18 Jolay 2011, fahatsiarovana ny faha 17 taona nitsingerenan'ny fanafihana ny Asociación de Mutuales Israelita de Argentina [es] (Fikambanana Iombonana Ifanampian'ireo Israelita Arzentina), fantatra kokoa amin'ny hoe AMIA [es], izay nisy fiarakodià voasesika baomba nadona tamin'ilay tranobe, nahafatesana olona 85.
Taloha, ny taona 1992, ny Masoivoho Israeliana ao Arzentinà dia niharan'ny fanafihana tahaka izany ihany koa ka nahapotika tanteraka ilay tranobe, ary nahafatesana olona 29.

Fahatsiarovana ireo niharam-boina tamin'ny fanafihana, ny taona 1994, AMIA, Buenos Aire. Sarin'i andysternberg mpampiasa Flickr
Ny takelaka tamin'ny vohikalan'ny AMIA [es] mitantara izay niseho tao amin'ilay tranobe:…
18 de julio de 1994. 9:53 hs. Una fuerte explosión, seguida por un gigantesco hongo de humo y polvo, destruyó 85 vidas, 85 historias, 85 familias.En cuestión de segundos arrasó con la sede de la organización judía más emblemática de la Argentina y todo lo que estaba a su alrededor.Pánico. Ambulancias. Gente corriendo. Vidrios rotos cayendo de las ventanas de los edificios, cubriendo toda la calle. Gritos que surgían de la multitud mezclaban historias milagrosas y trágicas casualidades del destino.
mizara ilay tantara koa Ny bilaogy de Tea y Deportea [es] :
Más de 1000 viviendas y comercios cercanos quedaron destruidos, la pérdida de gas en la zona fue de gran magnitud, la onda expansiva arrasó con toda la cuadra , lanzando autos, arboles, carteles y personas por los aires; los vidrios de las ventanas de las viviendas y negocios estallaron hasta seis calles a la redonda.
Hatramin'izao dia mbola mitohy ny fanadihadiana, 17 taona aty aoriana, tsy nisy na dia iray aza nilaza ho tompon'antoka na hoe iza no hita fa meloka. Carlos Braverman [es], Israeliana mpanao politika, mpikaroka momba ny zavaboary sady mpahay momba ny toe-tsaina (psikology), manoratra ao anin'ny bilaoginy :
Este 18 de julio se cumplió un nuevo aniversario del atentado contra la AMIA y la impunidad miserable sigue envolviendo en un sentimiento de impotencia a los familiares de los 85 muertos y más de 300 heridos por el mayor ataque terrorista que vivió Argentina.
Ny fankalazàna dia natrehan'ireo manampahefana eo amin'ny firenena ary isan'izany ny Filoha Cristina Fernandez. Ny Filohan'ny AMIA [es], Guillermo Borger, tamin'ny kabariny dia nitaky ny rariny. Mitondra fanamarihana amin'ny ampahan'io kabary io i Perfil :
También criticó que no haya nuevos avances en la causa judicial por el atentado. Es que a más de dos años del fallo de la Corte Suprema de Justicia, que promovió un nuevo juicio contra los responsables de la denominada conexión local, no hubo todavía “un solo nuevo imputado, ni pistas ni pruebas” en tal sentido.
En su discurso pronunciado en la puerta de la sede de la mutual judía, su titular agradeció la presencia de la presidenta Cristina Fernández, pero dijo que la comunidad judía “necesita justicia”.
Nitsikera koa izy ny amin'ny tsy fisian'ny fandrosoana eo amin'ny fitsarana mikasika ilay fanafihana. Efa maherin'ny roa taona izay no tsy nohombiazan'ny Fitsarana Avo, izay nandroso famotorana vaovao manenjika ireo tompon'andraikitra izay nolazaina fa misy fifandraisana ao an-toerana, mbola tsy nisy aloha “fiampangana vaovao, na teny na zavatra mitombina iray” araka ny fandinihany. Amin'iny kabary ntaony teo an-tokonam-baravaran'ny foiben'ny fikambanana ifanampian'ny Jiosy iny, ny filohan'ny AMIA dia nankasitraka ny fanatrehan'ny Filohn'i Arzantina, Cristina Fernández, kanefa niteny fa ny fiarahamonina Jiosy dia “mila ny marina”.
Ho fanajana ny raharahan'ny AMIA, tatitra iray misy takelaka 800 notohanan'ny Fitsarana Avo ao Arzantina no nitarika fangatahana fisamborana iraisam-pirenena ho anà olona ambony Iraniana valo. Mitondra fanamarihana mikasika ireo dingana narahana ny bilaogy El Rejunte.il [es] :
En el 2006, el fiscal Alberto Nisman tomó la causa AMIA. El 16 de julio del 2009, presentó un dictamen de 800 páginas donde está demostrado judicialmente que la República Islámica de Irán financió, organizó y perpetuó el atentado a la mutual judía. Este informe fue abalado por la justicia argentina y posteriormente por Interpol, que emitió un pedido de captura internacional para 8 funcionarios iraníes actualmente protegidos por Irán.
Ny volana Septambra 2007, ny Filoha teo aloha Néstor Kirchner dia nanambara teo anatrehan'ny Firenena Mikambana ny tsy fahampian'ny fanohanana avy amin'i Iran mba hanazavana ny zava-nisy. Ny vohikala ho an'ny Channel 3 of Rosariorio [es] dia nampahafantatra hoe :
“Esperamos que la República Islámica de Irán acepte y respete la decisión de la Justicia y colabore eficazmente”, aseguró y reclamó a la comunidad internacional que “interceda”. “Estamos pidiendo que Irán cumpla. Nada más, pero tampoco nada menos”, sostuvo.
Ho tohin'ny fanambaràn'ny filoha teo aloha, ny diplaomasia Iraniana dia nampitandrina am-panajana mikasika io raharaha io, hoy ny gazety El Litoral [es] :
La decisión del mandatario generó una fuerte advertencia de Irán a Argentina, a cargo de Moshen Baharvand, encargado de negocios de la embajada de Irán en Buenos Aires y máximo representante diplomático de Teherán en el país sudamericano. “Es posible que, en caso de que el presidente Kirchner acuse (por el atentado) a Irán, muchos países interpretarán que la Argentina está a favor de la guerra”, afirmó Baharvand.
Tsy ela dia naharay fampitam-baovao ofisialy avy amin'i Iran ny (Chancellerie) solotena ara-diplaomatikan'i Arzantina, izay nanambàra ny fanapahan-keviny hiara-hiasa amin'ny fanadihadiana, manamafy ny tsy fahamelohany. Vao haingana ny gazety anaty aterineto Juventud informada [es] dia namerina namoaka indray ny tenin'ny Chancellier-n'i Arzantina Héctor Timerman:
Reconoció que lo tomó “totalmente por sorpresa” el comunicado oficial de Irán en el que si bien se ratifica la responsabilidad sobre el atentado terrorista que sufrió la Asociación Mutual Israelita Argentina (AMIA), “tiene una novedad: dice que está preparado para sentarse a negociar con la Argentina un acuerdo de cooperación con las investigaciones para que se encuentren los culpables”.
Nalaky be ny valinteny avy amin'ny Procureur Nisman izay manaraka ilay raharaha. Ny toko Cordoba ho an'ny Fikambanan'ny Sionista ao Argentinà [es] dia namerina namoaka ny ampahan'ilay fampitam-baovao :
“Si los iraníes y su Gobierno están dispuestos a cooperar que lo hagan de una vez por todas y de la única manera posible: entregando a todos los acusados de este terrible accionar terrorista que le imputa la Justicia argentina y dejen de efectuar declaraciones de vacías de contenido que nunca condujeron a nada”
Ny takelaky ny tranonkala Atentado al Olvido [es] dia nikarakara fanentanana iray tamin'ny Twitter izay nanasàny ireo mpampiasa izany tamin'ny tenifototra #tweetdeluto [es] hahafahan'ny vahoaka mahatsiaro ireo niharam-boina noho ny fihetsika mampalahelo nataon'ireo tsy mataho-tody sy ny namany, tahaka ny nataon-dry Teresita Ferrari, Osvaldo Bazan , Sandra Empereur , Cristina Gianferrari sy Emanuel Rebollo ankoatr'ireo maro hafa.
Teo anelanelan'izany i Patricia Terranova [es], izay maty tamin'izany ny rainy, dia manoratra teny kely [es] ao amin'ilay pejy Facebook ho fahatsiarovana ny faha 18-n'ny volana Jolay [es] :
Sigue doliendo como hace 17 años atras..Te extraño!!
Ary manohy izany izy ao amin'io vohikala io ihany:
Este es un homenaje a mi padre que dejo la vida en la puerta de la AMIA…Su ejemplo y amor hacia su familia y su pais es lo que me mantiene aqui , dando mi memoria a la Justicia.