Mitohy ny dia ho an'i Boukary Konaté sy ny tariny ao amin'ny tetikasa vatsian'i Rising Voices, Ségou Villages Connection. Iray amin'ireo zava-bitany farany ny famoronana ny foiben'onjam-peo tao an-tanàna tamin'ny alalan'ny “lecteur” mp3 sy “carte mémoire”. Boukary ao amin'ny blaogin'ny tetikasa “Ity misy teknolojia izay ahafahan'ny mponina mihaino amin'ny FM ny mozika henoin'ny mpiray vodirindrina aminy amin'ny alalan'ny ‘carte mémoire’.”
Ary manohy milazalaza ny fomba fiasan'ilay onjam-peo izy:
Ataonay anatina MP3 ny “carte mémoire” misy hira maromaro dia fantenanay ireo hira ao amin'ilay “carte” no sady mitady ny “fréquence”-n'ny onjam-peo ihany izahay. Rehefa azo tsara amin'ny onjam-peo ilay hira ao amin'ny “carte” dia afaka mihaino hira mitoby ireo mpiray vodirindrina na dia misy elanelana aza eo amin'ny radio, na ny kely aza.
Indrisy anefa, noho ny tsy fahampian'ny herinaratra any an-tanàna, samy alefa amin'ny “batterie” ilay “lecteur” mp3 sy ilay radio, nefa fahombiazana tokony hasiam-pivoarana sy haparitaka amin'ireo tanàna Maliana hafa ity. Izany no nitarika an'i Boukary hametraka ity fanontaniana [fr] manaraka ity:
si la carte mémoire a beaucoup joué sur les cassettes en matière de musique, est-ce que les MP3 ne vont pas aussi jouer sur les radio FM dans les les localités rurales en matière d’information et de musique ?
Na izany aza, tokony hitandrina ihany rehefa momba ny fitaovana ara-teknolojia, indrindra rehefa amin'ny tontolo somary mahery setra. Ny tanjon'ny Segou Villages Connection dia tsy voafetra amin'ny fanapariaham-baovao sy fampianarana ny fampiasàna ny teknolojia vaovao, fa koa fampahatsiarovan-tena ho an'ny mponina ambanivohitra. “Ka rehefa avy ny orana dia vonoy ny findainao,” hoy Oumar Dembélé manoro hevitra, mpitoraka blaogin'ny Ségouinfos ao an-tanànan'i Zambougou, izay mitantara loza iray niseho tao an-tanànan'i Bla, raha nanoratra tao amin'ny blaogin'ny Segou Infos [fr] :
Le samedi 19 juin 2011, le gardien du lycée de Bla est mort sous le coup de la foudre. Ils étaient huit personnes dans une case au champ. Le gardien jouait avec son téléphone, soudain, une foudre s’est abattue sur les huit personnes dans la case. Deux personnes ont trouvé la mort sur le champ parmi dont le gardien qui est un camarade à moi. Les autres blessés ont été emmenés à l’hôpital de Bla.
Nanoratra momba ny loza hafa tao amin'ny tanànan'i Dotebougou ihany koa i Oumar, ka nanome torohevitra fanampiny ho an'ireo mpamaky azy:
Le mardi 31 mai 2011 sous la pluie, un baobab est tombé sur une femme et son bébé à Dotebougou. Ni la femme ni le bébé n’ont survécu. Je lance un appel à toutes et à tous d’éviter de s’assoir sur les l’arbre sous la tornade.