafisana ny onjam-pankahalàna ny tsy mitovy amin'ny tena izay mahazo vahana eo amin'ny firenena.
Fisoloana vava sa tsy fandeferana?
Araka ny hevitry ny maro amin'ireo mpampiasa aterineto dia tsy misy dikany ny hanokànana andro iray ho anà maro an'isa ara-tsosialy izay tsy nizaka akory zavatra tsy rariny. Ilay mpampianatra, Tulio Vianna, dia mihevitra hoe [pt] :
Quando os homossexuais fazem sua “parada do orgulho gay”, eles manifestam-se por respeito à sua orientação sexual. Quando os heterossexuais fazem uma “parada do orgulho hetero” eles manifestam sua intolerância por orientações sexuais diversas.
Juliana Freitas, mafana fo koa, dia nanontany [pt] izay ilàna ny “fitakian'ireo hétéro” ka naleony miantso ilay “Andro natokana ho an'ireo manaraka ny lalàn'ny natiora” hoe “Andron'ny Henatra”, indrindra noho ny fahitàna fa tsy nisy tranganà herisetra notaterina hoe nihatra tamin'ireo noho ny fironany ara-nofo.
Lola Aronovich, mpampianatra sady mafàna fo amin'ny fiarovana ny vehivavy, dia mandinika [pt] mikasika io foto-pisainana io :
Pense nos privilégios que um hétero tem. Quando você sentiu vergonha de ser hétero? […] Quando você foi discriminado por ser hétero? […] ter orgulho de ser hétero é querer celebrar a sorte que você tem simplesmente por ter nascido hétero. […] Ninguém vai te expulsar do recinto, ninguém vai te bater ou matar, ninguém vai querer te transformar, ninguém vai dizer que se envergonha de ser seu pai/mãe, ninguém vai pensar que sua orientação sexual é depravada ou relacioná-la à pedofilia, ninguém vai te despedir do emprego por causa da sua heterossexualidade, ninguém vai dizer que o que você faz é pecado e que você vai arder no inferno por conta disso.
Ho an'ilay mafàna fo João Pedro, ny eritreritra tahaka itony “Hetero Pride Day” itony dia manamafy sy mandrisika fotsiny ny herisetra ateraky ny fanavahana ny tsy mitovy amin'ny tena, hitondra ratra sy fahafatesana ho an'ireo Lehilahy na vehivavy mitovy nefa mifanambady, ho an'ireo sarindahy sy sarimbavy”, tahaka izay anasongadinany azy [pt] :
A cada 2 dias morrem 3 homossexuais, simplesmente por serem gays no Brasil. Nenhum heterossexual perde sua vida ou é agredido moral ou fisicamente simplesmente por terem essa opção sexual.
Resaka tombontsoa
Ilay mpanao gazety, Liuca Yonaha, ao amin'ny bilaogy O filtro (Ilay fitantavànana), dia mamerina mamoaka [pt] ny “fanamarinana” naroson'ilay mpanolotsaina Apolinário momba io tolo-dalàna io izay mifantoka betsaka indrindra amin'ny fanasaziana ny zo ho afaka maneho fitiavana eny imasom-bahoaka sy any anaty fahitalavitra :
Será que os homossexuais entende (sic) como direito à liberdade, (sic) dois bigodudos entrarem em um restaurante e ficarem se beijando sem respeitar os demais clientes daquele estabelecimento?
Eles deveriam ter um comportamento adequado a nossa sociedade e deixar os beijos e afetos para os lugares reservados ou suas casas.
Acontece que os homossexuais não se satisfazem com o anonimato e para chamarem atenção começam a exigir direitos que se quer (sic) os heteros têm; se comportam de forma inadequada e muitas vezes agridem verbalmente aqueles que não concordam com suas idéias e depois querem que a sociedade aceite este comportamento.
Sou casado há 32 anos, nem por isso me acho no direito de ficar beijando excessivamente minha esposa em público para com isso demonstrar o carinho que tenho por ela.
Mety ho azon'ny olona roa mifanambady ve ny hoe hahatakatra ny zo hanana fahalalahana tahaka ny hoe misy lehilahy roa be volombava miditra trano fisakafoanana iray ary mifanorokoroka tsy misy firaharahàna velively an'ireo mpanjifa hafa ao amin'ilay toerana?
Tokony hitondra tena am-pahamendrehana ry zareo eny anivon'ny fiarahamonina ka hamela ny fifanorokorohana sy ny fanehoam-pitiavana ho any amin'ny toerana manokana ho azy ireo any na any an-tranony.
Ny hita dia hoe tsy ampy ho an'ireo olona mitovy nefa mifanambady ireo ny ankafinafina ka mba hisarihana ny saina ho fanombohana ny fitakian-jo izay na ny olona ara-dalàna aza tsy manana azy; dia mitondra tena toy ny gaigy sy matetika manao teny manafin-tohina an'ireo izay tsy mitovy fisaina amin-dry zareo, ary avy eo dia manantena fa hanaiky an'io fitondran-tena io ny fiarahamonina.
32 taona ny tokantranoko, nefa na izany aza tsy mbola nihevitra mihitsy aho ny hoe manana zo hanorokoroka ny vadiko eny imasom-bahoaka mba hanehoako ny fitiavako azy.
Enjehina noho ny fankahalana ny hafa, niaro ny tenany ilay mpanolotsaina, amin'ny filazàna[pt] fa ny mpanety volony sy ny mpanao ankosotra azy dia samy ‘gay’ avokoa ary ny ady ataony dia manohitra fotsiny ihany ny “tombon-dahiny” angatahan'ireo olona ‘gay’ izay mitady hihoatra ny zo ananan'ny tsirairay.
@Apolinario_SP: Câmara SP aprovou meu projeto que cria o Dia do Hétero. Respeito os gays, mas sou contra excessos e privilégios.http://migre.me/5pq8l
Tao amin'ny Twitter, ny mpampiasa sasany toa an-dry Shara Maia (@SharaMaia1) sy João Pedro (@joaopedrocrf) dia nanohana ilay tetikasa tamin'ny fampiasàna ny tenifototra #diadoorgulhobabaca (Andro Fireharehan'ny Kaondrana). Fifanakalozan-dresaka nateraky ny bitsika iray nalefan'ilay mpianatra, Isabella de Amorim, izay niafara tamin'ny fandraisany fanapahan-kevitra hamafa azy io:
@isabellacbsa: E se é pra ter direitos iguais, deveria SIM existir o dia do orgulho hétero, já que existe o dia do orgulho gay. #diadoorgulhobabaca
Rosangela Basso, avy ao amin'ny bilaogy Maria da Penha Neles dia manolo-kevitra [pt] miaraka aminà esoeso:
Próximos dias de orgulho a serem criados:
- dia do orgulho branco
– dia do orgulho de não ser deficiente físico
– dia do orgulho racista
– dia do orgulho de ser rico
– dia do orgulho de ser homofóbico
Ireo andro fireharehana hafa tokony hoforonina:
- andro fireharehan'ny fotsy
– andro fireharehan'ny sembana ara-batana
– andro fireharehan'ny mpanavakavaka ara-pihaviana
– andro fireharehan'ny mpanan-karena
– andro fireharehan'ny mpankahala ny tsy mitovy aminy
Ao amin'ny Twitter, ilay mpitoraka bilaogy an-dahatsary PC Siqueira (@pecesiqueira), ilay mpanatontosa sarimihetsika, Otávio Ugá (@otaviouga) ary ilay mpanao gazety, Daniel Lélis (@danlelis) koa dia samy nisafidy ny hanihany ho entina manakiana :
@pecesiqueira: Porque é lógico que nós héteros que ao longo da história sofremos repressão e preconceito precisamos de um dia para afirmar nossa condição.
@otaviouga: @pablovillaca Homossexuais são muito egoístas. Vamos também lutar pela união civil entre heterossexuais do mesmo sexo! Orgulho Hétero.
@dannlelis: Orgulho Hétero aprovado. Agora heterossexuais de SP poderão “enfim” andar de mãos dadas na rua e até beijar em público. Valeu, Apolinário!
Ao amin'ny YouTube, lahatsary iray avy amin'i izaiaspcjr no manakiana ny famoronana ilay Andro Fireharehan'ny Hétéro :
Tsy maintsy ankatoavin'ny Ben'ny Tanàna, Mayor Gilberto Kassab, ilay tetikasa mba ho lasa lalàna. Conceição Oliveira dia manantena [pt] “fa mba misy singanà fahamendrehana ihany tavela ao amin'i Kassab ary hametraka ny didiny tsy azo ivalozana hanohitra ny andro adala tahaka izany izy”. Ilay mpanolotsaina, Jamil Murad, ao anatin'ny bilaoginy dia namoaka [pt] lahatsoratra iray mitsikera ny fankatoavana ilay hetsika sy ny fankahalana ny tsy mitovy amin'ny tena amin'ny ankapobeny.
Ny ‘Orgulho Hétero’ (Fireharehan'ny Hétéro) sy ny tenifototra #diadoorgulhobabaca (Andro Fireharehan'ny Kaondrana) dia lohahevitra noresahana betsaka tao Brezila ary nahangona mpaneho hevitra manohitra ny lalàna efa ho an'arivony maro. Ilay mpikambana ao amin'ny Kaongresy Federaly (sy Evanjelika) Eduardo Cunha (PMDB-RJ), fantatra fa hoe nanolotra volavolan-dalàna iray izay manameloka ny “fankahalàna ny tsy mitovy amin'ny tena” [pt] ary noho ny fanoherany ny zon”ireo ‘gay’ dia nanambara [pt] fa hanome soso-kevitra hanaovana androm-pirenena iray ho fireharehan'ireo hétéro.
Ity ny fanangonan-tsonia iray ao anaty aterineto [pt] mangataka an'i Kassab hampiasa ny vato tsy azo ivalozana amin'ilay tetikasa; ilay mpikambana ao amin'ny Kaongresy Federaly, Jean Wyllys, dia nanentana [pt] handresen-dahatra ny ben'ny tanàna mba tsy hankato volavolan-dalàna tahaka izany.